Mpianatra Bahrainita nahazo ny laharana voalohany miditra am-ponja fa tsy miditra an-tsekolim-pitsaboana

Mustafa Mohammed Ismael, right, with his brother Ali, at his graduation ceremony

Mustafa Mohammed Ismael, ankavanana, miaraka amin'ny rahalahiny Ali, nandritra ny lanonana fanomezana diplaoma

Any am-ponja ilay mpianatra Bahrainita Mustafa Mohammed, nahazo ny laharana voalohany raha tokony hanatanteraka ny nofinofiny hianatra ho mpitsabo.

Andro iray toa zaton'ny taona, raha manome ny diplaoma sy miomana hianatra any amin'ny oniversite nosafidiany ireo mpianatry ny lisea, manantena hanatanteraka ny asa nofinofisin'izy ireo fatratra. Ho an'ny mpianatra maro ao Bahrain, indrindra ny Shiita sy ny mpanohitra ny governemanta, lavitry ny hoavy mamirapiratra ny lalam-piainana miandry azy ireo.

Iray amin'ireo tranga mpahazo ny mpianatra sady tanora maro miaritra fangirifiriana ao amin'ny firenena ny raharaha Mustafa. Vao nahazo diplaoma vao haingana i Mustafa miaraka amin'ny Naoty 98,8 isanjato izay nizotra ho any am-ponja raha tokony hianatra any amin'ny oniversite mba hanatanteraka ny nofinofiny hianatra ho mpitsabo.

Nizara ny manjò an'i Mustafa tao amin'ny Twitter i @HusaainMinus :

Nahazo voninahitra amin'ny Naoty GPA 99% i Mustafa ary satria Shiita izy, dia nahazo vatsim-pianarana ho any am-ponjan'i Bahrain

Tamin'ny 15 Aogositra 2013, nandehandeha tao ivelan'ny tranon'ny raibeny ao Nuwaidrat i Mustafa izay efa feno 18 taona ankehitriny raha nosakanan'ny polisy mpanao fisafoana. Voampanga ho nanao fivoriana tsy ara-dalàna izy ary nahazo sazy enim-bolana an-tranomaizina tany am-boalohany. Nahenan'ny fitsarana ambony ho telo volana avy eo ny sazy ary navotsotra izy 24 andro taty aoriana rehefa nandoa onitra hivoahana vonjimaika.

Nilaza tamin'ny gazety mpivoaka isan'andro Al Wasat  ny fianakavian'i Mustafa fa niezaka hatrany nandresy lahatra ny manampahefana mba hampihena ny sazy ho onitra ny mpisolovavany, Mohammed Al-Muttawa mba ahafahany hanohy ny fianarany, saingy tsy nahomby.

Mampiseho zava-bita goavana tamin'ny taranja rehetra nandritra ny telo taona mahery ny mari-pahaizany tany amin'ny lisea izay tsy ahitana naoty latsaky ny 93,5% amin'ny 100%.

Nanapa-kevitra hitolo-batana izy tamin'ny 10 Jolay mba hamita ny ambin'ny saziny (roa volana sy enina andro) nandritra ny vakansy asara, nanantena ho avotsotra amin'ny 16 Septambra. Tamin'ny taratasy nosoratany talohan'ny nidirany am-ponja, nilaza izy hoe: “Mandany ny alina sy ny andro aty am-ponja aho … vokatry ny fahombiazako sy ny fahaizana fianarana.” Nanohy naneho ny fahakiviana tsapany izy raha nosamborina voalohany, ary avy eo ny tsirim-panantenana tonga taminy rehefa navotsotra izy, manazava fa hiasa mafy hatrany izy mba hanatrarana ny tanjona. Eny, nosandaina fampidirana am-ponja ny nofinofiny ho lasa dokotera sy hanompo ny fireneny

Mustafa, right, kissing his mother's forehead at the end of his graduation ceremony. His brother Ali, far left.

Mustafa, ankavanana, manoroka ny reniny tamin'ny  faran'ny lanonana fizarana diplaoma. Ny rahalahiny Ali no eo ankavia.

Ny fianakaviany no nandrisika an'i Mustafa mba hitolo-batana, hoy ny rahalahiny Ali tamin'ny Global Voices Online mba hialàna amin'ny olana any aoriana sy ny mety ho fisamborana azy mandritra ny fianarana eny amin'ny onivesite. Nilaza i Ali fa raha tsy nitono-tena ny rahalahiny dia mety niatrika zava-tsarotra amin'ny alehany rehetra na rehefa mandalo toeram-pisafoana satria misy didy fampisamborana azy. Ny eritreritry ry zareo dia hoe araka ny idirana mialoha any am-ponja no ivoahany mialoha handraisany an-tanana indray ny fiainany.

“During high school, Mustafa felt so disappointed and unmotivated. His GPA dropped a few points, but family support helped him get through it. He was always at home avoiding to go out so he could complete his high school diploma without interruption or being arrested.”

  “Nandritra ny fianarany tamin'ny ambaratonga faharoa, nahatsiaro diso fanantenana sy tsy mavitrika i Mustafa. Nihena isa vitsy ny naotiny tamin'ny GPA, saingy nanampy azy hiarina ny fanohanan'ny fianakaviana. Ao an-trano foana izy tsy mivoaka mihitsy mba ahafahany mamita ny fianarany ambaratonga faharoa tsy misy fahatapahana na fisamborana .

Tsy i Mustafa irery no voasambotra tao amin'ny fianakaviany. Efa nosamborina tamin'ny 1 Janoary 2012 ihany koa ny rahalahiny Qasim, izay mpianatra ihany koa ary nahazo sazy dimy taona an-tranomaizina noho ny raharaha “Rayat Alezz”. Mpikatroka ara-politika ihany koa ny rainy Mohamed Ali izay nahazo sazy 15 taona an-tranomaizina nanomboka tamin'ny 24 Martsa 2011, noho ny fiampangana azy ho “niteti-dratsy hanongana ny fitondrana”. Iray amin'ireo mpitarika malaza 13 mbola any am-ponja izy noho ny andraikiny nandritra ny fitroaram-bahoaka malaza tamin'ny Febroary 2011 tao Bahrain.

Migadra ao amin'ny fonjan'i Lakavy Maina i Mustafa ankehitriny miandry ny rahalahiny hanome vaovao azy momba ny vatsim-pianarany sy ny fahazoany miditra any amin'ny oniversite ampitan-dranomasina, amin'ny fifantohany ao an-tsaina fa ny reniny no hany mpamelona ny fianakaviany amin'izao fotoana izao.

Bahraini top student Mustafa Mohammed Ismael delivering a speech at his graduation ceremony

Mpianatra ambony Bahrainita Mustafa Mohammed Ismael mandray fitenenana tamin'ny lanonana fizarana diplaoma

Efa kandidà tamin'ny Fandaharan'asa Vatsim-pianarana Iraisam-pirenenan'ny Printsy Handova ny Satro-Boninahitra (CPISP) izy ary tafiditra tamin'ny dingana farany saingy tsy nahazo. Natao hanatontosana ny Vinan'ny Printsy Sheikh Salman Bin Hamad Al-Khalifa ny fandaharana vatsim-pianarana araka ny voalaza ao amin'ny habaky ny fandaharana “mba hampivelatra ny tanora Bahrainita avy amin'ny sarangam-piainana rehetra handray toerana manan-danja amin'ny hoavy eo amin'ny seha-panjakana sy ny tsy miankina.”

Na dia teo aza ny fahombiazany amin'ny fianarana sy ny fahaizany, voafetra ny safidiny, noho izy tsy maintsy mamita ny saziny, ho tara fanombohana fianarana any amin'ny oniversite sasany izy rehetra havotsotra. Tsy maintsy mitady ny safidy azony alaina aorian'ny famotsorana azy amin'ny tapaky ny volana Septambra i Mustafa

Nanazava tamin'ny Global Voices ny rahalahiny Ali fa nahazo vatsim-pianarana iray hafa avy amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazana i Mustafa, saingy momba ny injeniera mekanika izany, lavitry ny taranja fitsaboana nokasainy atao.

“Once he is released, hopefully before he has to complete his sentence, he will try to switch the scholarship to a stipend and use the money towards studying what he wants. However, we are worried he will be banned from travel after his release.”

“Raha vao avotsotra izy, izay antenaina mba ho alohan'ny tsy maintsy hamitany hatramin'ny farany ny saziny, dia hiezaka hamadika ny vatsim-pianarana [saran'ny oniversite aloa mivantana any amin'ny oniversite] ho vatsy azony raisina mivantana izy ary hampiasa ny vola amin'ny fianarana izay tiany. Na izany aza, manahy izahay fa ho raràna tsy hahazo handeha lavitra izy aorian'ny famotsorana azy. “

Tsy irery i Mustafa araka ny fanoritsoritan'ny maro amin'ny “fombam-panavakavahana” raha ny fizarana vatsim-pianarana ao Bahrain no resahina. Misy ny adihevitra mafana mitranga ao Bahrain mikasika ny fepetra fifantenana izay mpianatra mahazo vatsim-pianarana. Araka ny filazan'ny mpikatroka sy ny olom-pirenena Bahrainita, mampiseho fanavakavahana ireo Shiita mpianatra eo amin'ny fanomezana vatsim-pianarana ny tondrozotran'ny governemanta, indrindra hoan'ireo izay maneho fomba fijery manohitra ny governemanta.  Natambatra tamin'ny diezy mavitrika tao amin'ny Twitter amin'ny teny Arabo midika hoe “ny famonoan'ny vatsim-pianarana” ny fomba fijery sy ny fahasorenan'izy ireo .

Araka ny antotanisan'ny Foibe Misahana ny Zon'Olombelona ao Bahrain (BCHR) tamin'ny Febroary tamin'ity taona ity, ankizy 400 eo ho eo no any am-ponjan'i Bahrain noho ny fiampangana misy ambadika politika. Iharan'ny fikarakarana ratsy sy ny fampijaliana ny ankamaroan'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.