Nesorin'ny Governemanta Ao Honduras Mba Hanatsaràny Ny Endriny Ve ireo Mitokona Tsy Mihinan-Kanina?

Fuerzas del orden hondureñas desmontan el lugar donde un grupo de manifestantes, en huelga de hambre, protestaba por la corrupción.

Polisy mandrava ny toerana nanaovan'ireo mpitokona tsy mihinan-kanina ny hetsi-panoherany hanoherana ny kolikoly ao Honduras. Sary avy amin'i Helen Ocampo.

Nitohy nandritry ny tapa-bolana ny fitokonan-dry zareo tsy hihinan-kanina talohan'ny nihetsehan'ny polisy tamin'ny 7 Jolay 2015, ary nanaparitaka ireo mpanao hetsi-panoherana teo ivelan'ny Casa Presidencial, tranon'ny Filohan'i Honduras ao Tegucigalpa. Nolazain'ny mpampihatra lalàna fa nilaina ilay hetsika mba “hamindràna toerana” ireo mpanao hetsi-panoherana mialoha ny fitsidihan'ireo iraky ny Organization of American States (OAS) sy ireo manampahefana avy amin'ny Firenena Mikambana.

Tonga tao Honduras ireo solontenan'ny Firenena Mikambana sy ny OAS mba hitondra fanamoràna ny fifampiresahana hahatongavana amin'ny fampitsaharana ireo hetsi-panoherana efa naharitra herinandro maro nanoherana ny governemantan'i Juan Orlando Hernandez, izay ampangaina amin'ny resaka kolikoly.

Hetsi-panoherana ny kolikoly: miditra amin'ny andro faha-15 ny fitokonana tsy mihinan-kanina

Vokatry ny tantara ratsin'ny kolikoly goavana tao amin'ny Ivontoerana Fiahiana Sosialy izay nahazoana 200 tapitrisa tamin'ny tsy ara-dalàna dia nanomboka ireo fihetsiketsehana ireo. Vondrona iray ahitàna tanora, fantatra ao amin'ny media sosialy amin'ny hoe “los indignados” (ireo tsy faly), no nahavita nanetsika olona an-jatony hanao ilay antsoina hoe “Diaben'ny Fanilo.”

Tamin'ny misasakalina, nialohavan'ny fitsidihan'ilay nanambara tena ho mpikambana ao amin'ny  FUSINA (tafika manokana ao Honduras) ny fanesorana ireo mpanao hetsi-panoherana, izay norahonan-dry zareo hofongorina. Ny governemanta ankehitriny no nanangana ny FUSINA mba hampihenana ireo heloka ataon'ny andian-jiolahy, nefa koa voampanga ho manao tsindry aloka amin'ireo sivily amin'ny anaran'ny governemanta.

Talohan'ny nanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana fotsiny, Sagrario Prudoth mpisolovava, mpanolotsaina iray momba ny zon'olombelona ao amin'ny Ministeran'ny Filaminana ao Honduras, dia nitsidika ireo olona marobe teo mba ho toky ho an'ny rehetra fa tsy hisy na iray aza hoesorina eo . Rehefa nitranga izy ity, miaramila sy mpitandro filaminana an-jatony no nirotsaka nandrava ireo fefy natao ho fiarovana sady nanimba na namotika ireo tranolay sy fitaovana hafa nampiasain'ireo vondrona manohana ilay fitokonana.

Fanesorana tsy ho ela intsony hataon'ny polisy mpandrava korontana an'ireo mpitokona tsy mihinan-kanina

Izao ankehitriny izao eto amin'ny renivohitr'i #Honduras Juan Orlando Hernandez manala ireo mpanao hetsi-panoherana mitokona tsy mihinan-kanina. Nanaitra ny olona izany rehetra izany ary tsy hisy hiverina hatory intsony ry zareo. Vao mainka fotsiny nanosika ny olona hanao diabe sy HITAKY ny rariny ho an'ity firenena ity ireny fihetsika ireny

Ho an'ilay Alemàna Ayala, iray amin'ireo mpanao hetsi-panoherana, “fihetsiky ny miala aina nataon'ny governemanta mba hitsaboana ny làlana nakaton-dry zareo teo anoloan'ny Casa Presidencial mba tsy hahafahantsika mipetraka na aiza na aiza eny akaikiny eny, ka hanomezana sary tsaratsara ho an'ireo iraka iraisampirenena” no namongorana ireo mpanao hetsi-panoherana teo.

José María Pineda, mpitarika ireo indizena Tolupan, efa miditra amin'ny andro fahavalo nanaovany fitokonana tsy mihinan-kanina, dia nanamafy fa “am-pilaminana ireo hetsi-panoherana. Miteraka herisetra bebe kokoa ny herisetra ary mahery setra ity governemanta ity. Na izany aza dia hijanona hanohy ny fitokonana tsy hihinan-kanina izahay ary tsy hiala mandra-pijerin-dry zareo ny fitakianay.”

Takian'ireo mpanao hetsi-panoherana ny hanesorana ny lehiben'ny Fampanoavana, ary ny mpandrindra ao amin'ny fampanoavana, hatramin'ny fametraham-pialan'ny Filoham-Panjakana sy ny fametrahana kaomisiona iray iraisampirenena miady amin'ny tsimatimanota ho an'i Honduras, tsy misy hafa amin'ny CICIG ao Goatemalà mpifanila vodirindrina aminy.

Nandray anjara tamin'ity lahatsoratra ity i Esteban Meléndez.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.