Kiobà Eny, Google Tsia: Tsahoana ho Toherin'ny Manam-pahefana Kiobàna Ny Tolotra Wifi Maimaimpoana Omen'ny Google

A WiFi symbol in Old Havana, Cuba. Photo by Nano Anderson, taken from Flickr under a CC License BY 2.0.

Ny sariohatry ny WiFi ao Havana taloha, Kioba. Saripikan'i Nano Anderson, nalaina tamin'ny Flickr noho ny alalana CC BY 2.0.

Voalaza fa nandà ny tolotra avy amin'ny Google hamatsy wifi maimampoana hoan'ny vahoaka ao amin'ny nosy manerana ny firenena ny manam-pahefana ambony indrindra Kiobàna.

Na dia samy tsy nisy naneho hevitra mazava momba izany raharaha izany aza na ny orinasa (Google) na ny governemanta Kiobàna , toa nanatsoaka ity fehin-kevitra ity tamin'ny resadresaka tao amin'ny gazety Juventud Rebelde (Tanora Mpikomy), gazetin'ny tanora ela nihetezana ireo loharanom-baovao marobe. Nampiseho an'i Jose Ramon Machado, indray nihira tamin'i Castro mirahalahy, izay toa tapa-kevitra tanteraka hametraka ny soatoavina sy ny fitondra-tena mampiavaka ny Marksisma tsy manam-paharoa ao Kiobà eo amin'ny tanora rehefa nahavita ny efapolo taona nitantanana ny Firaisamben'ny Tanora Kaominista ao Kiobà ny antsafa iray nifanaovana taminy.

Raha nanontany an'i Machado ny heviny mikasika ny lanjan'ny ny Interineto ho an'ny tanora Kiobana ny mpanoratra gazety, dia mazava ny valintenin'i Machado:

Esto supone una gran oportunidad, a la vez que un gran reto, porque las nuevas tecnologías resultan novedosas y vitales, no solo para la comunicación entre las personas, sino además para el desarrollo. Todo el mundo sabe por qué en Cuba no hay más Internet, porque ello tiene un alto costo. 

Existen algunos que nos la quieren dar gratis, pero no lo hacen con el fin de que el pueblo cubano se comunique, sino con el propósito de penetrarnos y hacer trabajo ideológico para lograr una nueva conquista. Tenemos que poseer Internet, pero a nuestra forma, sabiendo que es una intención del imperialismo manejarla como una vía más de destruir a la Revolución.

Fanararaotana indrindra ny fidirana amin'ny aterineto sady fanamby goavana ihany koa, satria zava-baovao sy zava-dehibe ny teknolojia vaovao, tsy amin'ny fifaneraserana eo amin'ny samy olona ihany fa eo amin'ny fampandrosoana ihany koa. Mahafantatra ny antony mahatonga ny tsy fisian'ny aterineto betsaka ao Kiobà ny tsirairay. Noho ny halafosany no anton'izany.

Misy ireo te-hanolotra aterineto maimaimpoana ho antsika, saingy tsy manao izany ahafahan'ny Kiobàna mifanerasera amin'ny hafa izy ireo fa manao izany hitsofohana ao amin'ny sehatra firehan-kevitra, mba hahazoana tany sy olona [babo] vaovao. Mila miditra aterineto isika, saingy amin'ny fombantsika manokana, ary manaiky fa ny fikasana imperialista dia ny ampiasaina azy ho fomba iray hafa hanimbana ny Revolisiona

Mety hoe manitatra ny filazana fa mibahana amin'ny eritreritr'i Machado ny fijery diso tafahoatra ny resaka imperialisma, saingy tsy tokony hosoratana ho tsy mitombina na tsy mazava ny fomba fijeriny. Soloy “tombontsoa” ny hoe “[tany sy olona] babo” dia ho hita mazava kokoa ny valiny. Amin'ny tenin’ilay mpanao gazety Orogoaiana Fernando Ravsberg, izay monina ao Havana hatramin'ny taona 1990. “Nilaza izy ireo fa raha goavana loatra ny fanomezana, na dia ny mahantra aza mety hiahiahy.”

Eny tokoa, solontena mamirapiratra sy manjelanjelatra amin'ny tsena malalaky ny soatoavina kapitalista ny Google izay soatoavina notadiavin'ny fikambanana tahaka ny Firaisamben'ny Tanora Kaominista sy ny Antoko Kaominista Kiobàna horavana sy holavina hatramin'ny taona 1960.

Ny tsy nolazain'i Machado tamin'ny tafatafa dia ny zavatra rehetra azo lazaina ankoatra ny fanamafisana fa nandeha lavitra hatramin'ny fihaonana amin'ireo lehiben'ny Google mihitsy ny governemanta Kiobàna, anisan'izany ny fihaonana tamin'ny Filoha Tale Jeneralin'ny Google, Atoa Eric Schmidt, farafahavitsiny dia indray mandeha izany hatramin'ny nanavaozan'ny firenena ny fifandraisana ara-diplomatika tamin'ny Desambra. Tsy tana mihitsy ny [fihetseham-pon'ny] manampahaizana ara-media ao Etazonia tamin'ity tantara ny ity (jereo ny lohateny ao amin'ny Newsweek, Havana Times) na dia toa mbola tsy nisy akory aza ny fifanekena ofisialy. Tena zava-dehibe raha vonona hihevitra izay azo atao ireo manampahefana Kiobàna ireo.

Azo lazaina fa misy ny adihevitra mafana eo anivon'ny antoko sy ny governemanta mikasika ireo lohahevitra ireo ary tsy ny rehetra no mitovy hevitra amin'i Machado. Tao anatin'ny taona vitsivitsy, nanjary mora lavitra ho an'ny Kiobàna ny manana sy mampiasa vokatra sy tolotra teknolojika sy mifanakalo tahiry media nomerika mampiasa teknolojia USB sy Bluetooth tsy matahotra ny ho voasazy. Tsy zava-tsy fandre intsony izany tambajotra WiFi izany, na dia mbola saika tsy misy aza ivelan'i Havana.

Mety tsy maneho ny tsoankevitra farany amin'ity raharaha ity ny antsafa nifanaovana tamin'i Machado, na ny sehatra midadasika momba ireo orinasan-teknolojian'i Etazonia manokatra tsena ao Kiobà. Saingy milaza izany fa mbola mavaivay eo anivon'ny mpitantana ao Kiobà ny adihevitra mikasika ny fidirana amin'ny teknolojia sy ny dikany ara-politika ao anatiny sy ivelan'ny firenena .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.