Esoin'ny Aterineto Ny Filazàna Fisiana Fandrahonana Ataon'i “El Chapo” An'i Donald Trump

Uno de los memes creados por usuarios sobre la fuga del Chapo Guzmán y Donald Trump.

Fandosiran'i ‘El Chapo Guzmán – El Chapo: “Ankehitriny, inona no nolazainao momba ireo Meksikana?” – Trump: “Chapo… Nananihany fotsiny aho! Iray amin'ireo fampihomehezana noforonin'ireo mpampiasa media sosialy, miresaka ny fandosiran'i “El Chapo” Guzmân ny fonja ary koa ny resabe manodidina ny fanehoankevitra feno fanavakavahana nataon'i Donald Trump momba ireo Meksikana

Nandefa hafatra mandrahona mivantana ho an'ny tena tompon'ny harembe, Donald Trump, ny kaonty Twitter iray lazaina ho misy fifandraisany amin'ilay  mpanjakan'ny zava-mahadomelina, Joaquín ‘El Chapo’ Guzmán Loera, taorian'ireo fanehoan-kevitra manambany izay nataon'ilay mpandraharaha tamin'ireo Meksikana mpifindra monina.

Trump, izay mirotsaka ho mpifaninana hisolo tena ny Antoko Repoblikana amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ao Etazonia amin'ny volana Novambra 2016, dia nampiasa ny kaonty Twitter-ny mba hanaratsiana an'i Meksika taorian'ny famakiana fonja nataon'i Guzman Loera  tsy ela akory izay:

Nandositra ny fonja ny goavana indrindra mpanjakan'ny zava-mahadomelina  tao Meksika. Kolikoly tsy mampino ary dia i USA no mandoa ny vidiny. Efa niteny taminareo aho!

Nohararaotin'ilay mpanankarena ihany koa io fotoana io hanipihana fa ampiasain'i “El Chapo” sy ireo fikambanana mpanao zava-maha-domelina ao Meksika tsy misy sakantsakana ny sisintany, nampiany ihany koa fa mahazo vola an'arivony tapitrisa izy ireo amin'ny fanaovany izany. “Azonay ireo mpamono olona, mpifoka rongony sy mpanao heloka bevava; izy ireo mahazo vola,” hoy izy.

Farany, ho setrin'ny antso avy amin'ny vahoaka amin'ny ankapobeny sy ny media ho an'ny Trump mba hiala tsiny mikasika ny fanambaràny nilazany fa tsy nanao afa-tsy ny nandefa olona mampiahiahy hiampita ny sisintany i Meksika, nanamarika izy fa “voaporofo izao ny fahamarinan'io”, tamin'ny fanamarihany an'i “El Chapo” tao amin'ny bitsika nalefany.

.Ireo kaonty Twitter heverina ho an'ny “El Chapo” sy ny fianakaviany dia efa naminavina mialoha ny fandosiran'ilay lehiben'ny fikambanana mpanao zava-mahadomelina sady nirehareha momba io ny Sabotsy alina. Ny kaonty @elchap0guzman, izay misy mpanaraka manodidina ny 200.000 ary mety ho ilay lehiben'ny fikambanana mpanao zava-mahadomelina Sinaloa no mitantana azy dia nilaza fa efa tafaraka tamin'ny zanany, Archivaldo sy Alfredo Guzmán, indray izy.

Ny olona izay mitantana ilay kaonty koa dia nanipy ompa isan-karazany sy fandrahonana ho an'i Donald Trump taorian'ireo fanehoankevitra nataon'ilay mpanankarembe tao anaty Twitter.

Tohizo ny maha-mpanorisory dia ho asaiko mitsakotsako ireo teny [ratsinao] ianao, ilay lataka malazo ity.

Mitrandraka ireo heverina ho fandrahonana nataon'i El Chapo amin'ilay Amerikana mpandraharaha ireo mpampiasa media sosialy ka nahita mahatsikaiky ao anatin'ilay raharaha.

Memes Mexico Trump and El Chapo

Nandositra ny Sabotsy teo tokony ho tamin'ny 9ora alina i ‘El Chapo’ Guzmán, avy ao amin'ny fonja federaly Altiplano. Nohamafisin'ny Comisión Nacional de Seguridad (CNS), Kaomisionam-piarovana ao Meksika ny Alahady taorian'io ilay fandosirana avy amin'ny sampana fiarovana an'i Meksika.

Napongatry ny lehiben'ny CNS, Monte Alejandro Rubido Garcia, fa taorian'ny fandosiran'i Guzmán Loera, hita tao amin'ny efitrano nifonjany ny faritra mirefy 20 amin'ny 20 nisokatra teo akaikin'ny trano fandroana, teo amin'ny gorodony, izay nahitàna lavaka mijidina mirefy 10 metatra eo ho eo mankany anaty tonelina efa ho iray  kilaometatra. Nazava tsara sy ampy rivotra ilay tonelina, voaravak'ireo jiro manazava sy fantsona misampantsampana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.