Ny Fandosiran'i Qurghonteppa, Midika Fanoneran-keloka Shawshank Ho an-dry Zareo Tajik

Ilay fonja malaza ratsy ankehitriny ao Tajikistana. Sary an'ny RFE/RL, nampiasàna ny lisansa CC.

Tamin'ny herinandro lasa, rehefa nifonja volana vitsivitsy lasa izay noho ny namonoany sy nandoroany vehivavy iray, nahavita nandositra tamin'ny fomba tsy mbola nisy mpanao ny toerana nanokana-monina azy ny tanora iray sahisahy sy atahorana — tamin'ny niafenany tao anaty fitoeran'entan'ny fiaran'ny lehiben'ilay fonja tsara aro indrindra — izay tokony hanefany sazy 23 taona.

Tsy ampahanà sarimihetsika Hollywood na Bollywood akory ity, fa tena zava-nisy avy any Tajikistana, izay tsy atao mahagaga intsony ny fisian-javatra faran'izay mahatsikaiky (jereo ny fandrakofana ataon'ny Global Voices eto, eto, eto ary eto).

Saika tsy nivoaka tamin'ny fampahalalam-baovao tao an-toerana mihitsy ilay zava-nitranga tamin'ny herinandro lasa raha tsy nidiran'andro ilay ranamana mpifonja ka ilay polisy izay nisambotra azy tamin'ny taona lasa ihany no nahatsikaritra azy. Rehefa injay ilay polisy — izay nasandratry ny Tajik ho maherifo noho ny nanaovany an-kitsim-po ny asany — niantso ny fonja, toa tsy nisy na iray aza tamin'ireo mpiasa tao amin'ny fonja nahamarika hoe misy iray banga ny gadra ao an-toerana.

Tohin'ilay tantara ratsy dia nesorina tamin'ny asany ny lehiben'ny fonja sy roa tamin'ireo lefitra mpanampy azy.

Toy ny hoe sarimihetsika tsotra izao

Tsy very amin'ireo Tajik mpiondana media sosialy ny fifandrohizana amin'ny Shawshank, ireo mpisera izay namadika ny horohorony ho lasa hatsikana noho ity firenena tao anatin'ny Firaisana Sovietika fahiny ity mifamofo amin'ny hadalàna tanteraka.

Iray, antsoina hoe Qurbon no maneho hevitra fa :

О таких снимают фильмы!!!))))

Mamokatra lahatsary momba ireny tantara ireny ry zareo.

Rehefa nahatsiahy ireo andrana hafa nataon'ny tao an-toerana mba handosirana famaizana, tsaroan'ireo mpisera ilay vehivavy malazan'ny hira izay nisintona ny olon-tiany efa nifatotra rojo vy ho ao anatin'ny Lexus-ny handositra ny fitsarana tao an-toerana, saingy nahazo ihany koa sazy roa taona nandritry ny fitsarana, hatramin'ireo 25 mpiara-mifonja, isan'izany ireo teratany vahiny sy sasantsasany nofonjaina noho ny asa fampihorohoroana, izay nandositra ny fonja tsara aro tao Dushanbe, renivohitr'i Tajikistana.

Mpaneho hevitra tao amin'ny tranonkalan'ny Asia Plus nanoratra hoe :

уахахаххахахаахахаха когда нибудь прекратят наши органы смешить народ?

TpT. Hijanona tsy hampitokiky antsika ve ireto mpitandro filaminantsika ireto?

Raha iray hafa indray no nisalasala hoe dia ho tsy nahafantatra fa nitondra ilay voafonja hiala lavitra teo tokoa ilay lehiben'ny fonja :

Еще одна версия, по моему самая правдивая – за определенную (очень большую) сумму, начальник колонии вывез заключенного на свободу. В свете коррумпированности, и последних громких предательствах силовиков, это вполне возможно!

Fijery iray hafa, izay heveriko fa akaiky indrindra ny marina: noho ny vola be dia nentin'ilay lehiben'ny fonja hivoaka hahazo fahalalahana ilay voafonja. Raha raisina anaty kajy ny haavon'ny kolikoly sy ireo tantara ratsin'ny famadihana nataon'ny mpitandro filaminantsika tato ho ato [ny fialàna an-daharana nataon'ny lehiben'ny polisy handeha hanatevina ilay vondrona ISIS mpampihorohoro] tsy dia lavitra loatra ny zava-misy io fijery io.

Ry tanàna kelin'i Dangara o!

Indrindra fa hoe, nandeha ho any Dangara tanàna niaviany ilay lehiben'ny fonja, toerana kely be vovoka any atsimon'i Tajikistana izay tsy nisy dikany talohan'ny nahatongavan'ny filoha amperinasa ho eo amin'ny fahefana, taorian'ny nirodanan'ny Firaisana Sovietika sy nanombohan'ny nanangana ny kabinetra sy mpitandro filaminana niaraka tamin'ireo mponina nahitàna tokantrano 20.000 sy ny distrika nanodidina azy.

Marobe amin'ireo mpanaraka ny RFE/RL (Radio Ozodi) amin'ny fiteny Tajik no nampivoitra ilay olan'ny kolikoly ao anatin'ity firenena nampahantraina nalahatry ny Tondro Fijerena ny Kolikoly navoakan'ny Transparency International ho faha-152 amin'ny firenena 175 ity.

Мухтарам раисон махсусан аз нохияи дангара дар тамоми сохторхо сардоршуда кор мекунед ахмият дихед наход одамкуш гурезад дар мошини шумою шумо хабар надоред.хайрият хамон милисаи вахдат шинохту дастгир карданд набошад шумо бехабаред.ман бисери сардорон (началникхо)ро мешиносам ки ё аз дангаранд е аз кулоб харуз бо мошин мераванду меоянд ин хело рох аст нархи бензин 5-6 сомон.оё маоши шумо мерасонад ин масрафро.

Ry mpitarika hajaina, indrindra fa ireo avy ao Dangara, izay toa mitarika ny sehatra rehetra! Miangavy, afantohy tsara ny saina! Ahoana no ahafahan'ny mpamono olona handositra fonja avy amin'ny fiaranao dia hoe tsy nahalala ny momba izany ianao? Soa fa tratran'ilay polisy tao Vahdat izy [tanàna tsy lavitra an'i Dushanbe renivohitra]. Fantatro ny maro aminareo [mpitarika] avy ao Dangara na Kulob [tanàna akaikin'i Dangara ary toerana iray hafa niavian'ny maro amin'ireo mpitondra ambony ao amin'ny firenena]. Isanandro no mitondra fiara mody any an-tanànanareo ianareo na eo aza ny zava-misy hoe 5-6 Tajik Somonis [efa ho 1 USD isaky ny litatra] ny solika. Ahoana no ahavitan'ny karamanareo an'ireny fandaniana ireny?

Сардор мошини Кэмри….. Маошаш чанд сомон асту, чанд нонхур дорад???

Dia manana Toyota Camry ny lehiben'ny fonja … Ohatrinona ny karamany, firy ny olona ambany fiahiany?

Amin'ny anaran'ny lalàna sy ny filaminana

Ny sasany aza mbola nipao-tsatroka an'ilay polisy tao Vahdat, izay roa taona misesy no nahasambotra io mpamono olona io ihany.

Мы гордимся тобой оперативный сотрудник! Ты просто молодец! Правительству стоило бы обращать внимание на заслуги таких сотрудников, поощрять их учитывать во время очередных и внеочередных кадровых перестановок. Долой национализм, регионализм и кумовство!

Reharehanay ianao, r'ingahy polisy! Asa mendrika! Tokony hijery maso ny fankasitrahana ny polisy tahaka ireny ny governemanta, manome fisondrotana ho azy ireo. Tohero ny nasionalisma, ny fanomezana tombony ny faritra niaviana ary ny  fanomezana tombony ireo akaiky manokana ny tena!

Руководство колонии на хорошее мыло, так сказать, а опера из Вахдата представить к награде, однозначно. Мужик конкретного преступника поймал. А вдруг этот сбежавший еще кого нить зарезал бы. Короче, опер – МОЛОДЕЦ. Побольше бы таких милиционеров, спалось бы спокойнее.

Tokony ho roahana ny fitantànana ny fonja, ary tokony homena fisondrotana ilay polisy tao Vahdat. Nisambotra olona tena mpanao heloka ity ranamana ity. Iza no mahalala, raha tsy izany, mety ho namono olona hafa indray angamba izy. Mila polisy maro tahaka izany isika mba handry fahalemana rehefa alina.

Mazava fa nanao fotsiny ny asany nanakaramàna azy ilay polisy tao Vahdat fa tsy nampiditra tanaty kajiny ny fomba fijerin'ny vahoaka momba ny tsy fihetsehana na ny fanatanterahana fahatany ny andraikitra ataon'ny polisy na ireo rafi-panjakana hafa ao Tajikistana, ny fiheverana azy ho polisy tsy voapentin'ny resa-bola no nahazoany ny dera sy ny fifantohan'ny vahoaka taminy ato amin'ity firenena Aziatika Afovoany ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.