Navotsotr'i Bahrain ny Mpikatroka Ny Zon'Olombelona Iray Handefasana Iray Hafa Any Am-ponja Indray

Bahraini human rights activist was freed tonight after a royal pardon. Photograph shared widely  on social media. Source: @nawaf_alhendal

Navotsotra androany alina ilay mpikatroka ny zon'olombelona Bahrainita taorian'ny famelan-keloky ny mpanjaka. Sary nozaraina tao amin'ny media sosialy. Loharano: mpikatroka ny zon'olombelona Koetiana @nawaf_alhendal

Navotsotra androany alina ilay mpikatroka ny zon'olombelona Bahrainita, Nabeel Rajab taorian'ny famelan-keloky ny mpanjaka. Nifanojo tamin'ny fitazonana an'i Ibrahim Sharif, Sekretera Jeneralin'ny Fikambanana Hetsika Demaokratika Nasionaly (WAAD), antoko politika ankavia ao Bahrain hiampy 15 andro eo am-piandrasana ny fanadihadiana azy ity fihetsika tsy nampoizina ity. Nosamborina tamin'ny 11 Jolay, telo herinandro monja taorian'ny famotsorana azy i Sharif tamin'ny didim-pitsarana lazain'ny mpitsikera ny governemanta fa misy ambadika politika. .

Nosamborina tao an-tranony ao Bani Jamra tamin'ny 2 Aprily 2015 i Rajab noho ny hafatra nalefany tao amin'ny Twitter momba ny fahasalaman'ireo olona migadra ao amin'ny fonjan'i Jaw ao Bahrain sy ny vaovaon'ny fiaraha-mitantana tarihin'i Arabia Saodita midaroka baomba an'habakabaka an'i Yemen hatramin'ny faran'ny volana Martsa. Mandritra ny fihazonana azy miandry ny fanadihadiana mikasika izany andian-tsioka izany, notazonin'ny fitsarana Bahrainita ny sazy enimbolana an-tranomaizina efa azony noho ny fanehoan-kevitra nataony momba ny ISIS tao amin'ny Twitter tamin'ny 14 May.

Araka ny fanambarana navoakan'ny Sampam-baovao Barhain tantanin'ny fanjakana “Namoaka didy manome famelan-keloka manokana hoan'i Nabeel Rajab Ahmed Abdul Rasul noho ny antony ara-pahasalamana ny Mpanjaka androany.” Tsy misy ny fanazavana fanampiny raha tafiditra amin'izany ireo fiampangana amin'ny raharaha hafa iampangana azy izay mikasika ny fanehoan-kevitra nataony tao amin'ny Twitter avokoa ny antony, ary mbola tsy nisy ny daty itsarana azy tamin'ireo sioka miresaka ISIS.

Noraisina am-pahamalinana ny vaovao mikasika ny famotsorana an'i Rajab. Maro ireo naneho hevitra raha misy tetipanorona ataon'ny fitondrana amin'ireo mpanohitra ara-politika amin'izao zavatra ataony izao.

Freedom Prayers misioka hoe:

Samborintsika i Ali Salman, avotsotsika i Ibrahim Sharif; samborintsika i Sharif, avotsotra i Nabeel Rajab. Feno hipoka ny fonja. Rehefa misy hirika kely, dia misy olon-kafa voasambotra

Mitovy hevitra amin'izany ihany koa ity fanehoan-kevitr'i Faisal Hayyat manaraka ity:

Samborin'izy ireo i Ali Salman, avotsotr'izy ireo i Ibrahim Sharif; samborin'izy ireo i Sharif ary avotsotra avy eo i Nabeel Rajab. Iza no hosamborina manaraka?

Sekretera Jeneralin'ny Fikambanana Islamika Al Wefaq i Ali Salman, izay voasazy higadra efa-taona an-tranomaizina, telo andro talohan'ny famotsorana an'i Sharif. Voampanga ho nitarika tsy fankatoavana sy fankahalana ny fitondrana i Salman, nosamborina tamin'ny 28 Desambra 2014. Voampanga ho “nitarika fankahalana sy niantso herisetra hisian'ny fiovana ara-politika” kosa i Sharif, izay mbola tazonina atao fanadihadiana amin'izao fotoana izao.

Raha navotsotra i Rajab androany, ahiana ho voantohintohina ny fahafahany noho ny zavatra avoakany ao amin'ny habaka bilaogy madinika, izay ahafahan'ireo mpiserasera manerantany mizara ny heviny sy ny zavatra iainany ary ny fihetseham-pony ao anatin'ny tarehin-tsoratra 140. Malina i John mpikambana ao amin'ny Bahrain Watch:

Sao adinontsika fa nogadraina noho ireo sioka manasongadina ny olana fisian'ny mpanohana ISIS ao amin'ny mpitandro ny filaminana ao Bahrain i @NABEELRAJAB

  Ary (na dia tsy mazava aza izay voalaza ao amin'ny famelan-keloka) mbola miatrika didy fanasaziana 10 taona an-tranomaizina i @NABEELRAJAB  noho ny sary tsy tao Yemen nalefany sioka tsy nahy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.