Nampidirina Am-Ponja Tao Singapore Izy Fa Nanakiana Ny Praiminisitra Teo Aloha, Nefa Mbola Mitoraka Bilaogy Ihany

From the Facebook page of Amos Yee

Sary: Amos Yee / Facebook.

Rehefa namoaka lahatsary iray i Amos Yee, 16 taona, tamin'ny volana Martsa farany teo nanakiana an'i Lee Kuan Yew, Praiminisitra nanangana an'i Singapore, dia tsikaritra fa nanafintohina tanaty aterineto ireo tsy tokony hotsapatsapaina, ka nitarika ny fanamelohana izay mety hampigadra azy mihoatra ny telo taona izany, raha toa ka voampanga izy.

Nanome baiko azy ny mpitsara nandritra ny fakana azy am-bava tamin'ny volana farany teo fa haverina any am-ponja mandritra ny telo herinandro izy handinihana raha afaka manatrika ny fiofanana fanovàna ifotony. Tamin'ny herinandro lasa teo, nalàna tao am-ponjan'i Changi i Yee ary nafindra tany amin'ny Toby Fitsaboana Aretin-tsaina, izay hijanonany mandritra ny herinandro iray hafa, rehefa avy nasain'ny mpitsara nijery ny toe-pahasalamany noho ny ôtisma.

Na teo aza ny fitanana an'i Yee, nisy zava-baovao hatrany tao amin'ny pejy Facebook-ny. Mieritreritra ny olona sasany fa afaka manao izany io zatovolahy io amin'ny alàlan'ny fanomanana mialoha ireo lahatsorany, ny hafa kosa miahiahy fa mety ho ireo namany na ny fianakaviany no mampiditra zava-baovao ao. Niverina nisarika ny sain'olona indray io pejy io tato ho ato noho ireo lahatsoratra izay mirakitra ny eritreritr'i Yee momba ny fotoana nijanonany tany am-ponja.

Anatin'ity famintinana manaraka ity ohatra, manoratra mikasika ny hasorenan-tsaina amin'ny fiainana any am-ponja i Yee:

Zary romotra sy pelika ireo mpiray sela, izay matetika dia mieritreritra ny vokatry ny fisian'izy ireo any am-ponja, na koa lasa soso-dava satria tsy very dia ao anatin'izany sela izany.

Anatin'ny tsy fahatomombanana sy hasosorana dia manomboka mihira amin'ny feo maranitra izy ireo, mamely totohondry ny rindrina, ary mikapokapoka ny kaopiny sy ny boatiny.

Mahatonga ahy ho kizitina aoka izany sy hitaintaina lava ireo kotaba mankarenina ireo.

Maro ireo mpanohana an'i Yee no mahatsapa fa izy no tanora indrindra eran-tany amin'ireo “voafonja noho ny fomba fiheviny”, noho io baiko fitanana azy am-ponja mandritra ny fotoana voafetra io.

Ao amin'ny pejy Facebook-n'i Yee, nisy fanamarihana sasany nipoitra izay nakàny hevitra mihitsy avy amin'ny asa soratr'i William Shakespeare:

Tany am-ponja, lasa mora sorena ireo mpiray sela amiko hany ka tena nitsinjatsinjaka tahaka ny inona izy ireo rehefa nahita lalitra kely mivezivezy teo ambony lohany.

Avy eo dia nalain'izy ireo ny boaty plastika fasianay ny savoninay ary nosamboriny tanatin'ilay izy ilay lalitra kely. Ary tahaka ny mijery zazakely talanjona ny mahita azy ireo midanàka mandinika ny fihetsin'ilay bibikely sy ny zavatra rehetra ataony.

Vetivety teo, dia lasa malahelo tampoka izy ireo, ka manao lahateny manjoretra izay afaka mifaninana tsara mihitsy amin'ilay fizarana anatinà tantara an-tsehatra nahitàna ny “Etre ou ne pas Etre” an'i Shakespeare, ary milaza zavatra mitovitovy amin'ireto andalana ireto:

‘Voasambotra ilay lalitra kely, tahaka antsika.
Nisambotra olona tsy manan-tsiny isika, sahala mihitsy amin'ny nataon'ny Governemanta tamintsika.
Inona ity niafarantsika?’

Ahitana fanamarihana hafa momba ny fiainana ambadiky ny vavahady vy ihany koa ny pejy Facebook-n'i Yee:

There is barely any sense of time in prison, there are no clocks in cells. Our only indications of time is the little light that seeps out from the vent. And everyday my cellmates would eagerly wait for that light to dissipate, knowing that another day has passed, and they’re one day closer to attaining their freedom.

Zara raha misy ahafantarana ny fotoana ao am-ponja, tsy misy famantaranora any anaty sela. Ny hany famantaranay ora dia ilay hazavana kely mitaratra avy eo amin'ny makarakaran'ny varavarankely. Ary isanandro dia miandry mafy ny fanjavonan'io hazavana io ireo mpiray sela amiko, ahafantaran'izy ireo fa tapitra indray ny andro iray, ary mihamanakaiky ny fotoana hahazoany ny fahafahany.

Raha toa ka tsy dia nalaza firy ireo tsikeran'i Yee momba an'i Tompokolahy Lee Kuan Yew, dia niteraka tsy fifanarahana kosa ny fanapahankevitry ny rafi-pitsarana hitondra amin'ny fomba henjana ity zazalahy 16 taona ity noho ny fomba fijeriny hafa. Tanatin'iray tamin'ireo fotoana niakarany fitsarana aza moa dia voafelaky ny lehilahy iray izy teo anoloanà efitrano feno mpanao gazety, izay tsy nanao na inona na inona akory:

Akory aby tadidinareo ve ilay lehilahy namely ahy teo amin'ny tarehiko? Fantatro fa olon-dratsy sy ny sisa izy. Kanefa te-hisarika ny sainareo any amin'ireo mpanao tatitra izay nanatri-maso ny zava-niseho aho.

Tsy nisy na iray tamin'izy ireo aza tonga nanampy, tsy nisy na iray tamin'izy ireo aza nametraka ny kamerany ka niezaka nisambotra ilay mpanao asa ratsy, nanohy naka sary fotsiny izy ireo iezahany hahazo ny sary tsara indrindra ho an'ny lohatenim-baovao ny ampitso.

Nanoratra momba ireo olana mianjady amin'ny zanany lahy ihany koa ny renin'i Yee, Mary Toh:

Zaza miramiran-dava i Amos, mahatoky tena ary tena be resaka. Tia karokaroka ihany koa izy, ary mahavita mandany fotoana maro aminà zavatra izay ifantohan'ny sainy.

Saingy olon-kafa ny zanako ankehitriny.

Hatramin'ny nisamborana azy tamin'ny volana Martsa sy ny fivadibadihan'ny toe-draharaha tany amin'ny tribonaly, dia tena reraka i Amos amin'izao, ary eny, matahotra.

Manontany tena aho hoe fa maninona ny zanako lahy, izay eto noho ny fijerena raha voan'ny ôtisma izy, no hidiana anaty efitra iray miaraka amin'ireo marary saina.

Diso reraka loatra izy tany amin'ny fonjan'i Changi izay nitanana azy tao anaty sela nandritra ny 23 ora isanandro, miaraka amin'ny jiro izay mirehitra foana matetika, nandritra ireo telo herinandro farany teo.

Tsy nety nahita torimaso izy.

Iray amin'ireo vondrona maro misolovava eran-tany mitaky ny famotsorana an'i Yee ankehitriny ny “Human Rights Watch”,  izay misarika ny saina hijery ny toe-draharaha noho ny fitondrana azy tahaka ireo mpanohintohina maherisetra, na dia teo aza ny fahalefahan'ilay nolazaina fa heloka nataony:

…tamin'ny fotoana niampangàna azy, nahiditra am-ponja nandritra ny 18 andro i Yee noho ny heloka tsy mifono herisetra. Ary rehefa nentina teo anoloan'ny fitsaràna izy ny 7 Mey, dia voafehin'ny rojo vy ny tànany, voafatotry ny rojo vy ihany koa ny tongony, ary niankanjo t-shirt misy soratra hoe “gadra” avy ao amin'ny lamosiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.