Tsy Afaka Mamaky Ireto Boky Ireto Ianao, Saingy Afaka Hamay Izany Kosa Ireo Zafindohalikao

Margaret Atwood, right, hands over her transcript for Future Library, a 100-year project by Scottish artist Katie Paterson, left. Credit: Katie Paterson

I Margaret Atwood, eo an-kavanana, manolotra ny dikasoratra nataony ho an'ny Future Library, tetikasa iray maharitra 100 taona natsangan'ilay mpanakanto Ekôsey Katie Paterson, eo an-kavia. Sary: Katie Paterson

Ity tatitra an-dahatsoratra sy amin'ny onjam-peo ity, izay nataon'i Susannah Roberson ho an'ny The World, dia nivoaka tao amin'ny PRI.org ny 16 Jolay 2015 ary dia naverina navoaka teto tanatinà fifanarahana amin'ny fifampizarana votoaty.

Efa samy naheno ny momba ireo fitaovana fitahirizana ny rakitra hampiasaina amin'ny hoavy avokoa isika, saingy hafa kely ity iray ity. Antsoina hoe “Future Library” izy ity, ary miseho amin'ny endrika ala any Norvezy.

Toy izao ny fiasany: 1.000 ireo hazo novolena tany Nordmarka, ala iray eo ivelan'i Oslo, ary ireo ala ireo dia hanome taratasy ho anà boky natambatra izay hatonta amin'ny taonjato iray miala amin'ny antsika. Herin-tsain'ilay mpanakanto Ekôsey Katie Paterson ity tetikasa ity, ary nilaza izy fa tamin'ny alàlan'ny rangodrangotra no nahazoany io hevitra io.

“Nanao rangodrangotranà masontonon-kazo tena tsotra dia tsotra aho tanatinà kahie, ary dia nampisy fifandraisana haingana teo amin'ireo masontonony ireo sy ny fizarana anatinà boky aho,” hoy i Paterson.

Mikasa ny hanasa mpanoratra iray isan-taona i Paterson handray anjara anatin'ilay fanangonana, mandritra ny 100 taona. Ilay Kanadiana mpanoratra nahazo Marim-pankasitrahana, Margaret Atwood, no voalohany nanolotra dikasoratra iray tamin'ny Mey.

“Tena maka fanahy ahy tokoa ny fihazonan'ny tanako ny iray amin'ireo asa sorany izay tsy azoko vakiana ankehitriny, ary fantatro fa tsy azon'iza na iza vakiana ihany koa mandra-pihavin'ilay andro iray any aoriana,” hoy i Paterson. “Saingy mazava ho azy fa ho henjana aho, ka tsy hanokatra na iray amin'ireo pejy aza, na oviana na oviana.”

Manantena i Paterson fa ho fanomezana ho an'ireo taranaka ho avy ny tetikasany. Mihevitra izy fa tahaka ny famakiana lahatsoratra ntaolo mbola tsy nisy nahita izany.

“Heveriko fa hirakitra ireo fotoana mivaingana isan-taona ireo asa soratra ireo, na amin'ny 2015 izany na amin'ny 2055,” hoy i Paterson. “Noho izany dia mahafinaritra ahy ny maminavina izay mety hanokafan'ilay mpanoratra voalohany ny pejy voalohany.”

Saingy tsy hisy izany mandra-pahatongan'ny taona 2114. Tamin'izay ihany koa, nampahafantatra ny mpanoratra faharoa, dia ny mpanoratra Britanika David Mitchell, i Paterson. Ary mbola mitohy ny fitombon'ny ala any Norvezy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.