Na Eo Aza Ny Famoretana, Tsy Manaiky Tampenam-bava Ireo Shinoa Mpisolovava Ny Zon'Olombelona

Activists protested outside the Chinese Consulate in Los Angel on July 12. Photo from Voices of Amercia

Mpikatroka manao hetsi-panoherana eo ivelan'ny Kaonsilin'i Shina ao Los Angeles , ny 12 Jolay. Sary avy amin'ny “Voice of America”

Raha kely indrindra dia 190 ireo mpandàla ny zon'olombelona no voasambotra, nogadraina na nalaina am-bavany hatramin'ny nanombohan'ilay famoretana niely nanerana ny firenena tao Shina tato anatin'ny andro vitsy lasa.

Namaly bontana tamin'ny hetsi-panoherana tany anoloan'ireo kaonsily Shinoa maromaro ireo vondrona mpiaro zon'olombelona sy mpikatroka avy any ampitan-dranomasina, mba hisarihana ny saina amin'ilay tsarain-dry zareo ho fihetsika fanaovana tsinontsinona ny fahalalahana sivily ao amin'ny tanibe Shina. Fanampin'izany, nanomboka ny fanangonan-tsonia hangatahana ny governemanta Amerikana hanafoana ny fitsidihan'ny Filoha Shinoa Xi Jinping any amin'ny faramparan'ity  taona ity.

Ny Minisitry ny  Filaminam-Bahoaka ao  Shina no nandrindra ilay famoretana, izay nanomboka ny 9 Jolay, araka ny tantara iray tao anatin'ny China Daily izay ambany fifehezan'ny fanjakàna, tamin'ny 11 Jolay. Notaterin'ilay gazety fa ny Fengrui, Kabinetra momba ny Lalàna ao Beijing, ilay tena lasibatra voalohany tamin'ireo hetsiky ny polisy, dia nampangaina ho mampiasa “fikambanan-jiolahy”,  manana ny dian-tànany amin'ny fikarakaràna “raharaha saropady” niisa 40 mahery izay nitarika taminà fikorontanam-bahoaka ary nampietry ny fitokisana ny manampahefana.

Nampiasa marobe tamin'ireo mpisolovava tena feno fahasahiana hita ao amin'ny firenena ilay kabinetra, izay notarihan'i Zhou Shifeng. Iray amin'ireo mpisolovava ao amin'ilay kabinetra i Wang Yu, nanomboka tamin'ny fisoloana vava ny olona iray mpanaraka ny fombam-pivavahana  Falun Gong izay voaràra, tamin'ny Jona 2015, ary niampanga ireo manampahefana tamin'ny anaran'ny olona nosoloiny vava, ho manameloka mifanohitra amin'ny lalàna. Ny 9 Jolay tamin'ny 4 maraina, nanao bemidina tao an-tranon'i Wang ny polisy ary nisambotra azy sy ny vadiny, Bao Longjun, izay mpisolovava ao amin'ilay kabinetra ihany koa. Andro roa taty aoriana, naboraky ny polisy fa enina ireo mpisolovava sy mpitantana ao amin'ilay kabinetra no notànana noho ny heloka bevava.

Ao anatin'ny tatitra avy aminy, nilaza koa ny “China Daily” fa tamin'ny fampiasàna WeChat, ilay fampiasa malaza amin'ny finday ho fandefasana hafatra, namorona vondrona  “ad hoc” ireo mpisolovava sy ireo mpikatroka mafàna fo mpiaro zon'olombelona mba “hikonònana” ilay fitifirana ho faty polisy iray tao Qing An tamin'ny volana May raha nanao ezaka ho fitazonana ny fahamarinan-toerana sosialy ny fanjakàna, tamin'ny fampiasàna ilay zava-nisy hoe i Xu Chunhe, ilay lehilahy maty voatifitra, dia mpanao sonia ilay fitakiana. Ao Shina, ny fanangonan-tsonia dia rafitra iray ho an'ireo olon-tsotra mba hitakiana amin'ny governemantam-paritra na ny foibe hanadihady mikasika fanararaotam-pahefana na kolikoly nataon'ireo manampahefana.

Nanisi-kevitra ilay gazety hoe ny tian'ireo mpisolovava nahatongavana dia ny hanosika ny lazan'izy ireo sy hahazo tombontsoa.

Hatramin'ny 2009, nofoanan'ny governemanta Shinoa ireo hetsika fitakiana zo nataon'ny olom-pirenena. Ny Janoary 2014, Xu Zhiyong, mpisolovava ny zon'olombelona sady olo-malaza mpitarika ilay hetsika, dia nohelohina efatra taona am-ponja, ary ny fisamborana ilay mpisolovava fanta-daza, Pu Zhiqiang tamin'ny May 2014. Hatramin'izao, mifototra amin'ny fitsongotsongoana tranga ilay fanaovana antsojay, saingy tsy mbola nisy toa azy ny famoretana misy ankehitriny manerana ny firenena atao an'ireo mpisehatra amin'ny lalàna.

Taorian'ny fisamborana ireo mpisolovava sy ny mpitantana tao amin'izy ireo, isan'izany ireo avy amin'ny Fengrui, ilay Kabinetra momba ny Lalàna ao Beijing, nikisaka tany amin'ny fisamborana sy fakàna am-bavany mpisolovava hafa indray ny polisy, dia ireo mpisolovava izay nitaky imasom-bahoaka ny hamoahana azy ireo. Araka ny China Human Rights Lawyers Concern Group -vondrona mpisolovava mandinika ny olana momba ny zon'olombelona- raha kely indrindra dia 190 ireo mpahay lalàna no notànana, nosamborina, nampanantsoina na tsy navela hifanerasera aman'olona. Hatramin'ny anio, 11 no notànana noho ny resaka heloka bevava na araha-maso amin'ny toeram-ponenana manokana, 19 no tsy hita nanjavonana na tsy avela mifanerasera aman'olona, ary 160 no navotsotra taorian'ny fiantsoana sy fakàna am-bavany nataon'ny polisy.

Na teo aza ny fandrahonan'ny polisy tsy hizaràna ireo hafatra miresaka momba ilay bemidina, manohy manandra-peo ireo mpahay lalàna. Ireto ambany ireto ny fitanisàna avy amin'ny vondrom-piarahamonin'ny lalàna ao Shina (avy amin'ny pejy Facebook-n'ny China Human Rights Lawyers Concern Group ):

Tonga andro alina tao an-tranoko ny polisy ary nampitandrina hoe, “Aza maneho ny fanohananao. Tsy mila resabe anaty aterineto. Meteza ho tomponandraikitra amin'izay lazainao.” Tena mahatsiravina izany ary tsy araka ny maha-olona ny tsy firaharahianao ireo namana tsy foinao. Na Satana aza dia handinika ambony ambany ny olona tahaka izany. Tsy fitabatabàna mihitsy  ny fiheveranao ny namanao. Fandraisana andraikitra ilaina izany. — Feng Yanqiang,  Mpisolovava

Ao anatin'ny ezaka iray ataony hanamafisany ny fifehezana ny fiarahamonina, ny toetra asehon'ity karazana “Politika Vaovao” ity dia ny haneritery ny fahalalahana miteny, ny fanaovana any lisitra mainty ny gazety sy ny fanamafisana ireo fepetra famaizana. Manomboka izao, dia avy amin'izany izay rehetra fandrahonana sy fameperana atao an'ireo mpisolovava mpiaro zon'olombelona, miaraka amin'ny fikasan'ireo manampahefana hanenjana ny vahohony amin'ny resaka sosialy avy ao anatiny sy mivoaka ivelan'i Shina. — Lawyer Lu Liangbiao

Mety hoe arahana maso ny mailaka sy ny telefaoniko, mety tsongoina dia aho ary mety jirihana ny aterinetiko. Saingy azoko odian-tsy fantatra ireny satria tsy manana zavatra hafenina aho. Fa hamaly daroka aho ary tolorako arahaba sy fanarahana maso, satria tsy manao zavatra hanimba ity firenena ity aho. Azafady mba tsy handeha ao an-damosiko ao, iangaviako petaho aho ary sambory ! — Professor Chen Taihe, Anjerimanontolo fianarana ny Lalanan'ny Teknolojia Elektronia ao Guilin.

Ny manasazy amin'ny alàlan'ny fanosihosena ny rehetra amin'ny lalàna dia tena famotehana tanteraka ny maha-tò teny ny governemanta. Na izany aza mety hisy fiantraikany miserana fotoana vitsy amin'ny fahamarinan-toerana izany, nefa dia dingana famafàzana fankahalàna. Mahita fandriampahalemana vonjimaika ianao,fa tsy ela akory na aoriana kely dia hipoaka ny volkano, ho tondraka ny rano. — Professor He Weifang, Anjerimanontolo ao Beijing.

Amin'ny fomba fijerin'ny manampahefana, matetika no tsy raharahaina sy avakavahana ny lanjan'ireo mpisolovava, ny sasany aza milaza ny mpisolovava ho adala, zavatra tena diso tanteraka. Tokony hijoro hitràka ireo mpisolovava, miroso amim-pahasahiana. Satria ananantsika ny herin'ny fahefan'ny lalàna. Tsy misy tany tàn-dalàna raha tsy eo isika.

Nanao hetsi-panoherana teny ivelan'ireo kaonsily tany amin'ireot tanàn-dehibe tao New York, SanFancisco, Los Angeles sy Hong Kong ireo mpikatroka mafàna fo mpiaro zon'olombelona avy any ampitan-dranomasina, nitaky ny hamotsorana tsy misy hatak'andro ireo mpisolovava. Nampiasain-dry zareo ihany koa ny sehatra an'ny governemanta fanaovana fitakiana ety anaty aterineto mba hangatahana amin'ny Trano Fotsy hanao tsindry amin'ny governemanta Shinoa, amin'ny fanafoanana ny fitsidihana an'i Etazonia hataon'ny Filoha Shinoa Xi Jinping :

Hatramin'ny nahatongavan'i  Xi Jinping teo amin'ny fitondràna, niharatsy hatrany ny antontan-drakitra momba ny zon'olombelona ao Shina. Maherin'ny 1000 ireo mpanohitra no nosamborina nandritry ny fotoam-pitondràny. Angatahanay ny Filoha Obama sy ny governemanta Amerikana mba hanadihady io tranga fanitsakitsahana tafahoatra ny zon'olombelona io, ary, amin'ny maha-olombelona, handray fepetra henjana mba hirotsaka amin'io. Ny fitsidiham-panjakana voalahatra hataon'i Xi ao Etazonia amin'ny Septambra amin'ity taona ity dia tokony hofoanana, ary haato ireo fifanakalozana ofisialy rehetra ifanaovana amin'ny governemanta Shinoa mandra-pivahan'io olana io.

Tao anaty fanambaràna iray natao tanaty mailaka, nofaritan'i Marco Rubio sy Chris Smith, filohanà kaomity mpanatanteraka momba an'i Shina ao amin'ny Kaongresy Amerikana ho toy ny ” famingavingana goavana” ny zon'olombelona ilay famoretana, sy hoe ireo onjam-pamoretana dia mampiseho fihemorana tsy azo lavina eo amin'ny fifandraisan'i Etazonia sy Shina.

Mandritra izany, ifampizaràn'ireo mpikatroka mafàna fo ety anaty media sosialy ny vaovao farany momba ireo famoretana, amin'ny alàlan'ny tenifotora #freethelawyers (avotsory ireo mpisolovava).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.