Taorian'ny Fandraràn'ny FIFA, Angatahan'ny Fikambanana Indoneziana Ho An'ny Baolika Kitra Ny Fitondràna Mba Tsy Hitsabaka

Supporters of football club Persija rally holding signs demanding presidential intervention to roll out the Indonesian Super League affected by the decision of the government to suspend the local football association (PSSI). Photo by Denny Pohan, Copyright @Demotix (5/5/2015)

Ireo mpanohana ny ekipan'i Persija tamin'ny lalao baolina kitra milanja sora-baventy mitaky ny filoha mba hirotsaka an-tsehatra hamerina amin'ny laoniny ny Super League Indoneziana, niharan'ny fanapahan-kevitry ny governemanta ho fampiatoana ny fikambanana mpanao baolina kitra eo an-toerana (PSSI). Sary avy amin'i Denny Pohan, Fizakàmanana @Demotix (5/5/2015)

Nanomboka ny volana lasa teo, nosakanan’ny FIFA tsy handray anjara amin'ireo fifaninanana lalao baolina kitra iraisam-pirenena i Indonezia taorian'ny nandraisan'ny fanjakana ireo asa sasany mikasika ny Fikambanana Mpilalao Baolina Kitra Indoneziana (PSSI). Hita ho betsaka loatra ny fidirany an-tsehatra satria nanitsakitsaka ny fahaleovan-tenan'ny PSSI. Mitàna ny heviny ny fanjakana Indoneziana fa ilaina ireo fanovàna ireo mba hanatsarana ny lalao baolina kitram-pirenena, izay ahitana ny famerenana mandinika ireo fitsipika nampiharin'ny PSSI.

Nanao tafatafa anaty mailaka tamin'ny Filohan'ny PSSI La Nyalla Mattalitti ny Global Voices mba ahazoana ireo heviny mikasika io olana io. Io ambany io ny fandikàna famintinana momba ny tafatafa izay natao voalohany tamin'ny fiteny Bahasa.

Global Voices: nilaza ny FIFA fa nahantony i Indonezia noho ny fidiran'ny fanjakana an-tsehatra amin'ny PSSI. Saingy nilaza ny fanapahan-keviny ny fanjakana fa ny fidirana an-tsehatra dia midika ho fanatsarana ny sehatry ny lalao baolina kitram-pirenena. Afaka maneho hevitra momba io ve ianao?

La Nyalla Mattalitti: Tamin'ny alàlan'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, niditra an-tsehatra ny fanjakana tamin'ny fanakànana ekipa roa tao anatin'ny Indonesia Super League (ISL). Ny PSSI no tokony hamaritra ny fandraisan'anjaran'ireo klioba amin'ny ISL fa tsy ny Indonesia Professional Sports Body (BOPI) natsangan'ny Ministeran'ny Fanatanjahantena akory.Efa tamin'ny 19 Febroary 2015 no nandefa taratasy ny FIFA nampahatsiahy ireo mpisehatra rehetra, anisan'izany ny BOPI, mba tsy hitsabaka amin'ireo fitsipiky ny ligin'ny lalao baolina kitra, ao anatin'izany ny fanomezana fahazoan-dàlana ho an'ireo klioba.

Raràn'ny FIFA ny fidiranà antoko fahatelo amin'ny fampiharana ireo fitsipi-dalao satria raha omena alàlana io, samy handrafitra ny fitsipiny ny firenena tsirairay.

Mitovy amin'ny Lalàna Indoneziana No. 3 ny taona 2005 io, mikasika ny Rafitry ny Fanatanjahantenam-Pirenena, izay manome alalàna ny Federasionan'ny Fanatanjahantena, amin'ity tranga ity ny PSSI, hamaritra ireo fitsipika sy hanatanteraka hetsika ara-panatanjahantena .

Araka ny voalazan'ny Filohan'ny IOC, Thomas Bach, nandritra ny kabariny tao amin'ny UNGA tany New York ny volana Novambra 2013, “Ny Fanatanjahantena tokoa no toerana tokana amin'ny fiainan'ny olombelona izay afaka nametraha lalàna iombonana manerantany. Saingy mba hampiharana io lalàna iombonana manerantany io, mila misitraka fizakana andraikitra malalaka ny fanatanjahan-tena. Tsy maintsy manaja io fahalalahan'ny fanatanjahan-tena io ny politika.”

Players lifting a goalpost. Photo by Arpan Rachman

Mpilalao baolina kitra manainga ny tsatoka. Sary avy amin'i Arpan Rachman

GV: Niteny koa ny fanjakana fa ilaina ny fidirana an-tsehatra mba hanatsarana ny traikefan'ny mpilalao baolina kitra Indoneziana. Ahoana ny hevitrao?

LNM: Raha tian'ny fanjakana handresy kokoa eo amin'ireo lalao iraisam-pirenena ireo tarika mpilalao baolina kitra Indoneziana, tsy maintsy manaraka izay ataon'ireo firenena hafa rehetra koa izy. Mandray izay fomba fanao tsara indrindra sy ireo fenitra ara-panatanjahan-tena. Jereo ny fombafanohanan'ireo governemanta any Japana, Qatar, na ireo firenena avy ao Azia atsimo atsinanana ny ekipan-dry zareo. Ohatrinona ny vola laniny mba hamatsiana fanatanjahantena na lalao baolina kitra?Raha ny marina, tsy mahazo fanohanana ara-bola avy amin'ny fanjakana ny PSSI. Ny PSSI no miantsoroka ny vola lany amin'ny fampandehanana ny ligin'ny baolina kitra. Manofa kianja izahay, mandoa ny karaman'ny mpitandro filaminana ary fanontàna ireo tapakila. Mifanohitra amin'izany kosa, manome foto-drafitrasa maimaimpoana ho an'ny ligin'ny baolina kitrany ny fanjakana Maleziana. Ka aiza ny fitondram-panjakantsika? Ankehitriny, tampotampoka eo dia miresaka momba ny ilàna fanavaozana amin'ny fitantanana ny lalao baolina kitra Indoneziana izy ireo

 

GV: Inona no tohin'ny hetsika ho anao, taorian'ny sakana nataon'ny FIFA? Ianao koa ve anisany miezaka mangataka ny fanampian'ny AFF (ASEAN Football Federation) na ny AFC (Asian Football Confederation)?

LNM: Ho an'ny FIFA sy AFC, hotsoahina ny fampiatoana raha toa ka averina amin'ny toerana nisy azy tey am-piandohana ny PSSI.

Sintony ny didy nataon'ny minisitry ny fanatanjahantena ary avy eo afaka miresaka amin'ny fanjakana ny PSSI momba izay fomba hanamboarana fiaraha-miasa ara-dalàna mifanaraka amin'izay napetraky ny FIFA. Io no làlan-tokana mankany amin'ny fampiatoana ny sakana sady hampivoarana bebe kokoa ny lalao baolina kitra Indoneziana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.