Manao Ahoana ny Fiantraikan'ny Krizy eo Amin'ny Olo-tsotra ao Gresy

Athens, Greece. 27 June 2015 -- People line up at an ATM outside a branch of Piraeus Bank, in Athens. Photo by Alexandros Michailidis. Copyright Demotix

Atena, Gresy. 27 Jiona 2015 — Filaharana amin'ny milina fisintonam-bola eo ivelan'ny Banky Piraeus ao Atena. Sary avy amin'i Alexandros Michailidis. Copyright Demotix

Ity lahatsoratra sy tatitra amin'ny onjam-peo avy amin'i Christopher Woolf hoan'ny The World ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 8 Jolay 2015, ary navoaka indray eto noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Miaritra ny fiantraikan'ny krizin-trosa Grika i Andonis Vezyroglou, mpamboly salady.

“Efa nanampo ny fihenan'ny varotra izahay,” hoy izy. “Saingy tsy manan-kevitra amin'ny mety ho dikan'izany.”

Hatreto, nilatsaka teo anelanelan'ny 20 sy 25 isan-jato ny vola matin'izy ireo tamin'ny herinandro, ary tsy manan-kevitra hoe hatraiza ny ho faran'izany. “Tsy azonao antoka fa any amin'ny fanambanin'ny ranomasina ianao raha tsy manomboka miakatra.”

Mitantana toeram-pambolena salady ao Alexandria, tanàna kely ivelan'i Thessaloniki, ao avaratr'i Gresy i Vezyroglou sy ny rainy. Mamatsy fivarotana lehibe sy tsena kely mpaninjara entana manerana ny firenena izy ireo.

Maro amin'ireo mpamatsiny no tsy manaiky afa-tsy vola eo no eo. Ohatra, tsy maintsy miandry ela i Vezyroglou hahazoany harona plastika ilainy hatao famonosam-bokatra. Potehina na omena fotsiny ireo vokatra mihoatra. Efa tsy manaraka ny drafitra famokaran'ny ambin'ny taona sahady izy.

“Manana mpamatsy iray avy any Holandy izy,”, hoy ilay mpanao gazety, Lilah Raptopoulos nihaona tamin'i Vezyroglous, “mangataka mba handoavana vola eo no eo ity satria tsy matoky ny banky Grika izy ireo. Mety tsy hanana ny vola izy satria hazo vola eo no eo izy satria ny mpandraharaha, tahaka ny olona rehetra ihany, dia tsy afa-maka vola betsaka any amin'ny banky. Ka tsy maintsy miandry mpanjifa iray handoa vola aminy izy mba handoavany indray ny volan'ity orinasa mpamatsy ity izay tena tsy matoky mihitsy ireo banky Grika ireo fa mandefa lehilahy iray any Gresy izy ireo mba haka ny vola ary mitondra izany miverina ao Holandy. “

Vokatr'izany, miady mafy i Vezyroglous hanao izay handoavana ny volan'ny mpamatsy entambarotra azy ireo – sy ny fomba handoavan'ny mpanjifa azy ireo. Nilaza i Raptopoulos fa matahotra izy ihany koa ireo satria “hisy fahatapahana ny kaontin'izy ireo any amin'ny banky.”

“Ny zavatra tsara momba ny raharaham-barotr'izy ireo dia, ny sakafo,” hoy i Raptopoulos. “Mila sakafo hatrany ny olona. Misy ireo mpandraharaha sasany very hatramin'ny 80 isanjato amin'ny vola matin'izy ireo.

“Ny olana amin'ny sakafon'izy ireo anefa,” hoy izy “dia rehefa sahirana ny olona, dia mividy sakafo tsy mety simba; tsy mividy salady sy voatabia sy zavatra tahaka izany. “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.