Nitarika Hatezerana ny Fandravàn'i Ghanà Ilay Tanàna Mahantra Lehibe Indrindra Ao Aminy: ‘Sodoma sy Gomora’

Residents watching bulldozers demolishing their homes and businesses. Photo by Hassi Baniaz. Used with permission.

Ireo mponina mijery ireo bildozera mitrongy ny tranony sy ny asa fivelomany. Sary an'i Hassi Baniaz. Nampiasaina teo ambany fahazoan-dàlana.

Nopotehan'ny “Acra Metropolitan Assembly” (AMA) sy ny Fikambanana Misahana ny Loza Mihatra amin'ny Firenena (NADMO) ilay tanàna mahantra ao Ghanà, Old Fadama, izay fantatry ny besinimaro amin'ny anarana hoe Sodoma sy Gomora. Nampiantrano mponina maherin'ny 60.000 ilay tanàna mahantra, izay saika avy any amin'ny faritra avaratr'i Ghanà ny ankamaroany.

Vokatry ny tondradrano nitranga ny 3 Jona 2015, izay namoizana ain'olona maherin'ny 150, ity famotehana ilay tanàna ity. Io tondradrano io no loza goavana indrindra ho an'i Ghanà hatr'ilay nahafatesan’olona 120 nandritra ny fifanosehana nandritra ny lalao baolina kitra tao an-toerana.

Nampitandrina ny amin'ny mbola hisian'ny fandravàna i Alfred Okoe Vanderpuije, lehiben'ny “Accra Metropolitican”.

Maro ireo Ganeana no niampanga ny fanjakana tamin'ny tsy fahalavorarian'izy ireo tamin'ny fitanàna ny toky nomeny hanampy ireo mponina, izay potika ny asa fivelomany sy ny tranony. Nanohitra ilay fandravàna sady nianiana ny tsy hifidy ny filoha amperin'asa intsony mandritra ireo fifidianana ho avy ireo mponina tezitra monina ao “Sodoma sy Gomora”, anisan'izany ireo tanora, ireo vehivavy ary ireo ankizy.

Nitoraka bitsika sary iray mampiseho ny tanora tezitra manohitra i Nana Akua (@nanaakuab), mpanao gazety sady mpitoraka bilaogy :

ny toe-draharaha ao Sodoma sy Gomora #demo @ Accra, lalamben'i Atta Mills pic.twitter.com/BGhKOFhgMb

Ao amin'ny facebook, tsy nankasitraka ny fomba nanaovan'ny governemanta ilay fandravàna ny tanàna mahantra i Kobby Blay, mpitsabo marary sady mpamorona ny Ghana Health Nest, saingy tsy nanaiky kosa ny fomba nanoheran'ireo mponina:

manan-jo feno hanao fihetsiketsehana izy ireo saingy tsy sahala amin'izao ataony izao; mandoro kodiarana, manakan-dàlana, sy ireo fanimban-javatra sasany, trangan-javatra mandika lalàna…. Angaha tsy tokony hahazo taratasy fahazoan-dàlana ny vondrona iray vao afaka manao izany??

Nilaza ny Brigadier Jeneraly Francis Vib Sanziri, mpandrindra nasionalin'ny NADMO anatin'ny fotoana tsy maharitra, fa asa fanadiovana no tena anton'ny fandravàna ilay tanàna mahantra:

Izany dia ho fanamoràna ny tetikasa fanadiovana ny faritra manontolo sady dingana voalohany amin'ny fisorohana ny fikorianan'ny rano eran'ny tanàna. Izany koa dia mba hampandehanana ny rano hivarina any an-dranomasina. Io faritra io no tena fivoahany, noho izany dia mieritreritra aho fa fahendrena kokoa ny fahafahantsika manadio izany.

Nilaza ny filohan'i Ghanà, John Dramani Mahama, fa ny fanalàna ireo trano mivangongona ireo dia ny mba hamelàna ny fikorianan'ny rano amin-kalalahana anatin'ireo zohindriakan'ny faritra. Nilaza ihany koa izy fa hanao ireo fikarakarana amin'ny famindrana toerana ny mponina ireo tompon'andraikitra mialoha ny fanombohana ny fandravàna.

Kanefa, betsaka ireo Ganeana no nitsikera ny fanapahankevitra handravàna io tanàna mahantra io, izay maimaika sady tsy tsara omana, satria tokoa maro ireo asa fivelomana potika ary maro ireo tanora zary tsy an'asa. Nitsikera tao amin'ny Facebook i Joojo Cobbinah, mpamoaka vaovao ao amin'ny Joy News, ka nametram-panontaniana mikasika ny fanomanan'ny fanjakana mialoha ilay fandravàna:

Eny eh, manan-jo tanteraka izy ireo hanao fihetsiketsehana. Raha hanao sonia fifanarahana ny governemantan'i Ghanà, izay milaza fa tsy tokony ho very fonenana ny vahoaka aorian'ireo fandravàna sy fanaisorana amin'ny toeram-ponenana. Fa tokony hafindra toerana ireo vahoaka ireo rehefa nanao toerana iray ho fonenany, nahoana moa izy ireo no tsy hanao fihetsiketsehana? Ny fanjakana ihany koa dia mamerimberina tsy fanarahan-dalàna goavana. Manitsakitsaka ny zon'ireo mponina ao amin'io faritra mahantra io. Raha te-hanao izay tiany hatao ny fanjakana dia tsy tokony namitaka ny vahoaka amin'ny fanaovana sonia lalàna tsy ho vitany harahana. Firy tamintsika no nandeha fiara tany Accra Afovoany tamin'ny 11ora  alina. Hampitomany anao ny endriky ny tsy fananana trano fonenana. Ny sasany hiverina any amin'ny tanàna niaviany fa ny ankamaroany kosa hijanona. Angaha tamin'ny 2011 tsy nitarika komity mpametraka ireny olona ireny i Mahama, izay Lefitry ny Filoha nandritra ny fanjakan'i Mills tamin'ny izany fotoana, ary lasa Filoha ankehitriny?

Nizara ny eritreriny tao amin'ny Twitter ireo Ganeana raha nalaza be tao amin'ny Twitter i “Sodoma sy Gomora” nandritra ny andro maro.

Nanamarika i Zeta Sesh (@zetasesh) fa:

Rehefa tsy voatsinjara ny fampandrosoana ka ny renivohitra no hitobian'ny zavatra rehetra dia tsy azo ihodivirana mihitsy i sodoma sy gomora. Tsy mahomby i Ghanà

Anthony Momoh (@ant_moh), a social and political egalitarian, asked a critical question:  ………

Nametraka fanontaniana mavesatra i Anthony Momoh (@ant_moh), izay mivohy ny fitoviana ara-tsosialy sy ara-politika:

Nahoana ireo Afrikana mahantra foana no miharitra ireo politika tsy manjary ataon'ny fanjakana #fandravàna an'i sodoma sy gomora faritra mahantra ao Ghanà#

Nampahatsiahy ny filàn'ireo mponina hitazonana ireo filohany ho tompon'andraikitra ilay Ganeana mpanao hatsikana, David Oscar (@davidoscargh):

Azoko tsara ny savorovoro atrehan'ireo mponina ao sodoma sy Gomora, saingy aoka hietsika toy ny olona mandray adidy amin'ny fitanana ireo mpitarika antsika ho tompon'andraikitra.

Nanoro-hevitra kidaladala ny filoha i Mutonbo (@mutonbodapoet), iray amin'ireo poeta tsara indrindra ao Ghanà:

John Mahama, nahita lahatsary iray misy tanora maromaro, tezitra, avy ao Sodoma sy Gomora, mampitandrina anao tsy handia tongotra any Tamale. Miangavy anao hampiasa Skype amin'ny fampielezan-kevitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.