Rosiana Mpampihatra Lalàna Miantso ny Hanaovana Selfies Lavitry ny Loza

The Russian government wants your selfies to be safe! Images mixed by Tetyana Lokot

Tian'ny governemanta rosiana tsy ho tratran'ny na inona na inona ianao rehefa mandray selfies! Sary natambatr'i Tetyana Lokot

Mety mieritreritra ny mpamakinay hoe fialam-boly mahafinaritra azy fotsiny ny selfies, na farafahakeliny mankaleo ihany fa tsy mandratra loatra amin'ny ankapobeny (afa-tsy hoe manakaiky ny tavantsika loatra ny fanetsiketsehan'ilay olona ny tehiny [na findainy]!). Saingy manahy loatra amin'ny loza mety ateraky ny fanaovan'ny olom-pirenena Rosiana selfies ny governemanta rosiana ka mahatonga azy ireo miaraka manao antso amin'ny alalan'ny valan-dresaka an-dahatsary eo amin'ny sehatra federaly mba hanao fanaitairana momba azy ity.

Efa nitati-baovao tamin'ireo tranga maro nidiran-doza nandritra ny fanaovana selfie tamin'ny finday raitra ny fampitam-baovao rosiana, ary ny vao haingana indrindra izao dia ny nahazo ny vehivavy iray nianjera ka maty tamin'ny 4 jolay raha handray ny sarin'ny tenany miaraka amin'ny namany teo ambony tetezana iray fandehanan'ny fiara mafy tao Moskoa. Io tranga io sy tranga maro hafa izay niafara tamin'ny fahafatesan'olona no nahatonga ny minisitry ny atitany rosiana hiteny sy hanao fanairana momba ity fanao ity. Nanao valandresaka an-dahatsary hanairana ny Rosiana amin'ity olana ity sy hifanakalo hevitra amin'izay vahaolana azo heverina ny Rosiana, nandrafitra ny hanao valandresaka an-dahatsary miaraka amin'ireo birao rezionaly mitondra ny lohateny hoe “Selfie Lavitry ny Loza” ny Minisitera amin'ny 7 jolay 2015 [androany], araka ny nolazain'ny solontenan'ny minisitera tamin'ny fampahalalam-baovao TASS.

В МВД России обеспокоены участившимися случаями, когда человек травмируется или гибнет при попытке сделать уникальное селфи, ведь каждый из них можно было предотвратить. Селфи могут запомниться и удивить и без риска для жизни.

Manahy amin'ny fitomboan'isan'ny olona maratra na maty amin'ny fitadiavana hanao selfie tsy manampaharoa ny Minisiteran'ny Atitaty Rosiana—ary azo nosorohana tsara ireo tranga ireo. Azo atao fahatsiarovana sy manaitra tsy mitera-doza ny ainao ny fanaovana selfies.

Lasa arahin'ny fampitam-baovao rosiana maso ny fanaovana selfie amin'ny fisian'ireo tranga maro niteraka faharatrana mafy mety ho tonga hatramin'ny fahafatesana mihitsy aza noho ny fianihana trano avo, fikitihana tariby mitondra herinaratra, na zavatra hafa mety hitera-doza. Misy koa ny tantara sasantsasany, na izany aza, niteraka zavatra maivamaivana kokoa, toy izay nitranga tao amin'ny faritra Kemerovo tamin'ny volana jona raha namaky ny tsangambaton'i Lenina ny olona mamo iray raha niezaka naka selfie niaraka tamin'io.

Tamin'ny ezaka vao haingana hanabeazana ny kilonga amin'ny fanaovana selfie lavitry ny loza ny sekoly tao Saint Petersburg no nampiditra lesona iray momba ny fiarovana amin'ny fanao rehefa maka sary amin'ny finday nandritra ny Andron'ny Fampahalalambaovao Tafaray fanao isan-taona, izay notontosaina tamin'ny Oktobra 2015 vantany vao nanomboka kely ny taom-pianarana. Noho ny fanaovana matetika ny selfies hamoahana azy amin'ny tambajotra sosialy, dia nieritreritra ny mpikarakara fa manana anjara toerana lehibe amin'ny fanazarana fiarovan-tena amin'ny fiseraserana Internety izany.

Na dia efa nampitandrina amin'ny loza mety ateraky ny selfies ankinangananga aza ny Minisiteran'ny Atitany Rosiana, dia nandrisika ireo mpampihatra ny lalàna [na antsointsika ihany koa hoe mpitandro ny filaminana] manerana an'i Rosia ry zareo tamin'ny Novambra 2014 handefa selfies miaraka amin'ny reniny ho fomba iray hankalazana ny Fetin'ny Reny ary “hanatsarana ny fitokisan'ny vahoaka” amin'ny fampiharana ny lalàna. Ireo Rakitsary natsangan'ny Minisitera tao amin'ny tambajotra sosialy Odnoklassniki sy tao amin'ny tranonkala ofisialin'ny Minisitera no nampiseho sary anjatony mifandraika amin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.