Fihetsika Nahagaga Nataon'i Nizeria Tany Amin'ny Fiadiana izay Ho Tompondaka Erantany FIFA Vehivavy 2015

super falcons


Ny fahatongavan'ny Voromaherin'i Nizeria [Super Falcons] hiatrika ny Fiadiana ny ho Tompondaka Erantany FIFA tao Kanadà. Sary avy amin'i  Izuchukwu Nwoba, miaraka amin'ny fanomezany alàlana]

Nandiso ny vinavina rehetra ny ekipam-pirenena vehivavy Nizeriana tamn'ny Alatsinainy 06 Jona rehefa nanao ady sahala 3-3 tamin'ny Soeda nandritry ny Fiadiana ny Amboara Erantany Ho An'ny Vehivavy FIFA 2015 tany Kanadà

Aderonke Ogunleye avy ao amin'ny Premium Times nitatitra fa:

Nanao ady sahala tamin'i Soeda tao amin'ny Vondrona D  nandritra ny lalao fanokafana ny Fiadiana Amboara  an'ny Vehivavy natao tany Kanadà i Nizeria. […] Tamin'ny fizarana faharoa, nampihena ny elanelana i Ngozi Okobi raha namono ny baolina voalohany ho an'i Nizeria tany Kanadà talohan'ny nametrahan'i Oshoala an'i Nizeria ho amin'ny dingana manaraka tamin'ny alalan'ny ezaka tsara nataony samy irery, taorian'ny tolotra lavabe avy any amin'i Onome Ebi.

Ny Voromahery, izay impito no efa tompon-dakan'i Afrika, no hany ekipa Afrikana afaka nilalao tany amin'ny FIFA Fiadiana ny Amboara Erantany ho an'ny vehivavy hatramin'ny taona 1991.

EfaFantatraoVe? #Nizeria irery no ekipa Afrikana afaka nilalao tamin'ireo fifaninanana    #TompondakaErantany Vehivavy #FIFA rehetra nanomboka ny taona 1991

Nialohan'ny fifaninanana tany Kanadà, noheverina ho toy ny maivana ny Voromahery vokatry ny tsy fahombiazany foana teo amin'ny lalao baolina kitra erantany, na dia tompondaka Afrikana aza. Na izany aza anefa, feno fanantenana i Samuel Ahmadu:

Nihevitra anay ho toy ny any ivelan'ny sehatra erantany nandritra ny roapolo taona farany, nivoaka ho tompondakan'i Afrika indray i Nizeria tamin'ny taona lasa, namoha indray ny fifehezany ny kaontinanta. Io zava-bita io no mety handrehitra an-dry zareo ho tonga isan'ireo efatra farany taorian'ny niheverana azy ho tsisy ezaka maharitra tao anatin'ny taona vitsivitsy. […]

Nahazo teny hafahafa noho ny tsy tantaran'ny tsy fahombiazany mampifandray matetika ny maha andiany voatsonga azy ireo ho toy ny firenena sangany indrindra aty Afrika raha samy vehivavy mpilalao baaolina ihany eto amin'izao tontolo izao hatramin'ny niandohan'ny fifaninanana. Tantara izay antenain-dry zareo fa ho voasoratra indray amin'ity andiany ity. Ny fipoiran'i Oshoala, tanora, matanjaka, irakiraka mitsoriadriaka, na dia vao 20 taona monja aza, dia mety  vaomainka hanamafy ny hazakazak'izy ireo amin'io fotoana io.

Naharavoravo ny nahafahan'ny Voromahery nitazona ny Soedoà mpifanandrina taminy ho ady sahala, fa na izany aza nahagaga. “Vahiny tsy nampoizina” ny Voromahery, hoy i Tony Manfred:

Nizeria no laharana farany indrindra tamin'ny vondrona D, tany amin'ny laharana faha-33 manerantany. Ny telo hafa mpifanandrina aminy tao amin'ny Vondron'ny Fahafatesana – ny U.S. (faha-2), Soeda (faha-5), ary Aostralia (faha-10) – dia teo anatn'ireo 10 voalohany avokoa. Manoloana ny asa be tsy maintsy hadavoana ny sasany amin'ireo ekipa goavana sy malaza erantany amin'ny lalao baolina kitra eo ambony fasika , sarotra ny hieretreritra filozofia tsara afa-tsy ny hoe, “tsy mila mahafantatra izay anaranao aho”

Nefa tsara i Nizeria. Tsy hoe vahiny tsy nampoizina maharesy lahatra izy ireo satria miezaka mafy sady manao izay fara-heriny, fa vahiny tsy nampoizina maharesy lahatra satria mieritreritra fa azo lazaina ho tsara afaka hampiondrika ireo ekipa tsara indrindra erantany, ary tena mety ho vitan'izy ireo marina izany.

Mazava ho azy, miresaka mikasika ilay lalao ireo Nizeriana mpampiasa aterineto.

Nilaza i Nkem Ifejika, mpampiasa Twitter, hoe:

Midira ry rahavaviko! Nizeria no ekipa Vehivavy Mpiady ny Amboara Erantany tsy laitra indrindra http://t.co/VES3Ic6BzT via @BI_Sports

Noderaina izy ireo:

Kiakiaka ho an'ny ekipa baolina kitra vehivavy #Nigeria noho izany GOAVANA  niarahany tamin'i #Soeda izany #BaolinaKitraVehivavy #TompondakaErantany ao #Kanadà io izao dia izao! #GoNaija #Africa

Nanoratra i Will Coker hoe:

Tsy firenena mahavita ny tenany i Nizeria, saingy aza matahotra, manana ekipa iray ao amin'ny Fiadiana ny Amboara Erantany Vehivavy ry zareo.

Nidera ny Voromahery i Kolo Kenneth, na dia tsy nanampy aza ny NEPA (anarana fahiny niantsoana ny tompon'andraikitry ny herinaratra ho an'ny daholobe)

Loza. Tsy nanohana ny tòloko ny NEPA. Araka izany, tafakatra ambony indrindra tokoa ve ny Voromahery MATANJAKA halina? Ho lasa lavitra ireo zazavavy ireo mehn!

Fiderana maro hafa:

FT: #SWE 3-3 #NGA Vokatra nampientam-po nataon'ny #SuperFalcons. In-telo tany aoriana, in-telo notratrariny #MaitsoFotsyAryMirehareha

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.