Steven Salaita: Nahazo Asa Ao Amin'ny Anjerimanontolo Amerikana Ao Beirut, Miresaka Ireo Politikan'ny Mainty Hoditra Sy Ny Firaisankina Amin'i Palestina

Solidarity Poster done by the "Anti War Committee Chicago"

Peta-drindrina miresaka Firaisankina nataon'ny “Anti War Committee – Chicago”

Nilaza tamin'ny Twitter i Steven Salaita fa izy no ho Edward W. Said Filohan'ny Fianarana Amerikana ao amin'ny Anjerimanontolon'i Beirut (AUB) mandritra ny taom-pianarana 2015-16.

Mahafaly ahy ny milaza fa hanompo toa an'i Edward W. Said Filohan'ny Fampianarana Amerikana ao amin'ny #AUB aho mandritra ny taom-pianarana 2015-16.

Nitodihan'ny mason'ny rehetra ny asan'i Salaita raha vao nomena azy ny toerana ho mpiandraikitra tao amin'ny Fianarana momba ny Indiana ao amin'ny Anjerimanontolon'i Illinois ao Urbana/Champaign (UIUC). Saingy taorian'ny fandefasana ireo bitsika fitsikerana ireo fanafihana farany nataon'i Isiraely tao Gazà nandritra ny lohataona 2014, notsoahan’ny tao amin'ny Anjerimanontolo ilay tolotra ny volana Aogositra 2014. Na teo aza ny tsikera, anisan'izany ny fanamelohana avy amin'ny fandaharanasan'ny Anjerimanotolo Fianarana momba ny Indiana sy ny Kaomity Mpanatanteraka ny Fandaharanasa Momba ny Kolontsaina sy Fiarahamonina Jiosy ao aminy, nandà ny hanome fanamarinana mazava momba ny fitsipahana ny andraikitr'i Salaita ny chancelier-n'ny UIUC,  Phyllis Wise.

Ho setrin'izany, manam-pahaizana maro no nanao antso mba hanaovana ankivy ny UIUC ary maro ireo mpampianatra fanta-daza no nanafoana ny fandaharam-potoam-pampianarany tao amin'ny Anjerimanontolo, ka anisan'izany i Taner Akcam, manam-pahaizana ambony momba ny Fandrimpahana foko Armeniana, Todd Samuel Presner, talen'ny fianarana Jiosy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Kalifornia, Los Angeles (UCLA) ary sady manampahaizana iray momba ny Holocaust. Nony farany niaiky fandroahana miendrika fisorohana mialoha ihany ny IUC ary nampidirina anaty lisitry ny sivan'ny Fikambanan'ireo Amerikana Mpampianatra amin'ny Anjerimanontolo (AAUP). Voatahiry tsara mihitsy sady mitohy voatatitra ao amin'ny Electronic Intifada, ary mbola mitohy ho toy izany mandraka androany, ny tantara manontolo.

Tamin'ny fampianarana iray nataony tao amin'ny Anjerimanontolon'i Chicago, ny 7 Oktobra 2014, niarahana tamin'i Ali Abunimah avy amin'ny Electronic Intifada, nanomboka ny lahateniny i Salaita tamin'ny fampahafantarana hoe izay nihatra taminy dia “nihatra tamin'ireo vitsy an'isa ara-poko, ara-nofo sy ara-kolontsaina tao amin'ny Akademia nandritra ny ampolotaona maro, indrindra indrindra ireo metisy Afrikana-Amerikana, sady mbola mitohy miseho ankehitriny. “Avy eo tongany hatramin'ny fanapotsirana fa ” ny esoeso mampihomehy mahamenatra dia efa ela ireo Jiosy no natao anjorom-bala tao amin'ilay Akademia noho ny fiahiahiana azy ho loza ho an'ny “fomba fiaina Anglisy”, niharan'ny fitsinjarazarana (fameperana ny zavatra azo sy omena) tamin'ny fanilihana azy ireo, izay mampalahelo fa tena tsy misy maha-samihafa azy amin'ny ataon'ny sasany amin'ireo mpanohana ny Palestiana mpiaro zon'olombelona. Ny fanafoanana ny “resaka mainty” sy ny “maha-indizena” no nialoha ny fanilihana ny Palestiniana sy mametraka azy ho anatin'ny vanim-potoana ary manohana azy io.

Tamin'ny resaka fohy tamin'ny Global Voices Online, nanazava ny maha-mitombina ny Politika momba ny Mainty syt ny Politika Firaisankina Amin'i Palestina i Salaita.

 

Mifamatotra amin'ny Politika momba ny Mainty foana ny Politikan'ny firaisankina amin'i Palestina, indrindra fa ireo politika nasionalistan'ny Mainty, sy ireo foko hafa ary ireo fomba raiki-tampisaka nentim-paharazana, araka izany dia tsy  famoronana zava-baovao akory io fa fanavotana ireo fombam-drazana matanjaka sy mahomby. Voalohany amin'izany, manana andraikitra amin'ireo izay ratsy fikarakaràna ao anatin'ny fiarahamonintsika isika. Faharoa, mibahan-toerana be ireo fifandraisana eo amin'ny herisetra ifanaovan'i Israely sy US, betsaka tsy ho voatanisa. Ary farany, manome fahafahana mametraka fandaminana marobe ireny tantara ireny. Matanjaka lavitra isika raha miara-miasa, afaka mihaino sy mitsikera tena.

Rehefa ny hitana ny toerana nandraisana azy tany aloha ny “mijanona ho tanjona”, nilaza i Salaita fa miandrandra ny hampianatra any amin'ny AUB izy :

Miomana ny hanolotra lesona any amin'ireo Fampianarana momba ny Indiana Amerikana sy ny Indizena aho. Tsy noeritreretiko hoe ho hita betsaka ao amin'ny toeram-ponenan'ny mpianatra ireny faritra ireny, izany no mahatonga ny maro aminay ho taitaitra hanomboka azy. Manana fahatsapàna izany aho hoe toa lesona no betsaka ho azoko amin'ny farany miohatra amin'izay ho ampianarina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.