Tonga Ny Media Sosialy Hanavotra Satria Poretin'ny Hafanàna Tsy Mbola Nisy Toa Azy i Karachi

Ward 5 of Karachi's Jinnah Hospital's has been reserved for heatstroke patients. Image from Junaid Akram's Facebook page.

Ny Efitrano faha-5 ao amin'ny hopitaly Jinnah ao Karachi, natokana ho an'ireo marary tsy nahatanty hafanàna. Sary avy amin'ny pejy Facebook Junaid Akram.

Maherin'ny 1.250 ny olona maty taorian'ny onjan-kafanàna tsy mbola nisy toa azy namely an'i Karachi, ilay tanàna faharoa erantany be mponina indrindra. Raha nahatratra 114F (45°C) ny hafanàna tamin'ny andro faharoan'ny Ramadàny, ny volana silamo ho fifadiana hanina ka maha-tsy ara-dalàna ny fihinanana sy fisotroana imasom-bahoaka ao Pakistana, dia nisy koa ny tsy fahatomombanan'ny herinaratra, nahatonga ity tanàna mahantra indrindra ho mora niharan'ny aretina nateraky ny hafanàna.

Tany amin'ireo zara fa hopitaly, tantanana sy tohanan'ny fanjakàna ara-bola ao Karachi. Koa satria ny sarin'ireny trano efa antitra be ireny nanomboka nivezivezy tety anaty media sosialy sy ny fantsom-pahitalavitra maro tao amin'ny firenena, ampolony maro ireo mpirotsaka antsitrapo no nivondrona hiaraka “hanangana” ireo efitranon'ny hopitalim-panjakana napetraka hisahana ireo niharan'ny tsy fahazakàna hafanàna.

Ireo naman'ny mpanoratra ity lahatsoratra ity, avy amin'ny Ikmaan Welfare Trust niasa tao amin'ny Hopitaly Jinnah, toerana misy ilay Efitrano faha-5 dia nanokan-tena hiahy ireo tsy nahazaka hafanàna. Ny 30 Jona, tamin'ny fitsidihana ilay Efitrano sy nandraketana an-tsoratra ny toe-draharaha iainana ao, dia nibitsika izao manaraka izao izy :

Toy izao no teotoetr'ireo seza misy kodiarana ao amin'ny efitrano fahadimy ao #jinnah Misy olona mba afaka manome seza misy kodiarana ve azafady?

Avy hatrany dia nahazo valiny ilay fangatahana seza misy kodiarana, avy amin'i Junaid Akram, Pakistane iray mpanao hatsikana. Seza misy kodiarana miisa 5 no natolony ary nentaniny hatramin'ireo rehetra mpanao hatsikana aza. Ito no nosoratan'i Junaid Akram tao amin'ny pejiny Facebook :

FANAVAOZANA: Nahitaity bitsika ity vao maraina aho androany, momba ny toetoetry ny seza misy kodiarana ao amin'ny efitrano faha-5 ao amin'ny hopitaly Jinnah. Natao handraisana ireo marary tsy nahatanty hafanàna ny efitrano faha-5. Nampanatitra maika seza miisa 5 aho araka ny hita eto amin'ny say etsy ambany – natolotra an-tànana ny Dr. Dil Nawaz. Fanampin'izany, eo koa ny tsy fahampian'ireo farafara fitondràna marary ka dia nanafatra tamin'ny orinasa iray any Lahore aho izay hanatitra 10 hafa ho tonga amin'ny alàlan'ny fiarandalamby hatramin'ny Sabotsy, inshallah. Ireo farafara ireo, miampy seza folo misy kodiarana dia halefa ho an'ny Korangi National Hospital  hopitaly izay nataon'ny fanjakàna any amin'ny faritra indostrialy tsy misy mpiahy, ho an'ireo mponina any.

Raha hizaha vaovao misimisy kokoa momba ny onjan-kafanàna ao Pakistana sy ny ezaka vonjitaitra mifanaraka amin'izany, araho ny .

Five wheelchairs being delivered to Jinnah Hospital in Karachi. Photo from Junaid Akram's Facebook page.

Seza dimy misy kodiarana natolotra ny Hopitaly Jinnah ao Karachi. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Junaid Akram.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.