Ny Olona Tena Mahery Fo Vao Haingana Indrindra Any India : Tsy Hafa Fa i Mary Kom, Ilay Tompon-Daka Amin’ny Ady Totohondry

Indian women boxer Mary Kom during the World Series Boxing competition in Mumbai, India on March 2, 2012. Photo from Flickr user WorldSeriesBoxing. CC BY-ND 2.0

Ilay vehivavy mpanao ady totohondry Indiana Mary Kom nandritry ny fifaninanana ady totohondry maneran-tany natao tany Mumbai, India ny 2 Martsa 2012. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr  WorldSeriesBoxing. CC BY-ND 2.0

Ity lahatsoratra ity sy ny tatitry ny fampihelezam-peo avy amin’ny mpamokatra David Leveille ho an'ny Le Monde tany am-piandohana dia niseho tao amin’ny PRI.org ny 12 Jona 2015, ary averina avoaka eto ho toy ny ampahany amin'ny fifanarahana fizarana votoaty.

Haseho amin’ny taona 2016 ilay tantara mitohy vaovao amin’ny fahitalavitra “Mary Kom Jr.”. Ao amin’ny tanàna ambanivohitra any amin’ny fanjakan’i Manipur, faritra avaratra atsinanan’i India no hisehoan’ny tantaraa, araky ny filazan’ny mpamokatra azy. Hanana hery nosintonina avy amin’ny an'i Mary Kom tena izy, mpanao ady totohondry Olaimpika ilay olona tena mahery fo. Ny dika amin’ny sarimiaina dia mamely totohondry ireo olon-dratsy sy mampiasa ny hetsika fiarovan-tena kinga ary angamba ny fonon-tànany mena sy majika amin’ny ady totohondry mba hamongorana ny heloka momba ny firaisana ara-nofo.

“Olona misongadina any India i Mary Kom”, hoy i Adrija Bose, mpamoaka lahatsoratra amin’ny media sosialy ao amin'ny Huffington Post, New Delhi. “Izy no nahazo ny medaly alimo tamin’ny Lalao Olaimpika 2012. Izy ihany koa no vehivavy mpanao ady totohondry eto amin'izao tontolo izao nahazo medaly tamin'ny Fifaninanana Eran-tany niisa enina, ary fianakaviana sahirana no niaviany… tantsaha ny ray aman-dreniny.”

Mila miady mafy i Mary Kom tato anatin’ny andro vitsy mandritry ny fanazarantenany ho an’ny Lalao Olaimpika any Brezily. Telo ny zanany, ary nanao fanentanana izy hiadiana amin’ny zava –mahadomelina tafahoatra ao amin’ny tànana nahaterahany, sy handraràna ny fampiasana ny elefanta indiana amin’ ny sirika (cirque). Fa ny fiolahana farany tamin’ny asany dia ny fanomezan-dàlana vaovao ho an’ny orinasa famokarana amin’ny fahitalavitra Screen Yug Creations ho an’ireo sarimiaina. “Tiako hanana fahatokisana sy hatanjaka ny ankizy vavy”, hoy i Mary Kom tamin’ny resadresaka nataony. “Mampianatra anao ny fomba ahazoana hery sady ara-tsaina no ara-batana ny fanaovana ady totohondry.”

Ireo tantara mitohy dia tonga ao anatin’ny fotoana fanoheran'ny vehivavy any India, raha mbola tsaroana kosa ny fanolanana faobe tao Dehli. Niteraka alahelo sy fahasorenana mifampitohy ilay heloka bevava. Nahatsapa ny sasantsasany tamin’ireo Indiana mpanao politika fa tokony hiatrika ireo olana maro izay atrehan’ny vehivavy ry zareo, ary misy koa antso nohavaozina hisian’ny sazy henjana kokoa ho an’ny fanaovana herisetra amin’ny vehivavy. Any ambanivohitr'i India, miatrika zava-tsarotra hafa ny zatovo vavy, heverina toy ny vesatra ho an’ny fianakaviana izy ireo ary tsy dia mahazo sehatra amin’ny fanabeazana.

Noho izany aiza no idiran’i Mary Kom, olona tena mahery fo amin’izao tantara izao? Nilaza i Bose fa sady tena izy no mpitolona foronin'ny saina ka azon’ny vehivavy sy ny tovovavy hatao modely i Mary Kom.

“Lasa olona tena mahery fo ho an’ny firenena izy ankehitriny” hoy i Bose. “Mpitolona izy. Rehefa any izy, dia fantatrao fa misy fanantenana kely. Any misy olona miady, noho izany fantatrareo fa afaka miady koa ianareo. Ny vehivavy mety hahatsapa hoe tsy afaka manao ady totohondry isika, nefa raha mahita an’i Mary Kom ianareo, fantatrareo fa tsy maintsy miady ianareo, araka izany dia  aingam-panahy izy.”

Toy ny anipihan’i Bose azy, manana ny anjarany amin'ny olona manana toetra miavaka ho famonjena izao tontolo izao i India. Ohatra, misy an’i Priya, tovovavy niseho tamin’ny andian-tantara anaty boky mampihomehy Shakti izay noforonina tamin’ny 2012, taorian’ny fanolanana faobe mahatsiravina nitranga tao Delhi. Mampisongadina ny fiovana nataon’I Priya, sisa velona tamin’ny fanolanana faobe, ilay andian-tantara sarimiaina, noho izy mitolona amin’ny heloka bevava momba ny firaisana ara-nofo any India, eo ambany fitahian’ny andriamani-bavy hindò Parvati.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.