Miaro ny Mari-Panondroana an-dry Zareo amin'ny Alalan'ny Lahatsary ny Vahoaka Sarayaku ao Ekoatera

Sarayaku. Foto:  gracias a El Churo

Sary avy amin'ny iray amin'ny atrikasan-tsarimihetsika notontosaina tao amin'ny vondrom-piarahamonina Sarayaku. Fahalalahan-tanana avy amin'ny fantsona YouTube-n'i El Churo

Ny vondrom-piarahamonin'i Sarayaku aoamin'ny faritanin'i Pastaza, miorina ao amin'ny faritr'i Amazonia ao amin'ny faritra atsinanan'i Ekoatera, dia toerana iray manankarena tontolo manana aina onenan'ny mponina teratany Kichwa miady mandrakariva amin'ireo orinasa iraisampirenena te-hitrandraka ny solika hita ao amin'ny taniny.

Tamin'ny 2003, ny fikambanan'ny mponina Kichwa ao Sarayaku, izay nahazo ny fanohanan'ny fikambanana maro avy ao amin'ny firenena sy iraisampirenena, no nametraka fitoriana miaraka amin'ny Vaomiera Amerikana Misahana ny Zon'olombelona (amin'ny fanafohezana anarana amin'ny teny espaniola hoe CIDH) mifototra amin'ny fanitsakitsahana ataon'ny governemanta Ekoateriana amin'ny zon'ny vahoaka hanana tany, fahalalahana hifindrafindra, fivavahana, fahasalamana ary kolontsaina.

Nobaikoin'ny vaomiera ny governemanta hanao fanadihadiana amin'ny fihetsika mahery setra nisy ary haka ny fepetram-piarovana ilaina. Nametraka ihany koa ny vaomiera fa tsy maintsy maka hevitra amin'ny vahoakan'i Sarayaku ny governemanta mialoha ny hanaovana fitrandrahana ny harena voajanahary ao amin'ny taniny.

Efa nanoratra ihany ny tolony sy ny fomba fanaon'ny vondrom-piarahamonina hampahalalàna ny zavamisy iainany izahay ato amin'ny Global Voices, sy amin'ny alalan'ny blaogin-dry zareo. Ny ekipan-tserasera, niasa niaraka tamin'ny Vondrona El Churo, notohanan'ny Rising Voices amin'ny alalan'ny fandraisana an-tanana Amazonian'ny Rising Voices, no vao nikarakara andian'atrikasa nanofana ny tanora amin'ny fampiasana ny lahatsary nomerika ahafahan-dry zareo milaza ny tantaran-dry zareo sy mandranitra ny fanondroana ara-kolontsain-dry zareo.

Nivoaka tao amin'ny fantsona YouTube-n'i El Churo ireo lahatsary.

Iray amin'ireo lahatsary ireo ny “Amazonia Atsimo : Antonia, mangahazo, ny fararano ary ny fianakaviany.” Mpifoha maraimbe hiasa ao amin'ny lakany i Antonia, vehivavy Kichwa iray, izay nampahatsiahy ny fahazazany sy nizara ny tantaram-panjonoana, fihazana ary fambolena.

Nohazavainy fa isaky ny Asabotsy ihany ny olona amin'io vondrom-piarahamonina io no mamboly ary ny sasantsasany amin'ireo fianakaviana aza dia mihira aloha vao mamboly. Na izany aza dia heverina miteraka vintan-dratsy amin'ny fambolena ny Zoma. Manana anjara toerana lehibe ao amin'ny fiainany ny mangahazo satria ampiasaina amin'ny fanaovana fombafomba hiantohana ny fahabetsahan'ny vokatra izany.

Ho an'i Antonia, tsy dia zava-dehibe loatra ho azy raha trandrahana ny solika satria ny zavatra tokana tiany sy ny mponina hafa ao amin'ny vondrom-piarahamonina Sarayako, izay midika hoe “tandroky ny renirano” tandrovina dia ny fitandremana ny fombandrazany, ny lalànany ary ireo anganony izay mihavery noho ny fandrosoan'ny teknolojia. Ankoatra izany, tsy liana intsony amin'ny fianarana ireo zavadehibe amin'ny kolontsainy ireo intsony ny maro amin'ny tanora.

Ka izay no niankinandry zareo amin'ny teknolojia, mba ahafahan'ny tanora manampy amin'ny fitandroana ny vakoka ara-kolontsain-dry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.