Tondroin'i Koety ho Saodiana ilay Nanapoaka Tena tao amin'ny Moskea Shiita

Notondroin'ny sampam-baovao Koesiana (Kuna) ho Fahad Suleiman Abdulmohsen Al-Gabbaa ilay nanapoaka ny tenany tao amin'ny moskea Imam Al-Sadiq. Nambaran'ny manampahefana fa teratany Saodiana nandeha fiaramanidina nankao Koety ny marainan'ny fanafihana sy niditra teo amin'ny seranampiaramanidina iraisampirenena koesiana io lehilahy io. Nambaran'ny Minisitry ny Atitany Koesiana taty aoriana fa teraka tamin'ny 1992 ilay lehilahy.

Nilaza tena ho tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana ilay Moskea Shiita izay nahafatesana olona 27 sy naharatrana olona hafa mihoatra ny 200 ny ISIS. Nitontona taorian'ny fanafihana roa hafa tsy niaraka tamin'ny fiandohan'ny herinandro tany amin'ireo Moskea Shiita any amin'ny faritany atsinanan'i ArabiaSaodita ny fanafihana.

Ity lahatsary YouTube ity dia angon-tsary natambatambatra taorian'ny fipoahana.

Tahaka ny mpisera Twitter maro hafa dia nisioka ny sarin'i Al-Gabbbaa i Qatifeed avy ao Arabia Saodita:

Niteny ny minisitry ny atitany koesiana fa Saodiana ilay nanapoaka baomba ny moskea Shiita

Ny mpiserasera hafa nisioka ny sarin'ilay mpanao vivery ny ainy fotoana vitsivitsy mialoha ny nidirany tao amin'ny efitra lehiben'ny moskea. Nalaina avy amin'ny fakantsary fanarahamason'ny moskea ny sary. Nizara ny sasantsasany tamin'ny sary ny mpikatroka Bahrainita Ala'a Shehabi:

Sarin'ny fakantsary fanarahamaso nandritra ny fidiran'ilay mpanao vivery ny ainy tao amin'ny Moskea nahitana mpivavaka miisa 2000

Nambaran'ny governemanta koesiana ihany koa ny nisamborany olona maro miray tendro tamin'ny fanafihana fampihorohoroana. Anisan'ny voasambotra tamin'izany ilay 26 taona Abdul-Rahman Sabah Aidan, izay voalaza fa voatondro hitondra ny fiara, ka nitondra tamin'ny fiara ilay mpanao vivery ny ainy tao amin'ny moskea.

Nanambara androm-pisaonana i Koety tamin'ny Asabotsy ary nanatontosa fandevenana faobe ho fanitrihana ireo olona 27 matin'ny fipoahan'ny fampihorohoroana tao amin'ny moskean'ny distrikan'i Al-Sawabir ao Koety tamin'ny 26 jona.

Vantany vaore ny fisian'ny fanafihana dia nitsidika ny tanàna nisian'ny fipoahana ny Emiran'i Koety Sheikh Sabah Al-Sabah, ary nankao amin'ireo olona tao anatin'ny fisaonana tao amin'ny grand mosque, moskea sonita lehibe indrindra ao Koety. Nodidiany ny fanorenana indray ilay moskea nahasimbana.

Nisioka sary sy lahatsary ny mpanoratra gazetin'ny Radio Sawa, Zaid Benjamin:

Emiran'i Koety mitsidika ny grand mosque izay andevenana ireo olona ampolony maty tamin'ny fipoahana

Emiran'i Koety mitsidika ny moskea al-Sadeq nisian'ny fanafihana nanao vivery ny ainy

Mandritra izany fotoana izany dia mirohotra avy hatrany manome ra ireo naratra taorian'ny fipoahana ny olona :

Foiben'ny Bankin-drà Koesiana amin'izao fotoana izao

Ny lasibatra nofonosina ny saina koesiana eo ampiomanana ny fandevenana azy ireo:

Ankehitriny maka toerana ny fandevenana ny maritioran'ny fandarohana baomba ny moskean'i Koety omaly tao amin'ny Moske Imam Al Sadiq

Niaraka tamin'ny diabem-pandevenana sy Sonita sy ny Shiita Koesiana ary nifanila toerana nandritra ny fivavahana tao amin'ny Grand Mosque Koesiana.
Indro ny sarin'ny Emira tao amin'ny grand mosque misaona ny lasibatra:

Nanjaka tao amin'ny media sosialy ny diezy Twitter, ny farany indrindra izay dia ny diezy amin'ny teny Arabo hoe “Matanjaka i Koety” ka amin'io no hanoloran'ny olona ny teny fampaherezana sy firaisankina ary ny fizarana ny sarim-piarahamientana eo amin'ny Sonita sy ny Shiita ao amin'ny firenena.

Nizara ny lahatsarin'ny fandevenana ny mpiserasera :

Koesiana mihiaka hoe “Ry Rahalahy Sonita sy Shiita, tsy ho amidintsika ny tanindrazantsika”:

Mpisera hafa amin'ny anarana hoe “Al Majilliss” nizara ny sarin'ireo lasibatra sasany:

Nampiseho firaisankina matanjaka izay namely ny Shiita ny ao Koety. Nasongadin”ny olona ao amin'ny  Twitter fa natao ho an'ny Sonita sy ny Shiita i Koety ary tsy ho avelan-dry zareo hampizarazara ny fiarahamoniny ny ISIS.

Miray tanteraka ny Koesiana rehetra ary mitsipaka ny fampihorohoroana, ny zava-nitranga dia fikendrena ny hanimba ny firaisan'ny vahoaka Koesiana

Tsy voatery ho Shiita ianao vao hiara-hijoro amin'ireo lasibatra tao Koety, ny mahaolona anao fotsiny no ilaina

Niaraka tamin'ny Vaomieran'ny Fiarahamiasan'ny Helodrano ny fianakaviambe iraisampirenena  hanameloka ny fanafihana tao amin'ny moskea Shiita, ary nanolotra ny fampiononana hoan'ny fianakaviana manjaka sy ny vahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.