Mampalahelo, Tena Mampalahelo Ny Toerana Misy Ny Rafi-Pitsaràna Ao India

Image from Flickr by Krishnaraj Rao. Used under a CC license BY-ND 2.0

Sary avy amin'ny Flickr, an'i Krishnaraj Rao. Nampiasàna ny CC license BY-ND 2.0

Soratra etsy anaty sary:
Ambony=>Tsy manome fanazavana ho antsika momba ny tsy ahavitany mitsara ara-potoana ny rafi-pitsarana
Ambany=>Eo fotsiny hitazonana ny tombontsoan'ireo mpitsara sy ny fitadiavam-bolan'ireo kabinetran'ny mpisolovava ve ny fitsaràna? Ambinambin-javatra saro-tadiavina sisa ny rariny

Roa volana lasa teo izay dia naresaka tety anaty media sosialy sy ny vaovao tao an-toerana ary ny tokantrano maro ny rafi-pitsaràna Indiana noho ny nanomezany didy famonjàna mandritry ny dimy taona ho an'ilay kintan'ny Bollywood Salman Khan tamin'ny raharaha fandosirana andraikitra taorian'ny loza nataony ny taona 2002.

Kanefa, andro roa taorian'ny fanapahankevitry ny fitsaràna, dia naaton'ny Fitsaràna Ambony ao Bombay ny saziny ary vetivety foana izy dia navotsotra rehefa nahaloa onitra, nahatonga ny sain'ny olona hitodika hijery ilay rafi-pitsarana izay matetika no noraisina ho tsy mangaraharaha, mitanila sy mihisatra, tena mihisatra  — raha toa ianao tsy kintan'ny Bollywood.

Onitr'i Salman Khan: Maneso ny Rafi-Pitsarantsika Ve i Salman Khan? Ahoana No Hevitry Ny Tanora Indiana.
Tsara ny mahita fa tsy ny olona rehetra no jamban'ny maha-kintana an'i Salman Khan

Efa nisy hatrizay ny fahatsapana hoe tafavoaka amin'izay rehetra hadisoana vitany ny sangany ao India, raha ireo avy amin'ny saranga antonony ao India kosa mety hiatrika fanasaziana faran'izay hafa tanteraka amin'izany (raiso hoe henjana) mety hidoboka am-ponja raha izy ireo no teo amin'ny familiana taminà raharaha fandosirana andraikitra rehefa nandona olona.

Saingy ny tendro bitiky ny ranomandry ihany io didy ho an'i Salmna Khan io. Kikisan'ny olana faran'izay henjana sy maharitra ny rafi-pitsarana indiana.

Ndeha horaisintsika ny raharaha Machal Lalung, Indiana iray monina any amin'ny vohitr'i Silchang ao amin'ny fanjakàna Assam. Machal dia nandany 54 taona tany am-ponja Indiana, tsy nandalo fitsaràna na tsy mbola nisy aza vesatra anenjehana azy manokana.

Fony izy 23 taona, tsy hita tao an-tanànany i Machal ary firaketana iray tao amin'ny Fonja Guwahati no nahitàna fa voatazona amin'ny Antoko 326 amin'ny Lalàna Famaizana Indiana izy – ‘niteraka ratra goavana niniana natao taminà fitaovam-piadiana na fitaovana mitera-doza’.

Raha voaheloka amin'izany, ny sazy ambony indrindra faritan'ny lalàna amin'io antoko io dia mety hanery azy hifonja mandritry ny 10 taona. Tsy izany anefa, adino ny momba azy ary efa maherin'ny dimampolo taona no nefainy tao. Navotsotra tamin'ny Jolay 2005 i Machal ary maty roa taona taorian'izay.

Fa feno tantaran'olona izay tsy maintsy niandry ampolon-taona maro tany am-ponja ny mba hitsaràna azy ireo ny rafi-pitsaràna Indiana. Antony iray mahatonga ny fihemorana amin'ny fanaovana fitsaràna ny tsy fahampian'ny isan'ireo mpitsara — mpitsara 13 monja ho an'ny olona iray tapitrisa no ananan'i India raha oharina amin'ireo mpitsara 55 mahery isaky ny olona iray tapitrisa any Etazonia.

Ireo Indiana mpisolovava no mameno io fahabangàna io amin'ny alàlan'ny fitakiana fotoam-pitsarana mifanesisesy mba hakàna vola.

Fikambanana iray miahy tena, matianina, tsy manao politika ary tsy mikatsaka tombontsoa miorina ao Bangalore ny DAKHS , izay miasa manodidina ny tetikasa Fifehezan'ny lalàna mifantoka amin'ny raharaha iray nefa nentina taminà fitsaràna roa samihafa, sy ny fitarazohana any anatin'ny fitsaràna Indiana. Ao amin'ny bilaogin'ny DAKSH, manoratra i Kavya Murthy hoe:

Ny olan'ireo raharaha iray nefa entina taminà fitsarana roa samihafa samy mahefa hitanay — vita fandihadiana saingy tsy voahilika ny raharaha rehetra, raha tsy hojerentsika ny fotoana nahavitan'ny fanadihadiana teny amin'ny fitsaràna — dia ny raharaha iray nohalalinina fatratra, narahana tamin'ny naha-izy azy sy narahana tamin'ny fomba fijery iraisana izay mahita ny rafi-pitsarana sy ireo dingana marobe ao ambadiky ny tena fahafaha-manaony nefa tsy mahavita mitsara ara-potoana. “Fitsaràna toy ny tsy misy ny fitsaràna ihazakazahana” ary “ny fitsarana ahemotra dia fitsarana lavina”: ireo rijanteny iarahan'ny rehetra mahalàla, izay milaza amintsika fa tena faran'izay miankina/voafatotra ny kalitaon'ny fitsarana amin'ny fotoana napetraka hanaovana azy.

Manerana ireo fitsarana Indiana rehetra, tany amin'ny faran'ny taona 2013 dia nisy tranga nihoatra ny 30 tapitrisa nisokatra tao amin'ny firenena.

Araka ny kajikajin'ny Bloomberg Businessweek, “raha toa ka mandray an-tànana tsy ankitsahatra ireo raharaha mitarazoka ao aminy ireo mpitsara ao amin'ny firenena – tsy misakafo sy tsy matory – ary mahavita tranga 100 isaky ny ora iray, dia maherin'ny 35 taona no ilaina hanenjehana an'izany.”

Pavan Kulkarni manoratra ao amin'ny India Together:

Harish Narasappa, mpiara-manorina ny Daksh, dia nisintona ny saina ho amin'ny isa mahavalalalin'ireo raharaha mihantona ao, izay hitantsika navoaka tamin'ny gazety isaky ny volana vitsivitsy: “30 tapitrisa any amin'ny fitsarana ambany, 4.500.000 any amin'ny fitsaràna ambony ary eo anelanelan'ny 65.000 sy 100.000 ny raharaha mihantona ao amin'ny Fitsarana An-tampony, miankina amin'ny vanin-taona ijerenao ny angon-drakitra.”

Saingy tsy nisy fandalinana mikasika izay dikan'ireny isa ireny. Midika inona rehefa miteny isika hoe misy 30 tapitrisa ny raharaha mihantona? Hafiriana no nihantonan'ny raharaha tsirairay? Ary nahoana no fotoana ela be tahàka izany no raisina mba hanapahana hevitra momba ireny tranga ireny? Izany no fanontaniana tena mitombina napetrak'i Narasappa.

Araka ny Tatitra momba ny Antontanisan'ny Fonja tamin'ny faran'ny 2013, navoakan'ny Biraom-Pirenena Firaketana momba ny Heloka Bevava ao India,  dia nisy 267.503 no fitambaran'ny voafonja miandry fitsaràna tao amin'ny firenena.

Ny fitambaran'ireo mpiara-mifonja dia 411.992, niakatra eo amin'ny 7% raha mitaha amin'ny tatitra teo aloha. Manana ny anjarany amin'ny fiakaran'ny isan'ireo efa any am-ponja, mihoatra noho izay zakany, ny tsy fahampian'ny fitsarana. Ny 2011, ny tahan'ny fampiasàna ny fonja dia 112.1% niakatra ho 112.2% ny 2012 ary 118.4% ny 2013. Ny famahànana ireo voafonja tsy mitsahatra mitombo ireo no mihinana ny tetibolan'ny firenena.

Mba hiantohana ny famahàna ireo raharaham-pitsarana mihantona sy ireo tafiditra amin'ny hoe mbola miandry fitsarana, dia nametraka ny antsoina hoe “Fitsarana malaky” ny governemanta tamin'ny 2000. Tamin'izany, nanokana tetibola mihitsy ny governemanta foibe mba hametrahana fitsarana niisa 1.734 ary nisy ny fametrahana foibe fanohanana ara-bola azon'izy ireo raisina nandritry ny fotoam-panombohana naharitra dimy taona, nitarina hatramin'ny 2011 taty aoriana.

Na izany aza, rehefa tapaka ny fanohanana ara-bola ary nianjera ho any amin'ny governemantam-panjakana ny andraikitra, maro ireo “fitsarana malaky” no nikatona tsotra izao fotsiny ary araka ny nambaran'ny Ministeran'ny Lalàna sy ny Fitsarana,  976 monja no “fitsarana malaky” nanohy niasa tamin'ny Aogositra 2014. Na dia nampahafantarina aza fa nahavita niatrika raharaha maherin'ny 3,8 tapitrisa ireny “fitsarana malaky” ireny, mbola mitoetra hatrany ny fisalasalana momba ny kalitaon'ny didim-pitsaràna. Mijery ny raharaha momba ny heloka natao tamin'ny vehivavy sy ny ankizy ireo “fitsarana malaky” ireo ankehitriny, ary misy drafitra hametrahana ireny “fitsarana malaky” ireny misimisy kokoa, indrindra fa ao Delhi, izay 20 no andrasana hisokatra amin'ity taona ity.

Ireo isa mikasika ny rafi-pitsarana Indiana dia mampiseho fikorontanana iray ara-drafitra. Tsy fanitaran-javatra mihitsy ny filazana fa misy sampana iray tsy tazana ao anatin'ny governemantan'ilay demaokrasia goavana indrindra eto an-tany. Tena ara-bakiteny ny hoe nesorina tamin'ny tsy nisy antony ny fiainan'ireo olona tahàka an'i Machal.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.