Hitan'ny Fanadihadiana Fa Maro Kokoa ny Eoropena Mifindra any Amerika Latinina Noho ny Mifanohitra Amin'izany

 "Leaving" Mural, by Antonio Segui, at Independencia station in the Buenos Aires metro (Argentina). More Europeans have migrated to Latin America than vice versa. Credit: Rodrigo Borges Delfim

Kanto an-drindrina “Mandao”, nataon'i Antonio Segui, tao amin'ny garan'i Independencia ao amin'ny metron'i Buenos Aires metro, Arzantina.
Saripika: Rodrigo Borges Delfim

Ity lahatsoratra ity izay nivoaka voalohany tamin'ny teny Portiogey tao amin'ny blaogy MigraMundo ary navoakan'ny Global Voices dia ao anatin'ny fifanarahana fifampizarana vontoaty. Mariho ihany koa fa manana tranonkala manokana ny Global Voices amin'ny Teny Malagasy ary tsara endrika kokoa raha toeran-kafa no ahitanao ity lahatsoratra ity.

Tsy araka ny inoan'ny besinimaro fa betsaka kokoa amin'izao fotoana izao ny Eoropeana mifindra avy any Eoropa mankany Amerika Latinina sy Karaiba noho ny zotra mifamadika amin'izay. Izany no fehin-kevitra hita tamin'ny fanadihadiana navoakan'ny Fikambanana Iraisampirenena misahana ny Fifindramonina na International Organisation for Migration (IOM), nitondra ny lohateny hoe ‘Ny Havitriky ny Fifindramonina eo amin'i Amerikana Latinina sy Karaiba sy eo amin'i Amerika Latinina sy ny Vondrona Eoropeana’.

Asehon'ny tahirin-kevitra fa mihoatra ny 181.000 ny Eoropeana nandao ny fireneny tamin'ny 2012, raha ampitahaina amin'ny Amerikana Latinina 119.000 mandeha any Eoropa. Asehon'ny data ny fihenana 68% tamin'ny fikorianana farany raha ampitaina ny tamin'ny 2007, tamin'ny fotoana nihoatra ny 350.000 ny isan'ny mpifindra monina avy any Amerika Latinina sy Karaiba nankany Eoropa, ary io no avo indrindra hatramin'izay.

Espaina no voalohan-daharana amin'ny lisitry ny firenena ahitana olom-pirenena betsaka indrindra mitady ravinahitra any amin'ny fanjakana Amerikana Latinina, ahitana mpandao ny firenena 181.166 mizotra ho any Amerika Latinina tamin'ny 2012. Manaraka azy ao i Italia, Portiogaly, Frantsa ary Alemaina.

Tamin'ny 2013, mpifindra monina iraisampirenena 8,5 tapitrisa no nonina tany Amerika Latinina (1,1 tapitrisa avy any amin'ny Vondrona Eoropeana), mihoatra 500.000 tamin'ny 2010 ary mihoatra 2,5 tapitrisa tamin'ny 2000.

“Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, ny fiovana teo amin'ny fikorianan'ny fifindrana monina eo amin'i Amerika Latinina sy Eoropa no mampiseho indray fa mivoatra araka ny fiovaovan-jotra ara-sosialy sy toekarena izany ary mety ho fitaovana iasana hanitsiana sy hamaliana ny krizy ara-toekarena raiki-tapisaka”, hoy ny fanazavan'i Laura Thompson, lefitry ny tale jeneralin'i IOM.

Study shows that more Europeans have migrated to Latin America than Latin Americans to Europe. Credit: Divulgação

Ny fanadihadiana no mampiseho fa maro kokoa ny Eoropeana nifindra nankany Amerika Latinina noho ny Amerikana Latinina nankany Eoropa.
Saripika: IOM/Divulgação

Ohatra iray amin'ny fanitsiana nomarihany ny fiakaran'ny fifindramonina eo amin'ny samy firenena Amerikana Latinina. Tamin'ny 2013, lohalaharana i Arzantina, nandray mpifindramonina 238.700 avy amin'ny firenena Latinina hafa (28%-n'ny totaliny), arahin'i Venezoelà, Costa Rica ary ny Repoblika Dominikana.

Ahoana ny amin'i Brezila?

Raha mihamahazo vahana ny resaka fifindra-monina ao Brezila, izay eo ampametrahana ny tenany ho firenena transit [toeram-pandalovana iatoana vetivety na ifindrana fitaovam-pitaterana] sy fitodiana hoan'ny mpifindra monina, ny famakafakana nataon'ny IOM no mampiseho fa tsy mitsahatra ny mifindra mankany amin'ny firenenkafa ny Breziliana.

Araka ny IOM, Brezila no firenena Amerikana Latinina mandefa mpifindra monina betsaka indrindra any Eoropa, arahin'i Kolombia, Però ary Ekoatera. Izy ihany koa no firenena mandray vola fanampiana alefan'ny olona avy ao amin'ny Vondrona Eoropeana avo indrindra ($1,596 miliara dolara US), izay mandrafitra ny 22%-n'ny totalim-bola alefa any Amerika Latinina (data tamin'ny 2012).

Tsindrio eto raha hijery ny fanadihadiana (amin'ny teny espaniola).

Ny torohay ato amin'ity lahatsoratra ity dia avy amin'ny IOM, Rádio Migrantes ary El País.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.