5 Taona Lasa Izay No Nanombohan'ny Fiadiana Ny Ho Tompondaka Erantany FIFA 2010. Mahatsiaro Ireo Fotoana Mamy i Afrika Atsimo.

Soccer fans holding vuvuzelas watching the opening game of the World Cup. Photo by Marcello Casal Jr. Published by Agência Brasil under Creative Commons.

Mpankafy baolina kitra mihazona anjomara “vuvuzelas” mijery ny lalao fanokafana ny Fiadiana ny ho Tompondaka Erantany. Sary an'i Marcello Casal Jr. Navoakan'ny Agência Brasil tamin'ny fampiasàna ny Creative Commons.

Dimy taona lasa izay, ny 11 Jona, nanomboka tao Afrika Atsimo ny lalao faha-19 fiadiana izay ho Tompondaka Erantany FiFA. Sambany nanaovana ny fifaninanana taty amin'ny tany Afrikana io. Tamin'ny fampiasàna ny tenifototra #2010Memories, nahatsiaro ny andro nirohotan'ny Vuvuzelas nandrakotra ny tontolon'ny baolina kitra ireo Afrikana Tatsimo tao amin'ny Twitter.

Vha Musanda nizara saripika iray avy amin'ilay fotoana, izay nampirotsaka ny ranomason'i Afrika Atsimo. Ny baolina voalohany matin'i Tshabalala, ilay Afrikana Tatsimo mpilalao nandritry ny fifaninanana tamin'ny lalao nifanandrinany tamin'i Meksika, nifarana tamin'ny 1-1:

Ilay fotoana nampirotsaka ny ranomason'ireo Afrikana Tatsimo. Nitambatra izahay rehetra. Poa-tsatroka ho an'ny governemanta tamin'ilay fanomezana ho an'ny any ampielezana

Asehon'ny lahatsary YouTube eto ambany i Shakira mihira ny Waka Waka, hiran'ny Fiadiana ny ho Tompondaka Erantany 2010, nandritry ny lanonana fanokafana:

Raha ny olona rehetra mbola samy revon'ny fifaninanana, i Khulekani Mathe kosa mahatsiaro fa zavatra hafa mihitsy no nahafanina azy:

Ny 2010, tany India aho tamin'io andro io. Raha ny olona rehetra ravo sy lasa adalan'ny lanonana fanokafana ny lalao, izaho koa lasa adala tamin'ny tsy fahitàna toerana hijerena

Tsy mbola nahatsiaro ho nilamina sy tony tahaka izany i King Billy teny an-dalambe tao Johannesburg, izay heverina ho iray amin'ireo tanàna atahorana indrindra eto an-tany:

Teo amin'ny FIAINAKO MANONTOLO, tsy mbola nahatsiaro ho tony sy nilamina tahaka izay mihitsy aho teny an-dalamben'i Johannesburg tamin'izay volana izay  #2010memories ary dia fatratra ery ny nahatsapa hoe miaina!

Vuma Augustus niteny hoe tsy mbola nahita mihitsy olona tafaray be tahaka izany teo amin'ny androm-piainany :

#2010memories@encanews tsy mbola nahita mihitsy olona tafaray be tahaka izany teo amin'ny androm-piainako aho, mahatsiaro ny dobok'amponga #2010 siyabangena

Vitsy ireo Afrikana Tatsimo no toa niasa saina tamin'ireo filazàna hoe nanao kolikoly nandoa 10 tapitrisa dolara ny fireneny mba hahazoana ny fampiantranoana ny Fiadiana ny ho Tompondaka Erantany.

Yang sy Reckless, mpampiasa Twitter, dia niteny fa tsy manelingelina azy ilay tantara ratsy:

#2010memories #TanyAho ho vavolombelon'ny firaisankinan'ny firenena iray mahafinaritra. Na tsolotra na tsia, velona ato amin'ny pic.twitter.com/UH7g2t9z1B ny lova navelan'ny Fiadiana ny ho Tompondaka Erantany 2010

Tsy dia miraharaha loatra ilay tranga aza ny olona sasany ety anaty aterineto:

#2010memories#TantaraRatsyFIFA iza koa no miraharaha T*$&# na nisy kolikoly tao na tsia…nahazo toeram-pilalaovana mahafinaritra aloha isika..tonga ny mpizahatany, ka inona indray

Mialona ny fahombiazan'i Afrika Atsimo tamin'ny 2010 ireo firenena hafa, hoy i Nkateko Baloi :

@UvekaR maninona isika no miforetaka amin'ny lasa any fa fialonana no manjo ireo firenena hafa noho ny fahafinaretan'ny fiadiana izay ho tompondaka erantany vita.#2010memories

Ho an'i Kabwe Songolo, tsy tokony hanakona ny fahafinaretana entin'ilay hetsika fanatanjahantena mihitsy izay fihetsika nataon'ny governemanta AfrikanaTatsimo sy ny FIFA tany :

#2010memories@EconFreedomZA @MbuyiseniNdlozi Tsy tokony ho afangaro amin'ny Hetsika Fiadiana izay ho Tompondaka Erantany ny fitondrantenan'ireo manampahefana Afrikana Tatsimo sy ny FIFA. Azafady aza ampifamatorina ireo!

Ny sasany tamin'ireo mpisera amin'ny aterineto indray niresaka momba ireo mpanadihady federaly Amerikana, izay tomponandraikitra tamin'ny fisamborana vao haingana ireo olona ambony tany Soisa.

Fa ny zavatra iray tsy azon'ny FBI esorina amin'i  #AfrikaAtsimo dia ny reharehany sy ny  #Fahatsiarovana2010!

Na izany aza, tsy zavatra miabo tahàka ny an'ny maro amin'ireo Afrikana Tatsimo ao amin'ny Twitter no tsaroan'i Charlie Langa :

Ny lova navelan'ny kolikoly.Tsolotra, Fakàna vola an-tery, Fanadiovana vola maloto, Fandosirana hetra. Lavabe loatra ny lisitra=783

Raha manontany tena kosa i Tom Moultrie momba ny halehiben'ny fahaverezan'ny fahatsoran'ireo Afrikana Tatsimo hatramin'ny nisian'ny Fiadiana izay ho Tompondaka Erantany:

#Fahatsiarovana2010 no hita manerana ny media sosialiko androany. Fahatsorana tahaka ny inona moa no verintsika tao anatin'ireo andro 1826 lasa?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.