Mifandrirotra Amin'ny Saina Kônfedere ny Fanjakan'i Etazonia, Manofahofa Izany Amim-Pireharehana ny Tanàna Iray any Brezila

Descendants of Americans during Confederado feast in Santa Bárbara d'Oeste. Photo by Felipeattilio. CC BY-SA 3.0

Taranaka Amerikana nandritra ny fetin'ny Confederado tao Santa Bárbara d'Oeste. Saripikan'i elipeattilio. CC BY-SA 3.0

Ity lahatsoratra sy tatitra radio novokarin'i Bradley Campbell ho an'ny The World nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 22 Jona 2015 ity, dia nivoaka eto indray noho ny fifanarahana fifampizarana vontoaty.

Nahazo fahatra haingana dia haingana ny fitakiana hanesorana ny saina kônfedere eo an-tokotanin'ny Lapam-panjakan'i Carolina Atsimo tamin'ity herinandro ity. Nijapy masinina tamin'izany toe-javatra izany ny sasantsasany tamin'ireo politisiana malaza [any Etazonia], ka anisan'izany ny Governora Nikki Haley.

Hatreto aloha dia mihoatra ny 500.000 ny isan'ny olona nanatevin-daharana ny fanangonan-tsonia ao amin'ny MoveOn.org mitaky ny hampidinana azy io. Saingy tsy toerana tokana eto ambonin'ny tany ihofahofan'ny saina kônfedere hatramin'izao ny any Atsimon'i Etazonia.

Hita amim-pireharehana ao an-tanàna ambanivohitra Breziliana ao Santa Barbara D'Oeste ihany koa izany.

“Isan-taona ny taranaky ny kônfedere tokotokony ho 10.000 nandositra an'i Etazonia ary nidina tao Brezila taorian'ny ady an-trano, manana fianakaviana niarahana izy ireo,” hoy i Asher Levine masiovohon'i Reuters monina ao Sao Paulo. “Mandray anjara avokoa izy rehetra ireo amin'izay tondroina ho ‘Zavatra Tatsimo’ tahaka ny dihy sokera, fihinanana tonon'akoho sy biscuits, ary ny fihainoana an'i George Strait. Izany zavatra izany. Ary ny saina kônfedere hita eny rehetra eny.”

Koa raha mijery ny saina kônfedere ny olona dia inona no hitany?

Milaza i Levine fa mirona kokoa amin'ny ara-poko izy io fa tsy ara-politika. Ny mahavariana azy dia nifangaroharo tamin'ny Breziliana ry zareo nandritra ny taranaka maro mifandimby. Ka ahitana olona amin'ny lokon'endrika isan-karazany fa tsy hoe fotsy ihany. “Maro amin'ireo taranaka kônfedere ireo no manana rà Afrikana ihany koa,” hoy izy. “Koa dia hahita olona manana volonkoditra matroka manofahofa saina kônfedere ianao.”

Manatrika ny fetibe ny Amerikana. Nilaza i Levine fa nifampiresaka tamin'ny lehilahy mihaja fitafy iray gaga tanteraka amin'ny fijerena tanora vavy mihira ny “Amazing Grace” mijoro eo an-tampon'ny saina kônfedere iray. Hita na aiza na aiza tokoa ao amin'ny fetibe ny saina. Ny ankizy manofahofa saina kely moa ny vehivavy mitafy saina kônfedere. “Hitanao, tsy hitanao amin'izy ireo intsony ny saimbolisma fa toy ny mifangarika ihany izany ho antsika.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.