Mivoaka ao Tehran Indray ny Zavakanto an-Dalamben'i ‘Black Hand’ Vaovao ho Setrin'ny Fitakiana Hahazoan'ny Vehivavy Mijery Spaoron-Dehilahy

A new from Iranian street artist has emerged depicting a male sports fan brandishing dishwashing liquid like a sports trophy. Image take from the artists Facebook page.

Vaovao avy amin'ny artista andalambe Iraniana nipongatra mampiseho lehilahy iray mpankasitraka fanatanjahantena mampiseho ranon-tsavony ho tahaka ny amboaram-panatanjahantena. Sary nalaina avy amin'ny pejy Facebook-n'ilay artista.

Nisy sary vaovaon'ny artista an-dalambe Iraniana Black Hand nivoaka androany tao amin'ny pejy Facebook-n'ilay artista mifandraika amin'izany. Ny sary dia ho setrin'ny hetsipanoherana an-dalambe sy an-tserasera #LetWomenGoToStadium [avelao ny vehivavy hiditra kianjabe] misolovava ny hisian'ny vehivavy hijery ny lalaon'ny Ligy Manerantany Volleyball lehilahy ifanaovan'i Iran sy i Etazonia. Voarara tsy mahazo manatrika lalaom-panatanjahatena lehilahy any amin'ny kianjabe ny vehivavy ary tafiditra amin'izany ny vehivavy mpanao gazety.

Sangan'asa vaovaon'ilay artista an-dalambe Black Hand ho fanoherana ny fandrarana ny fidiran'ny vehivavy any amin'ny kianjabe

Efa hatry ny ela ny Iraniana artista an-dalambe Black Hand no andry niankinana tao amin'ny media sosialy, maneho hevitra ara-potoana amin'ny hetsika na toe-javatra idiran'i Iran. Artista na vondrona artista nahazo anaram-bositra “Banksy Iraniana” avy amin'ny sehatra fampitam-baovao sasantsasany i Black Hand. Voarara ny Graffiti ao Iran, nefa avelan'ny manampahefana hiranty ny zavakanto andalambe manohana ny Repoblika Islamika. Navoakan'ny artista tao amin'ny pejy Facebook mifandraika amin'izany ny sary vitsivitsy nialoha ny namafan'ny manampahefana azy ireny.

Ity sary manokana ity dia mampiseho lehilahy iray manao fanamian'ny ekipam-pirenen'i Iran amin'ny football [baolina fandaka], manandratra tavoahangin-dranotsavony fanasana lovia mampahatsiahy ireo mpilalao mitazona ny amboaran'ny Mondialy. Nisy sarin'i Black Hand mitovitovy amin'io ihany nivoaka tamin'ny Jolay 2014 ahitana vehivavy iray maka sary amin'ny tavoahangin-drano-tsavony nanodidina ny fotoana nifaninanan'ny ekipam-pirenena tamin'ny mondialy FIFA 2014 natao tany Brezila.

Hetsi-panoherana rano-tsavony. Lazaina tsindraindray ho “Banksy Iraniana” i Black Hand!

Nanazava eo amin'ny toerana fanehoan-kevitra amin'ny famoahany ny sary ilay artista fa io sary io dia teo amin'ny toerana nametrahany ny sary tamin'ny Jolay 2014 ihany, miala kely ny Zaridainan'i Saee ao Tehran.

Tamin'ny 19 jona dia niteraka fientanentanana ny lalao volleyball iray tamin'ny 19 jona rehefa nanambara ny governemanta fa afa-miditra ny vehivavy sasantsasany, na dia eo aza ny fandrarana efa naharitra ela tsy fahazoan'ny vehivavy manatrika lalao fanatanjahantena ataon'ny lehilahy. Toerana roanjato tamin'ny 12.000 no natokana hoan'ny vehivavy. Notsipahan'ny manampahefanan'ny filaminana, anefa, ny fidiran'ireo efa nanana tapakila ho amin'izany ora vitsy alohan'ny hanombohan'ny lalao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.