Noraràn'i Rosia ny Arsivan'Internety ‘Wayback Machine’

It's so long to the "Wayback Machine" in Russia. Image edited by Kevin Rothrock.

Tena ela tokoa izany hoan'ny “Wayback Machine” ao Rosia. Kisary namboarin'i Kevin Rothrock.

Nosakanan'ny governemanta Rosiana ny Internet Archive, tranonkala iray miorina ao San-Francisco izay manolotra ilay Wayback Machine malaza,  izay mamela ny mpiserasera hijery pejintranonkala voatahiry. Ny fanapahan-kevitra handrara ny Internet Archive dia heverina ho asan'ny lehiben'ny fampanoavana ao Rosia, izay midika fa efa napetraky ny polisy ho tranonkala miaty vontoaty extremista ny tranonkala.

Rublacklist.net nilaza fa lasibatry ny polisy ny Internet Archive noho ny nitahirizany ny pejin-tranonkala iray antsoina hoe “Jihad manirery ao Rosia,” lahatsoratra fohy iray milaza fa manome torohay momba ny “teoria sy fampiharana ny fijoroan'ny mpanohana.” Tamin'ny teboka iray ny lahatsoratra dia nanambara ny lalàna Islamika sharia ho “tsy maintsy apetraka hihatra manerana izao tontolo izao.”

Araka ny haba-tranonkala Rublacklist.net (tetikasam-panarahamaso ny fanampenam-bava karakarain'ny Antoko Piraty Rosiana), ny pejy lazaina eto* ao amin'ny Internet Archive [Arsivan'internety]  dia notovanana tao amin'ny rejisitra ofisialin'ny tranokala voarara ao Rosia tamin'ny 23 Jona 2015. Noho ny fampiasan'ny Internet Archive [Arsivan'internety] https, dia voatery ny mpanao raharahan'internety rosiana sasantsasany manakana ny tranonkalairay manontolo ahafahana manatontosa ny fametrahana lisitra mainty, rehefa tsy ahafahan-dry zareo manavaka ny pejy isan-karazany ao amin'ny tranonkala iray ny zotra voaafin'endri-tsoratra. Araka ny TJournal, tsy afa-niditra tao amin'ny pejy Wayback Machine, na ny Internet Archive ny mpiserasera amin'ny internety findain'ny orinasa Yota tamin'ny 25 Jona.

Tahaka ny servisy cache natolotry ny Google sy ny Yandex, ny Wayback Machine dia mitahiry kopian-tranonkala izay mety lasa loharanom-baovao tena ilaina rahatrizay, amin'ny fiovan'ny tranonkala, tsy hita an-tserasera, na mamafa ny vontoaty napetrany ry zareo. Tsy mitazona ny angon-drakitry ny tranonkala lehibe indrindra ny Internet Archive [Arsivan'internety] (vasoka tanteraka ny hafa-tranonkala 485 miliara amin'izao raha mitaha amin'ny 30 arivo miliara voatahirin'i Google efa ela tamin'ny 2013), saingy tsy manampaharoa ny Wayback Machine amin'ny fitahirizana kinova maro amin'ny tranonkala iray, amin'ny fitahirizana kopia samihafan'ny pejy irayisaky ny volana vitsy na mihoatra izany.

Amin'ny fandraràna ny fidirana amin'ny Internet Archive [Arsivan'internety] , ny governemanta no manosika ny Rosiana mpisera internety tsy hampiasa fitaovana matanjaka iray—ny iray izay izay tena ilaina amin'ny tontolo anjavonan'ny tranonkala matetika noho ny fametrahan'ny fitondrana lisitra mainty, araka izay mihamitranga ao Rosia amin'izao fotoana izao.

*Fanitsiana: Nilaza ity lahatsoratra ity tamin'ny voalohany fa ny sehatra sy ny adiresy iray manontolo amin'ny arsivan'internety no nampidirina tao amin'ny rejisitry ny haba-tranonkala voarara. Ny marina anefa dia ny pejintranonkala misy ny vontoaty lazaina ho extremista ihany no nampidirina tanaty lisitra. Manaraka izany ny tonian'ny amin'ny teny malagasy no manambara fa ato amin'ny Global Voices no nivoahan'ny lahatsoratra voalohany amin'ny teny malagasy fa fifanarahana fifampizarana vontoaty no antony ahitanao azy any amin'ny toeran-kafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.