Fandrosoana Mahafinaritra Vitan'ny Matildas Tafakatra Ampahaefadalana Mondialy Vehivavy: Aostralia 1 Brezila 0

Kyah Simon - Matildas v Brazil

Kyah Simon mihoraka ny baolina tafidiny tao amin'ny haraton'i Brezila
- pikantsary TV

Stun‘ [nahaankona] no voambolana nalaza nandritra ny andro, taorian'ny nandresen'i Matildas-n'i Aostralia an'i Brezila 1-0 ka nahatraran-dry zareo ny ampahaefa-dalan'ny Mondialy vehivavy. Tsy lany ny teny fandokafana tato amin'ny internety.

Hinjakinjaky ny media sosialy raha nahaankona an'i Brezila ny Matildas: Ny zavabitan'ny Westfield Matildas’ nahavaky fandresena 1-0 nanoloana an'i Brezila ny maraimben'ny alatsinainy (ora AEST) no nampihijakinjaka ny media sosialy tamin'ity zavabita lehibe indrindra ity…

Ny baolina tafiditr'i Kyah Simon tany amin'ny faha-80 minitra no niteraka ny fielezan'ny tarehintsoratra A — awesome [mahafinaritra]. Tahaka ireo Aostraliana maro mahatsiaro finaritra, nifoha tao anatin'ny fandrenesana ny vaovao i Rosie Thomas avy ao amin'ny  @projectrockit, ‘Hetsika tarihin'ny tanora ao Aostralia manohitra ny fampitahorana an-tserasera’ :

MANKALAZA! Alatsinainy MAHAFINARITRA raha nandreazy ity teo am-pifohazana ianao! N andresy an'i Brezila ny Matildas ka niakatra ampahaefa-dalana!

Nijery ny lalao nandritra ny maraimbe afaka sasakalina kosa ny  Aostraliana hafa:

Nifoha maraimbe hijery ireo Aostraliana vehivavy nahalavo ny andrarezina Breziliana vehivavy. Asa mafy saingy azo natao. Ny tsara indrindra ry ramatoa isany!!

Student Edge nanatsonga ny teny D nampiasain'ny mpanazatra ravom-pandresena:

“Dangerous” Matildas nandresy ny Brezila tamin'ny Mondialy vehivavy; ankehitriny mitodika any amin'ny ampahaefa-dalana.

Coach Alen Stajcic posed this warning to their next opponents: “We’re a dangerous team, one of the most dangerous teams at the World Cup, if not the most dangerous team in going forward.”

Did you hear that, Japan/Netherlands?

Nametraka io fampitandremana io amin'ny mpifanandrina aminy manaraka ny mpanazavatra Alen Stajcic : Ekipa mampididoza izahay: iray amin'ny ekipa mampididoza indrindra amin'ny Mondialy, raha tsy ny mampididoza indrindra tafakatra.
Mandre izany ve ianareo ry Japan/Holandy?

Tsy mila nanakatra i Nat Clegg hahazo harena:

INDAILY: Mahafinaritra ny nataonareo ry zavavy – mampitsangana [fanajana] mihitsy aza

Ao amin'ny rohy, feno fanantenana ny tranonkalam-baovao mahaleotena miorina ao Adelaide, mizara ny fanombohan-teny E avy amin'i Alen:

Not content with knocking heavyweights Brazil out of the Women’s World Cup, the Matildas are eyeing a place in the last four after their historic triumph in Canada.

Coach Alen Stajcic said it was a deserved result.

… “Exhilarating is the word for such a victory against a big powerful football nation.

“The effort, the execution, the spirit has just been brilliant.”

Tsy afa-po tamin'ny famoahana ny andrarezina Brezila amin'ny Mondialy vehivavy fa efa mitodika any amin'ny ekipa efatra tavela farany ny mason'ny Matildas taorian'ny fandresena manantantara vitan-dry zareo tao Canada.

Nilaza ny mpanazatra Alen Stajcic fa mendrika io vokatra io.

“[Exhilarating] Avo ny lanitra ka tsy takatra ny teny amin'ny fandresena tahaka izao raha nifanandrina tamin'ny firenena goavan'ny baolina fandaka.

“Ny Ezaka, ny Fanatanterahana, ny saina dia mamirapiratra.”

Tsy irery ny mpankasitraka ny Melbourne Victory antsoina hoe Michael tamin'ny fanondroana ny tsy naharototra loatra ny fampitam-baovao, ny fankasitrahan'ny olona ary ny zava-bitan'ny Matilda raha ampitahaina amin'ny ‘tsy fahombiazana’ kokoa azon'ny ekipa lehilahy @Socceroos.

Fanamarihana iray hafa ny fahazoan'ny Socceroos ny toerana “business” (anaty fiaramanidina) rehefa tafakatra (dingana famaranana) ary ny Matildas “nampanidina” mpanazatra hanao mondialy.

Jonno Simpson, mponina ao Melbourne miasa hoan'i Twitter, no namehy ilay fandresena manantantara:

Maro dia maro tokoa ny sioka. Lehibe dia lehibe tokoa ny fitiavana hoan'i @TheMatildas

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.