Ry Mpiasam-mpanjakana Okrainiana, Isaoran'ny Sampam-pitsikilovana Rosiana ianareo Noho Ny Fiaraha-Miasa !

The Federal Security Service is allowed simplified access to data from Russian Internet services. Images mixed by Tetyana Lokot.

Nohamorain'ny mpanome tolotra aterineto Rosiana ny fahafahan'ny sampam-pitsikilovana Federaly amin'ny miditra amin'ny angon-drakitra. Sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Noho ny disadisa sy tsy fifankahazoana teo amin'i Rosia sy Okraina tain'ny taona lasa dia mety nihevitra ny rehetra fa ho mailo tena mailo amin'ny fiarovana ny torohaim-piarovany ireo tompon'andraikitra any Okraina. Fa tsy izay no zava-misy. Voaporofo fa mpiasam-panjakàna sy andrim-panjakàna maherin'ny 20% no misera amin'ireo kaonty mailaka maimaim-poana atolotr'ireo orinasa Rosiana ary mitoby any amin'ireo lohamilina Rosiana.

Nahoana no olana izany ?  Manatsotra ny fitsofohan'ny sampam-pitsikilovana sy manampahefana Rosiana amin'ny seraseran'ny manampahefana Okrainiana ny fampiasana ny mailaka Rosiana.  Mahavariana ireo  tandrevaka sasany ataon'ny governemanta amin'ny serasera anatiny, miaraka amin'ny adin'ny Okrainiana mba handresy amin'ny ady misokatra ataony amin'i Rosia momba ny fampitàm-baovao.

Amin'ny ankapobeny dia toa tsy manana olana ny Okrainiana amin'ny fampiasana ny  aterineto Rosiana. Araka ny fikarohana nataon'ny Banky Okrainiana PrivaBank dia 64%-n'ny Okrainiana mpanjifany no mampiasa ny mailaka Rosiana, 14% mifidy ny Okrainiana ary 14% hafa ny Gmail. Tian'ny Okrainiana ihany koa ny tambajotra sosialy Rosiana, satria eo amin'ny kaonty Okrainiana 27 tapitrisa  eo no ao amin'ny VKontakte ary manodidina ny 11 tapitrisa no ao amin'ny Odnoklassniki. .

An'ny FSB daholo ny mailakareo rehetra
Nanapa-kevitra ny hisintona ny sain'ireo Okrainiana tompon'andraikitra ny amin'ireo loza mety hateraky ny fampiasana mailaka Rosiana– sy nanao sangisangy amin'ireo mpiasa birao mba ho mailo amin'io resaka io — ny vondronà mpanao gazety avy amin'ny tranonkala Okrainiana mpanao fanadihadiana texty.org.ua. Nanao fanadihadiana ny angondrakitra misokatra an'arivon'ireo mailaky ny fanjakana sy ny governemanta Okrainiana (2-3%-n'ny mailaka rehetra fotsiny) ny texty.org.ua teo aloha teo, ary nanangana lisitry ny mailaka  .ru rehetra hitany tao – 1700 eo ho eo no isany.

Nisivana adiresy mailaka .ru 1159 avy ao amin'ilay lisitra i Ivanna Kobeleva, mpanao gazetin'ny texty.org.ua ary nanapakevitra ny hanamarina raha toa ka mbola miasa sy fantatr'ireo Okrainiana tompony ny toerana marefo nisy ireo serasera elektrônikany. Namorona sarintsarinà boaty fandraisana hafatra ho an'ny “FSB (Sampam-pitsikilovan'ny Federasiona Rosiana )” izy ary nandefa izao taratasy izao ho an'ireo mpiasam-panjakana Okrainiana tsy manahy na inona na inona.

Здравствуйте!
От имени ФСБ Российской Федерации благодарим Вас за то, что пользуетесь электронной почтой на российском почтовом домене.
Вся информация с Вашей электронной почты доступна Федеральной службе безопасности России.
В 2014 году ФСБ получило возможность по упрощенной процедуре официально получать данные с серверов любых интернет-служб, находящихся на российской территории. Все российские почтовые домены контролируются ФСБ.
На днях Роскомнадзор получил право проверять личную переписку пользователей социальных сетей, среди которых – “Одноклассники” и “ВКонтакте”, электронную почту и мессенджеры Агент.Mail.ru, ICQ, а также блог-платформы.
Спасибо за сотрудничество!
С уважением,
Александр Бортников,
Директор Федеральной службы безопасности Российской Федерации

Manao ahoana !
Amin'ny anaran'ny FSB-n'ny Federasiona Rosiana, no isaoranay anareo noho ny fampiasana ny  mailaka miaraka amin'ny Rosiana.
Azon'ny Sampam-pitsikilovana Federaly ao Rosia jerena avokoa ny vaovao rehetra momba ny boaty fandraisana hafatrareo.
Nohamoraina ny alàlana ahazoan'ny FSB miditra amin'ny angona ao amin'ny lohamilin'ny sampan-draharaha miandraikitra ny aterineto any amin'ny faritr'i Rosia tamin'ny 2014. Ao ambany fifehezan'ny FSB daholo ny tontolon'ny aterineto Rosiana.
Vao haingana teo, nahazo alàlana mba hanara-maso ireo hafatra manokan'ireo mpisera amin'ny haino aman-jery sosialy ny Roscomnadzor.  Isan'izany ny :  Odnoklasniki, Vkontakte, mpitondra hafatra toy ny ICQ, Agent.Mail.Ru ary ireo vovonanà bilaogy.
Misaotra noho ny fiaraha-miasa !
Amim-panajana,
Alexander Bortnikov,
Ny Filohan'ny Sampam-pitsikilovana federalin'ny Federasiona Rosiana.

Nivalaketraka/menatra ny mpanao gazety,  valiny 173 fotsiny no azon'ilay sarintsarinà mailaka FSB. Ny ankamaroany amin'ireny dia tatitra tsy voizina mampilaza fa tsy miasa intsony ilay adiresy, miampy ireo valinteny azo isaina amin'ny rantsan-tànana manome  adiresy mailaka vaovao hifandraisana, ary ireo filazana vitsivitsy fahazoana hafatra tsy voizina. Mbola misitery ny fiafaràn'ny ankamaroan'ireo adiresy ireo

Fa misy valinteny  vitsivitsy nataon'olona manokana ao ( ary ho an'ny olona mazava ho azy) avy amin'ny manampahefana Okrainiana, na dia tsy nampoizina aza ny sasany amin'izy ireny. Ohatra, valinteny mailaka iray ( mampihomehy) avy aminà sampan-draharaha iray ao amin'ny trano fitehirizam-bokin'ny mpanolotsaina ao an-toerana ao amin'ny faritr'i Cherkasy : ” Misaotra anareo noho ny fiaraha-miasa.”  Mpanolotsaina iray hafa avy any amin'ny faritr'i Chernihiv dia mbola niteny ihany koa fa ” faly mandrakariva hiara-miasa” ry zareo, na toa ka tsy avy amin'ny boaty (Rosiana) fandraisany hafatra taloha aza ny valinteny fa avy aminà iray vaovao (Okrainiana).

Na izany aza, mpiasam-panjakana vitsivitsy no mbola misalasala kely ihany amin'ny faharaisana mailaka avy amin'ny “FSB”. Birao iray fandoavana vola fisotroan-dronono any atsimo atsinanan'ny faritr'i Kyrovohrad no namaly hoe : ” tsy mahavita tay an'io aho. Tsy misy fanajàna, Dmytro.” Biraom-paritra iray hafa fandoavana vola fisotroan-dronono any amin'ny faritra andrefan'ny firenena namaly hoe : ”  Sangy ratsy ity. Voninahitra ho an'i Okraina ! “

Mifanohitra tanteraka amin'ny fitsipika saingy mifandraika amin'ny hevitra ilay sangy izay nahakasika fakàna tàhaka sampam-pitsikilovanà firenena iray hafa. Tsiahy hafahafa an'ireo tranga tsy mahazatra izay nodian'ny mpiasam-panjakana naka endrika ho mpikatroka mba ahafahana miditra amin'ny tambajotra sy ny mombamomba azy ireo manokana izany – tena ny seho izay antenain'ireo mpanao gazety mpanao vazivazy mba hisorohana ny fanairana ny fahatsiarovan-tenan'ireo Okrainiana manam-pahefana.

Inona marina no tena azon'i Rosia hitsofohana ?
Efa nohamoraina ny fitsofohana ahafahan'ny sampam-pitsikilovan'ny Federasiona Rosiana miditra amin'ireo angona izay ampitain'ny ISP Rosiana sy iasàn'ireo orinasa rosiana misahana ny aterineto amin'ny rakitry ny mpisera.  Tamin'ny 8 Aprily 2015, nomena fahefana tahaka izany ny Roscomnadzor, Rosiana mpanara-maso ny aterineto izay nanome fahefana ireo mpiasany mba hitsongo dia ireo hafatra an'olon-tokana any amin'ny haino aman-jery sosialy sy ireo mailak'ireo Rosiana mpisera. Ao anatin'izany ny sampan-draharaha miandraikitra ny faritra mailaka .ru, ny Odnoklassniki, ny Vkontakte (samy tranonkalan-tambajotra sosialy Rosiana malaza ireo roa ireo), ny fandefasana hafatra eo noho eo toy ny ICQ sy ny Agent.Mail.Ru ary ireo vovonanà bilaogy rosiana maro.

Ny vahaolana, izay ampahany amin'ny fehezan-dalàna amin'ny “ady atao amin'ny fampihorohoroana” nosoniavin'ny Piraiminisitra Dmitry Medvedev dia manome ho an'ny Roscomnadzor ireny tombony amin'ny “fidirana nohamoraina amin'ny torohay” ireny ho toy ny dingana mankany amin'ny “fiarovana ny zon'ny olom-pirenena Rosiana”. Manome alàlana ny Roskomnador hitsongo dia ireo hafatra voaray sy nalefa ary ny hafatra lasa ilay fanovàna, ary hatramin'ny fanaovana fanadihadiana ny mombamomba. Ny tombontsoa hafa dia ny fahazoana mitsofoka amin'ny votoatin'ny zavatra manokana ataon'ilay mpisera ety amin'ny aterineto- izany hoe : ireo antotan-drakitra izay tsy tokony hisy hahita afa-tsy ny tompony ihany. Mandritra izany fotoana izany , nohamafisin'ny Roskomnadzor fa ny lalàna ihany no mamela an-dry zareo hitsofoka amin'ny angon-drakitra ambadika (metadata), saingy tsy manome alàlana azy ireo hamaky ny votoatin'ny mailaka sy ny hafatra amin'ny aterineto. Mba hanatontosàna izany dia tokony mila ny taratasy fangatahana ôfisialy avy amin'ireo fahefana mpampihatra lalàna miandraikitra ny fanadihadiana ry zareo.

Ny teboky ny traikefan'ny texty.org.ua, raha ny filazan'ireo mpanao gazety, dia ny fanohizana ny fampitandremana ny amin'ny loza aterak'ireo fampitàm-baovao mibanaka sy ny politikan'ny fiarovana ny seraseran'ny fanjakana Okrainiana. Amin'izay fomba fisainana izay, dia navoakan'izy ireo daholo ny lisitry ny mailaka rehetra .ru-n'ny Okrainiana tompon'andraikitra ary niangaviany ireo mpamaky azy mba handefa mailaka, farafaha-ratsiny amin'ny sasany amin'izy ireo sady miangavy ireo tomponà mailaka mba hiova mpanolotra mailaka sy ho mailo amin'ireo izay mety hanara-maso ny resak'izy ireo amin'ny mailaka. Tsorina fa ho tsaratsara kokoa izany raha toa ka tsy mampiasa ny mailaka avy amin'io tranonkalanà mailaka io ireo mpiasam-panjakana sy ireo vondrona miankina amin'ny fanjakana isan'ambaratongany rehetra. Ny fampiasan'ireo tompon'andraikitra rehetra ireo tolotra mailaka avy amin'ny fitondrana sy ny fanamafisana ny fiarovana izany ihany no hany fomba tsara indrindra hisakanana izay mety ho fiporitsahan'ireo vaovao manahirana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.