Tsy Misy Intsony ny Internety: Endrika Môdelin'ny Vokatry ny ‘Zo Hohadinoina’ amin'ny Mili-Pitadiavana Rosiana

Search results on the RuNet might dry up as a result of new "right to be forgotten" law. Images mixed by Tetyana Lokot.

Mety ho maina tanteraka ny voka-pitadiavana ao amin'ny RuNet noho ny lalàna vaovaon'ny “zo hohadinoina”. Sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Nisy tranonkalam-baovao natsangan'ny mpanatanteraka ara-dokambarotra rosiana miangavy anao haka sary an-tsaina ny ho endrik'izany mili-pikarohana amin'ny 2018 ao amin'ny RuNet raha lasa lalàna ny “zo hohadinoina”.

Ny tranonkala, zabvenie.com (“fanadinoina”) maka ny endriky ny sehatra fandraisain'ny milina fitadiavana tsotra izay toa mitovitovy vinaninany amin'ny sehatra fandraisan'ny Yandex, orinasam-panaovana fitadiavana lehibe indrindra ao Rosia.

Front page of the "Oblivion" (zabvenie.com) website.

Sehatra fandraisan'ny tranonkala “Fanadinoina” (zabvenie.com).

On June 16, 2015 State Duma passed in first reading a draft bill about the “right to be forgotten,” which obligates search engines to delete links to any information that is over three years old, based on citizens’ requests and without court orders. A formal complaint addressed to the search engine and mentioning the topic of the information is enough. This violates the basic principles of the Internet and Article 29 of the Russian Constitution, which guarantees the right to search for information freely using any lawful means.
We invite you to take a look at what search could look like three years after the “right to be forgotten” law is passed.

Tamin'ny 16 jona 2015, nolanian'ny Duma nandritra ny tao amin'ny famakiana voalohany ny volavolan-dalàna momba ny “zo hohadinoina”, izany manery ny mili-pitadiavana hamafa izay torohay rehetra mihoatra ny telo taona, noho ny fangatahan'ny olon-tsotra ary tsy ilàna didim-pitsarana. Fitarainana vita ara-pomba navantana any amin'ny mili-pitadiavana ary manondro ny lohahevitry ny torohay dia ampy. Manitsakitsaka ny fitsipika fototry ny Internety sy ny Andininy faha-29 amin'ny Lalampanorenana Rosiana, izay miantoka ny zo hikaroka torohay malalaka amin'ny fomba mifanaraka amin'ny lalàna izany.
Manasa anareo izahay hijery ny endriky ny fitadiavana afaka telo taona taorian'ny nahalanian'ny “zo hohadinoina”

Mamela anao hikaroka ny voambolana rehetra ny “Fanadinoina”, saingy ny setrin'izany kosa tsy misy ny torohay omeny anao amin'ny voambolana rehetra anaovana fitadiavana ankoatra ny iray ihany—ny anaran'ny filohan'i Rosia farany, Vladimir Putin (amin'ny teny rosiana). Ny valiny tokana mivoaka ao amin'io fitadiavana io dia ny teny iditra ao amin'ny Wikipedia teny rosiana. Ny ambiny rehetra dia hanome anao izao hafatra manaraka izao: “Amin'ny 2018 tsy misy ny valiny amin'ny fitadiavana ataonao. Tsy misy intsony ny Internety.”

Only one search query—"Путин" (Putin)—produces any results, and even then, only returns one link.

Fitadiavana tokana ihany—”Путин” (Putin)—no misy vokatra, ary na io aza, dia mitodika amin'ny rohy iray ihany.

Ireo mpanorina ny zabvenie.com, Vyacheslav Smirnov sy Vladislav Arbatov, no niteny tamin'ny TJournal fa tsy manantena ny isian'ny fiovana govana amin'ny volavolan-dalàna ry zareo, saingy mitady kosa ny haneho ny mahamampididoza azy rehefa mivadika ho lalàna.

Сайт призван продемонстрировать, что там в принципе ничего нет в поиске. Речь не о цензуре ни в коем случае, а о том, что из себя будет представлять ландшафт поисковых результатов с этим законом (точнее, пока ещё законопроектом).
С другой стороны, речь вполне может пойти и о цензуре, но пока рано об этом говорить, так как непонятно, как процедура будет работать на практике.

Ny anton'ny tranonkala dia ny hampisehoana fa tsy misy na inona na inona eo amin'ny vokatry ny fitadiavana. Tsy miresaka fanampenambava izahay, tsia, fa miresaka ny ho endriky ny voka-pitadiavana rehefa ho lalàna izy io (volavolan-dalàna aloha hatreto).
Etsy ankilan'izany dia mety hahita fanampenambava ihany koa isika, saingy aloha loatra ny iresahana izany, raha mbola tsy mazava ny fomba fiasany rehefa ampiharina.

Navoaka hanamarihana ny fandaniana ny volavolan-dalàna tao amin'ny famakiana voalohany ny tranonkala: mpanao lalàna tokana monja no nitsipaka azy, raha 423 no nanohana. Hahatonga azy hivadika ho lalàna dia mbola mila mandalo indroa ao amin'ny Duma ny drafitra, mila ankatoavin'ny Vaomieran'ny Federasiona ary soniavin'ny Filoha. Raha tontosa izany dia hanankery ny lalàna amin'ny voalohany Janoary 2016.

Efa niteny ny fanoherany ilay lalàna ny solontenan'ny indostrian'ny Internety ao Rosia, miantso azy io ho tsy mifanaraka amin'ny lalampanorenana sady mametra ny zon'ny Rosiana amin'ny fahazoana torohay. Araka ny tatitra nolazain'ny fampitam-baovao rosiana; taorian'ny fihaonan'ny solontenan'ny Yandex sy ny Fikambanana Rosiana misahana ny Fifandraisana  Elektronika tamin'ny depioten'ny Duma, dia neken'ny mpanao lalàna ny hanaisotra ilay vontoatin-dalàna mampiady hevitra tao amin'ny drafitra novakiana voalohany izay mamela ny tsirairay hanery ny mili-pitadiavana hamafa ireo rohy mankany amin'ny fampahafantarana olona manokana efa nivoaka mihoatra ny telo taona—eny fa na dia tsy misy aza ny porofo fa tsy marina na diso ilay torohay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.