Raha Porofo ny Fanehoan-Kevitra an-tSerasera, Dia Manana Olana Fankahalana Afrikana i Shina

Screen capture from Apple Daily's video report on 2012 African riot in Guangzhou triggered by a suspicious death of a Nigerian during police's detention.

Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'ny tatitra navoakan'ny Apple Daily tamin'ny 2012 ahitana Afrikana mpanao fihetsiketsehana tao Guangzhou noho ny fahafatesan'ilay Nizeriana nandritra ny nitazonan'ny polisy azy.

Satria miteraka lohateny lehibe manerantany ny tsy rariny ara-poko, indrindra tamin'ny fanasongadinana manokana ny tanànan'i Baltimore ao Etazonia, dia nosokafana tao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra ny fifanakalozan-kevitra momba ny olan'ny firazanana sy ny fankahalana vahiny.

Ary tsy ao Etazonia ihany izany. Namoaka fanehoan-kevitra manavakavaka tsy tambo isaina tamin'ny taranaka Afrikanina ihany koa ireo Shinoa mpiserasera rehefa maneho hevitra momba ny zava-nitranga.

Miatrika fifindra-monina Afrikanina goavana i Shina ao amin'ireo faritra indostrialy lehibe tahaka an'i Guangzhou, ary nanjary miteraka disadisa noho ny finiavan'ny Afrikana hiempo ao anatin'ny fiaraha-monina Shinoa.

Nanasongadina tao anatin'ny antsafa niarahana tamina gazetiboky iray i Gordon Mathews vao haingana, izay manampahaizana manokana momba ny Afrikana ampielezana ao Shina, fa nihamaro ireo Afrikanina nanambady any Shina. Hitany tamin'ny fikarohana nataony fa iray ampahafolon'ny ny Afrikanina dia nanana vady na sipa shinoa ary amin'ny ankapobeny dia miteraka ny metisy Afrikana-Shinoa 200 isan-taona ao Guangzhou.

Ny iray amin'ny sakana hiempoan'ny Afrikana any Shina ny fanaraha-maso hentitra ireo vahiny hafa firenena, izay mametraka ankolaka ihany koa ny fielezan'ny fijery an-tendrony ara-bolonkoditra. Tamin'ny Septambra 2013, nanomboka nanankery ny fitsipika ho an'ny vahiny momba ny visa vaovao sy ny fahazoan-dalana honina, izay nanasarotra kokoa noho ny taloha ny fiasana na fanaovana fandraharahana ao Shina hoan'ny olona tsy manana orinasa na andrim-panjakana mahampikambana azy. Raha vao manitatra ny fotoana ijanonany tsy manana visa manankery izy ireo dia mety iharan'ny fandoavana onitra 500 yuan (eo ho eo amin'ny 80 dolara amerikana) isan'andro. Araka ny tatitry ny fampitam-baovao voatsonga tamin'ny volana Aogositra 2014, dia 30.000 ihany ny fahazoan-dalana honina nomen'ny manampahefana ao Guangzhou hoan'ny Afrikanina, raha nisy manodidina ny 300.000 ireo Afrikana tsy manan-taratasy monina ao an-tanàna, ary ny maro amin'izy ireo dia ao amin'ny raharaham-barotra.

Momba an'i Guangzhou, 90 isan-jaton'ny Afrikana no tsy manan-taratasy satria tsy nahazo visa. Matetika voatazona am-ponja izy ireoka izany no mahatonga ny Afrikana heverin'ny Shinoa ho tafiditra manao asan-jiolahy.

Nipongatra ny resadresaka momba ny fankahalan'ny Shinoa vahiny sy ny fanavakavahana mahazony Afrikana mpifindramonina, ary na dia mihatsara aza ny fiaraha-miombon'antoka ara-toekarena eo amin'i Shina sy ny firenena Afrikana, ara-piaraha-monina, dia mbola be ny tokony atao.

Ireo fihetsikamivoaka an-tserasera sy amin'ny alalan'ny media sosialy no naminavinana ny halalin'ny fankahalana vahiny eo anivon'ny olom-pirenena Shinoa manoloana ireo Afrikana ao Shina. Ankoatra ny rotaka tao Baltimore any Etazonia, dia tranga iray hafa nahatonga tenim-panavakavahana an-tserasera ny nisamborana ka dia ny fanehoan-kevitra amin'ny aterineto manoloana ny fisamborana andian-jiolahy “vahiny” antsoina hoe “mpiadin'ny fahafahana” tamin'ny volana Aprily. NIhazakazaka nifantoka tany amin'ny volonkoditry ny mpikambana tao amin'ny andian-jiolahy ny fanehoan-kevitry ny mpiserasera :

外国人在中国撒野真是软弱.中国坚决不能容忍任何黑恶势力的存在!是时候对那些非法滞留的黑人采取措施了

Maneho ny fahalemeny ny fandrahonana ataon'ireo vahiny. Tokony tsy hizaka ny fisian'ireo herin'ny ratsy ireo i Shina. Izao no fotoana ho antsika hanaovana hetsika iadiana amin'ireo olo-mainty tsy ara-dalàna monina [eto Shina].

Mpisera mihoatra ny 1970 no nankasitraka io fanehoan-kevitra eo ambony io.

Ny ankamaroan'ireo fanehoan-kevitra dia amin'ny fijery nasionalista manana fijery matanjaka amin'ny fitakiana sisintany, raha misy kosa ny vitsy izay tena mpanavakavaka mihitsy; milaza ny Afrikana ho ambany firazanana, toy ity iray ity izay nahazo mpankasitraka 14:

黑非就是一群被上帝遗弃的人民。什么埃博拉,什么艾滋。都是黑非开始的。基因中除了暴力还有什么。亚人类的身体结构。大脑容量比我们中国人少个400c。

Nilaozan'Andriamanitra ny Afrikana Mainty. Ny Ebola, SIDA, sns samy avy any amin'ny Afrikana Mainty daholo. Feno herisetra ny zenetikan'izy ireo. Manana firafitra ara-batana olona-ambany izy ireo. Latsaka 400cc noho ny antsika Shinoa ny hadirin'ny atidohan'izy ireo.

Manelingelina ny saina ny filantompeo mandratra sy ny fankahalana vahiny miseho an-tserasera, mampanontany tena tokoa ny fidiran'ny fomba fijery tahaka itony miteny amin'ny anaran'ny vahoaka Shinoa iray manontolo.

Emmanuel, Ongandey mpianatra tany Beijing hatramin'ny 2010, no niteny tamin'ny Global Voices tao anatin'ny antsafa iray tamin'ny alalan'ny WeChat fa mitady ho lasa fiitaran-dresaka ny fankahalana vahiny hita amin'ny internety:

People tend to be much braver online where there's no fear of identification or retribution. Most people that spout racism online are generally people who've had no contact with black people or have been slighted by one and then hate all of them.

Mihasahisahy kokoa ny olona rehefa amin'ny internety rehefa tsy misy ny tahotra ny ho fantatra na ho voasazy. Ny ankamaroan'ireo olona mingerongerona fanavakavahana an-tserasera matetika dia ireo olona tsy nanana fifandraisana tamin'ny olona mainty na nataon'ny iray tsinontsinona dia ny hafa rehetra no ankahalaina.

Navoitrany ny fisian'ny rebik'ondry an-tserasera — mirona kokoa mankany amin'ny fijerin'ny besinimaro amin'io fotoana io ny olona na tsy tsy manana fomba fijery lalina momba izany akory aza:

Many will spew hate online to feel better about themselves but will genuinely be excited to meet a black person in real life.

Mandoa fankahalana an-tserasera ny maro mba hahatsiarovany tena ho maivamaivana kokoa nefa mientanentana ery hihaona amin'ny olona mainty amin'ny tena fiainana andavanandro.

Manaiky anefa izy fa misy ireo olona manana “fijery mivilana” amin'ny Afrikana sy ny vahiny amin'ny ankapobeny, saingy olona tsy mifanena aminy mihitsy ireny amin'ny fiainana andavanandrony. Fa ny tena mametraka fomba fijerin'ny Shinoa manoloana ny Afrikana dia ny fampitam-baovao sy ny internety amin'ny sehatra mivelatra kokoa:

It would need the global image of Africans to improve first. The perception could change in places with many Africans but not elsewhere.

Ilaina aloha ny manatsara ny endrika ankapoben'ny Afrikana. Mety hiova ny fomba fijery amin'ny toerana betsaka Afrikana fa tsy ivelan'izany.

Avy eo dia andro sisa no andrasana mba isian'ny fahafahan'ny vondrom-piarahamonina Afrikana miditra bebe kokoa ao Shina ary hitondra fijery tsara kokoa manoloana ny Afrikana sy ny vahiny amin'ny ankapobeny. Raha mbola hiroborobo kokoa ao anatin'ny taona vitsivitsy ho avy ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin'ny Shina sy i Afrika; dia hanana ny lanjany ambony indrindra ny firindrana ara-piarahamonina eo amin'ny vondrona roa tonta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.