Manana Hafatra Ho an'ny Boko Haram ity Mpihira Nizeriana ity

Nneka at Cargo, London in 2009. Photo by Flickr user Andy Lederer. CC BY-NC-ND 2.0

Nneka tao Cargo, London tamin'ny 2009. Saripikan'ny mpisera Flickr Andy Lederer. CC BY-NC-ND 2.0

Ny lahatsoratra sy ny tatitra amin'ny radio dia novokarin'i April Peavey hoan'ny The World nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 18 Jona 2015, ary navoaka indray noho ny fifanarahana fifampizarana vontoaty.

Nneka dia mpihira avy ao Nizeria ary manana famaliana manokana izy ho setrin'ny poabasy sy ny herisetra. Ny lohatenin'ny hira dia manao hoe “Pray for You” [Mivavaka ho anao]. Nanoratra momba ny fisian'ny Boko Haram ao Nizeria izy. Ny Boko Haram dia vondrona mitam-piadiana Islamista malaza amin'ny fakana an-keriny zazavavys, izay nitarika ny fanentanana Twitter manerantany  #BringBackOurGirls.

Nolazainy fa hira momba ny famelan-keloka io. “Ny tokony ataontsika dia famahana olana am-pilaminana fa tsy fanaovan-kerisetra na fijerena ny toe-draharaha anaty fankahalana.” Ary mametraka i Nneka fa maro ny Nizeriana mihevitra tahaka izany.

Miteny ao anatin'ny fitiavana lalina i Nneka. Ary izany fitiavana lalina ho amin'ny fiovana politika izany no mahatonga ny mpankasitraka hampitaha azy amin'i Fela Kuti sy Bob Marley. Samy mpihira milaza ny ao an-tsainy, manana fotokevitra politika sy maneho ny fomba fijeriny amin'ny alalan'ny hira izy roa ireo.

Mahita ny tenany ho mpitarika tsy sazoka i Nneka. Ary miaiky izy fa manan-kilema toy ireo mpitarika hafa. Ary inona ny kilemany? “Rehefa tsy te-hiteny intsony aho satria efa be loatra ny nolazaina nefa tsy misy ny mihetsika na mampihatra izay notoriany.” Ary izany rehefa tonga amin'izay lazainy fa “funk” i Nneka. Fahanginana ny Funk. “Saingy ao amin'izany fahanginana izany amin'ny takariva mody masoandro dia manontany aho, mahazo hery indray aho hikiaka indray sy hihira.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.