Mahery Vaika Ny Famelezan'ny Drepanôsitôzy ny Vondrom-Piarahamonina Teratany Tharu ao Nepal

Tharu lady with her cows in a Tharu village outside of Dhangadhi. Image by Flickr user Inhabitat. Used under a CC license BY-NC-ND 2.0

Vehivavy Tharu iray miaraka amin'ny ombivaviny ao amin'ny tanànakely Tharu iray ivelan'i Dhangadhi. Saripikan'ny mpisera Flickr Inhabitat. Nampiasaina noho ny alalana BY-NC-ND 2.0

Raha nankalaza ny Andro Manerantanin'ny Sela Miendrika Antsimbilona izao tontolo izao tamin'ny 19 jona, dia mbola ambany ny fampahafantarana ny aretina ho an'ny ankamaroan'ireo mponina teratany Tharu ao Nepal, na dia maro aza ireo matiny vokatr'io aretina io ao.

Nisioka i Pramod Neupane, injeniera sivily iray:

fikorontanana zenetika lovaina ao amin'ny vondro-piarahamonina Tharu ny aretina Sela miendrika antsimbilona [drepanôsitôzy]

Tharus, ny vondron'olona fahaefatra betsaka indrindra amin'ny isan'ny mponina ao Nepal, dia manana taha impito latsaka heny amin'ny aretina tazo noho ny tsy-Tharus. Niaina teny amin'ny lemaka ny Tharus, izay toerana feno tazo an'arivony taona.

Hita ho betsaka kokoa amin'ny toerana anjakan'ny tazomoka ny sela miandrika antsimbilona, ary ireo olona mitondra ny sela miendrika antsimbilona dia hita ho mahatohitra kokoa ny aretina tazo.

Nisioka ny manana kaonty Twitter Genetics and Beyond:

Nahoana ny aretin'ny ra sela miendrika antsimbilona no miaro amin'ny tazo?

Inona ny aretina drepanôsitôzy (aretin'ny sela)?

Raha mahita ny hamaroan'ny olona mitondra ny sela miendrika antsimbilona dia mahagaga raha tsy dia mahalala ny momba azy io ny olona

Ny aretin'ny sela-antsimbilona dia nandray ny anarany avy amin'ny bika hafahafa hita amin'ny sela mena, manana endrika antsimbilona, izay mihandrona ao amin'ny lalandrà. Ny fikorontanana, izay lovaina avy amin'ny ray amandreny, no mametraka fahasarotana ho an'ny lalandrà hamoaka ôksizena ho an'ny vatana, ka miteraka fangirifiriana lalina mbamin'ny fahasimban'ny taova sy fahatapahan'ny lalandrà tsindraindray.

Noho ny fahalafosan'ny fizahana sy ny fikarakarana noho ny aretina sy ny tsy fisian'ny toera-pitsaboana azy ao Nepal, dia maro ny fianakaviana no mivaro-pananana sy tany hitsaboana tena ao India.

Tamin'ny herintaona, nanambara ny hitsaboana maimaimpoana ireo mararin'ny sela miendrika antsimbilona [drepanôsitôzy] ny governemantan'i Nepal. Kanefa, tsy manana ny fitaovam-pitsaboana ilaina amin'izany ny toera-pitsaboana eny fa na dia ho amin'ny fizahana hamantarana ny aretina aza dia nalefa any India ny santionan-drà.

Ilaina indrindra ny Fampahafantarana

Milaza ny dokotera fa tena iankinan'ny ain-dehibe tokoa ny fampahafantarana ny aretina ho fisorohana ny aretin'ny sela miendrika antsimbilona. Tsy mifindra izy fa manaranaka. Rehefa fantatra fa 25 isanjato ny herijika ananan'ny zaza iray hahazo ny aretina raha samy mitondra ao aminy ny ray aman-dreniny, dia tsara kokoa raha tsy mifanambady ny olona roa samy mitondra ity fikorontanana ity.

Nanolo-kevitra ny vondrom-piarahamonina Tharu ihany koa ny hanambady olona hafa foko raha monina any amin'ny faritra anjakany ijerena ny mety mbola ielezany na tsia.

Fampahafantarana ihany no tena ilaintsika, manaraka ny ambiny rehetra!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.