Smokey Ilay Orsa a! Fantaro Ilay Rosiana Rahalahinao ka Mitandrema

Images edited by Kevin Rothrock.

Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

Nindrana mpanao tantara an-tsary malaza an-tserasera iray ho enti-mandravaka ny filazan'ny sampan-draharaham-bahoaka manabe ny mpitsidika amin'ny fepetram-piarovan-tena manoloana ny orsa ny Valan-Javaboary Rosiana ao Kronotsky, miorina ao amin'ny morontsiraky ny saikanosy Kamchatka. Araka ny lazain'ny tompon'andraikitry ny Valan-Javaboary Nadezhda Belyakova, “maro ny fotoana nitadiavana artista ao Moskoa afa-manasongadina ny tenany amin'ny famoahana ny mampiavaka an'i Kamchatka.”

Ny niafaran'ny nataon'ny Valan-Javaboarin'i Kronotsky dia ny nanolotra ny asa tamin'ny mpanao tantara an-tsary tsy dia fantatra anarana antsoina hoe “Bird Born,” izay avy amin'ireo tambajotra sosialy VKontakte sy Instagram, ahitana ny mpanaraka azy manodidina ny 15.000, no tena ananany laza.

Namorona tantara an-tsary folo samihafa ho an'ny Valan-Javaboarin'i Kronotsky, manoritra ireo karazana fisorohana samihafa tokony ataon'ny mpitsidika manoloana ny orsa i Bird Born. Ao anatin'ny fanapahan-kevitra tsy mahazatra ny besinimaro, noho ny fikendren'ny fanentanana hanintona ny fifantohan'ny olona manoloana ny loza mety ateraky ny orsa, dia nataon'i Bird Born ao anaty ravaka mampihomehy ho toy ny endrin-javatra tsy mampatahotra ireo sary nataony.

Aza manatona orsa mihitsy,na dia toy ny maneho fihetsika te-ho namana aza izy.

Ry mpizaha tany sy mpanao vakansy, aza mamela fako amin'izay nandalovanao! Hanintona ny orsa ianao, ary lasa tsy misaraka aminy intsony ny olana mahazo azy [ny sary mampiseho vakin-tavoahangy amin'ny tongony].

Aza mamahana orsa mihitsy. Ho lasa mora tezitra izy ary hangatahka sakafo hatrany ary mety hamely olona amin'izany mihitsy aza.

Aza manjono amin'ny toerana ihazan'ny orsa. Mety hikiry haka ny hazanao ny orsa noana iray.

Aza manorina ny tranolainao manakaiky ny fahandroan-kanina. Amin'ny maraimbe, mety ho voasinton'ny fofon-tsisan-tsakafo ny orsa.

Arovy ny manodidina ny filasianao. Afa-mametraka nyy atin'akanjo sy ny ban-kiraro eny amin'ny manodidina ny lehilahy.

Aza mitondra sakafo na fangaro shimika fanao an-trano mahery fofona. Mety ho lasa tahaka ny mpiankin-doha amin'ny rongony ny orsa tia karokaroka manoloana ireny zavatra ireny.

Itabatabao amin'ny alalan'ny firesahana mafy na amin'ny alalan'ny fihirahirana hatrany ny fisianao. Ny tsara indrindra dia ny mandeha miara-dia.

Aza manatona orsa mangingina na miafinafina. Mety hamely ny orsa raiki-tahotra.

Eo amin'ny tontolon'ny orsa, misy dikany lehibe ny haben'ny fahavalony. Ampitomboy ny haben'ny fahitana anao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.