Ataon'i Kremlin Ho Toy ny Sosoa Voatapo-dRano Ve ny ‘Zo Hohadinoina’?

Images edited by Kevin Rothrock.

Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

Araka ny sampam-baovao RBC, nihaona an-takonana tamin'ny solontenan'ny Yandex, mili-pikarohana rosiana lehibe indrindra, ny manampahefanan'i Kremlin tamin'ny alatsinainy 15 jona ka nahazo marimaritra iraisana hampalemy ny volavolan-dalàna ho avy natao hampidirana ny RuNet ho ao amin'ny “zo hohadinoina.”

Araka ny loharanom-baovaon'ny RBC ao amin'ny Duma [Antenimiera Rosiana], dia nifanaiky ny mpanao lalàna hanaisotra vontoaty mampifanditra ao amin'ny drafi-panaovan-dalàna voalohany izay mety hamela ny tsirairay hanery ny mili-pikarohana hamafa ireo rohy mihoatra ny telo taona mifandray amin'ny fampahafantarana manokana olona iray – eny fa na dia tsy misy aza ny porofom-pahadisoana na fanaratsiana ao amin'ilay fampahafantarana.

Araka ny nolazain'ny mpitondratenin'ny Yandex, Asya Melkumova, dia nanery ny lefitry ny chief of staff, Vyacheslav Volodin, ihany koa ireo teknisianan'ny orinasa mba hanintsanana ny fiteny ao amin'ny volavolan-dalàna izay mety handrakotra ny mili-pikarohana amin'ny famaritana ny maha-ara-dalàna ny fangatahanm-pamafana [vontoaty]. Nilaza ny Yandex fa sampan-draharaham-panjakana—fa tsy orinasa tsy miankina—no tokony hitantana izany raharaha izany, izay mety hitaky olona sy fitaovana ary vola betsaka avy amin'ny tranonkala ka hahatonga azy ireo ho tompon'andraikitra manoloana ny lalàna [idiran-trosa be?]. Niteny i Melkumova fa tsy nanaiky hanaisotra ireo fitakiana ireo , na izany aza, ny ao Kremlin.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.