Inona Ny Nanosika Ilay Reny Tokantena Ao Shina Namela Ny Zananivavy Ho Fatin'ny Hanoanana?

Xiang Heping, the single mother who starved her daughter to death last year. Screen capture from CCTV circulated on Weibo.

Xiang Heping, ilay reny tokan-tena izay namela ny zananivavy ho fatin'ny hanohanana tamin'ny taona lasa. Dikasary avy tamin'ny CCTV nivezivezy tamin'ny Weibo.

Vao haingana, niresaka tamin'ny televiziôna ny amin'ilay fihetsika nahatsiravina nataony ilay reny tokantena any Shina izay namela ny zananivavy kely ho faty noana ho sazin'ny tsy nety nataony tany an-tsekoly tamin'ny taona lasa. Tamin'ny tafatafa ny 24 May, niteny tamim-pitomaniana izy hoe tia ny zananivavy hianatra tsara any an-tsekoly fotsiny izy ary ho tonga any amin'ny anjerimanontolo.

Satria niparitaka be nanerana ireo sehatra media sosialy any Shina ilay tantara, maro no niampanga ilay reny ho mpamono olona tsy misy indrafò, raha niezaka ny namakafaka ny fototry ny olana ara-tsosialy kosa ny sasany.

Nomena sazy 10 taona an-tranomaizina, tamin'ity taona ity, i Xiang Heping, 52 taona. Namatotra ny zananivavy 9 taona, Zhang Qiongdan (Dandan) izy, ary tsy nanome hanina sy rano azy nandritra ny enina andro tany amin'ny faritanin'i Guizhou, atsimo andrefan'i Shina.

Nitomany ary nanazava tao amin'ny tafatafa i Xiang hoe tiany loatra ny zananivavy ary tena tsy nieritreritra ny hamono azy mihitsy izy. Nilaza ilay loza nitranga ho vokatry ny fanantenany lehibe ny mba handehanan'ny zananivavy any amin'ny anjerimanontolo izy, nofinofy izay tsy tanteraky ny tenany, ary noho izany no nanosehany ny zananivavy hanatratra azy io amin'ny fialàna ny sàkana rehetra.

Nilaza i Xiang fa fadiranovana mafy izy tamin'ireo fanambadiana roa niainany. Nisintaka ny trano ny vadiny faharoa raha vao mahery kelin'ny iray volana monja i Dandan. Voatery niverina tany amin'ny tranon-dray aman-dreniny tany aminà tanàna tsizarizary izy ary nipetraka niaraka tamin'ny zananivavy tao amin'ny efitra fitahirizana entana. Nikarama ho mpamafa trano tao amin'ny magazay iray lehibe izy. Nitsindroka ireo fako teny amin'ny làlana ihany koa izy ary nivarotra izany mba hahavitàna manapitra ny volana.

Nihombo ny fifandonana teo amin'ilay reny sy ny zananivavy raha nanomboka ningitrika ilay ankizy vavy teo amin'ny taona fahatelo. Nilaza ny mpampianatra azy fa nanomboka tsy tia nanao ireo entimody ilay ankizy vavy, ary nilaza ireo mpiara-nianatra taminy tany an-tsekoly fa nitokatokana irery hatrany ilay ankizy vavy aorian'ny fianarana.

Tamin'ny voalohany, nohidian'ilay reny tao an'efitranony ny zananivavy, saingy nitsoaka teny amin'ny varavarankely izy ary nirenireny teny an-dàlana. Nanapa-kevitra ny hamatotra ny zananivavy tamin'ny fandriana àry i Xiang ny 4 Aprily 2014, ary tsy nanome azy sakafo sy rano ho sazin'ny tsy fianarany tsara any an-tsekoly. Nijanona ho mafy loha ny zananivavy ary tsy mba nifona na nangataka sakafo. Tezitra tamin'ny fahanginan'ny zananivavy i Xiang ka tsy nanajanona ny fanasaziana. Taorian'ny alina dimy, hitany tsy nahatsiaro tena ny zananivavy ary niantso pôlisy izy.

Mpivady miisa eo amin'ny 3,5 tapitrisa eo no nangataka fisarahana ny taona 2013 tany Shina,  ary mitohy mitombo amin'ny hafainganam-pandeha mampahatahotra hatrany io fironana io. Mihamaro hatrany ireo reny tokantena tsy maintsy mandray andraikitra mitaiza samirery ireo zanany, sady miatrika ihany ny fanilikilihana sy ny ny teritery noho ny namakiany ireo lalànan'ny fiainam-piarahamonina, izay milaza fa tokony mijanona ao anatin'ny fanambadiana ireo vehivavy, na miatrika fanararaotana avy amin'ireo vadiny aza izy ireo.

Amin'ny lafiny iray, nifantoka loatra tamin'ireo fahatafitàm-pianaran'ireo ankizy fotsiny hatrizay ny rafitry ny fampianarana Shinoa, tsy nijery ny fahasalaman-tsainy rehefa miha lehibe izy ireny.

Maro ireo olona tezitra niampanga an'i Xiang tao amin'ny Weibo ilay toy ny Twitter sy tao amin'ny Toutiao, sehatra fanangonana ireo matoam-baovao:

心灵之缘1314: 解释就是为自己脱罪,六天那么长的时间不吃不喝,大人都难于忍受饥饿,何况是个小孩子,这跟本就是存心要把孩子活活饿死,绝不能轻判。

“Karma an'ny fanahy”: Niezaka ny nanazava ny heloka nataony izy. Ny lehibe aza tsy mahavita miaina tsy misakafo sy tsy misotro rano mandritra ny enina andro, raha tsy hilaza ny ankizy. Tena nieritreritra ny hahafaty ilay zaza amin'ny hanoanana mihitsy izy. Tokony ho saziana mafy tokoa izy.

花海四海: 还好意思上诉 根本没有悔改的意思 一般人不会上诉 早就在悔恨内疚 她这个贱货还上诉 说什么不是 故意杀人 你的行为不是故意杀人是什么 向和平 你去死吧 反正我不原谅你 可怜你

“Ranomasim-boninkazo”: Ahoana moa no ananany fahasahiana hanao fandravàna  didy? Tsy misy endrika fanenenana mihitsy. Nanenina mafy izany raha olon-kafa ary tsy hangataka fandravàna didy mihitsy. Tsy famonoana niniana natao ve ny fihetsikao? Mandehàna any amin'ny afobe, tsy hamela heloka anao aho ary tsy hitsetra anao akory.

假如没有晴天: 这个母亲肯定心里有问题。同样作为妈妈,我们都是有种恨铁不成钢的心理,但是我无法理解:眼看孩子一天.两天……没有吃东西,没有喝一滴水,甚至饿到皮包骨,身为妈妈她怎么能不心疼?无动于衷呢?不给孩子喂点水和食物呢?有什么比孩子的健康更重要呢?别说作为一个妈妈,我看她连最基本的人性都没有

“Raha tsyhiposaka intsony ny masoandro”: Tena manana olana ara-tsaina mihitsy ilay reny. Amin'ny maha reny, tia ny zanatsika ho tafita isika!. Fa tsy azoko mihitsy hoe ahoana no nijanonany tsy niraharaha ny hanohanana sy ny hetahetan'ny zanany nandritra ny andro maro toy izany… Tsy misy sakafo ary tsy misy rano. Ahoana no ahavitan'ny reny iray mahita izany vatana mahia kely izany? Ahoana no tsy nanomezany azy sakafo kely sy rano? Inona ny tena zava-dehibe mihoatra noho ny fahasalaman'ny zanaka? Tena nariany ny fototry ny maha olona.

Ny sasany niezaka ny namakafaka ny tena fototr'ilay loza, ho toy ny tsy fahalalàna sy ny teritery atrehan'ireo reny tokantena any ambany indrindra amin'ny fiarahamonina Shinoa:

是开森呢还是开森呢: 向和平把自己的亲生女儿竟然活活饿死了,每个父母都是爱自己孩子的,可是因为无知,却把他们害了,甚至可以害死,可悲!可叹!

“Ho faly sa tsia?”: Navelan'i Xiang ho fatin'ny hanoanana ny zananivavy. Tia ny  zanany daholo ny ray aman-dreny rehetra. Fa ny sasany mety handratra na hamono ireo zanany mihitsy noho ny tsy fahalalàna. Tena mampalahelo!

唱歌唱大哥: 爱没有错,只是过了火,孩子更没错,也很无辜。畸形的家庭,畸形的爱,畸形的性格,畸形的人生而造就畸形的命运!悲剧的出现从来不是不是单方面原因完成的!可怜,可悲,可叹一个花季少女!

“Mpirahalahy mihira”: Tsy misy marina na diso amin'ny fitiavana. Fa diso io rehefa atao tafahoatra loatra. Tsy nanao zavatra ratsy ilay zaza ary tsy nanan-tsiny. Fianakaviana tsy araka ny tokony ho izy, fitiavana tsy araka ny tokony ho izy, toetra tsy araka ny tokony ho izy ary fiainana tsy araka ny tokony ho izy, samy mitondra any amin'ny vintana tsy araka ny tokony ho izy. Tsy misy antony tokana ho an'ny loza toa izao. Ny nahaverezantsika ny fiainana vao misandratr'io ankizivavy io no tena vokatra mampalahelo indrindra.

嘟嘟4844820
大家都在批判母亲,但有没有试想一下,从女儿一个多月起就独自一人抚养她,又要挣钱又要照顾孩子,这样的艰辛不是一般人可以承受的,她望女成凤的愿望自然会比一般家庭强烈,做事也会更加激进!再说说女儿,自卑、内向也非常的倔强,有时候正是因为孩子的过于倔强会让父母更加的生气甚至狂躁![…]

Samy mamely ilay reny daholo ny olona tsirairay. Eritrereto fotsiny, hatry ny zanany vao iray volana, tsy maintsy nitaiza sy nandray samirery ny andraikitra rehetra izy. Nikarakara ilay zaza ary sady nitady vola ihany koa. Tsy afaka zakain'ny olon-tsotra ny fiainana sahala amin'izany. Vao maika nahatonga azy hitady ny tsara hatrany amin'ny fianaran-jananivavy noho ny olona hafa ny fahamafisan'ny fiainana, ary nitondra azy hanao fihetsika tafahoatra. Sady nitokantokana no mafy loha ilay zanakavavy, izay tsy ampy fahatokian-tena. Mety hahatonga ireo ray aman-dreny ho tezitra sy ho lasa adala ireo karazana toetra ireo. […]

梦琳36979210: 一个没钱的单亲妈妈独自抚养孩子的艰辛是常人无法想象的,孩子的叛逆,经济的拮据,社会的冷漠是导致她走到今天这个结局的真正原因

Tsy afaka eritreretina mihitsy ho an'ny reny tokantena ny mitaiza samirery ny zaza. Ny fikomian'ilay ankizy, ny fahantrana ary ny tsy firaharahian'ny fiarahamonina, ireo no tena anton'ny zava-mitranga ankehitriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.