Amin'ny Fandrakofana ny Fifidianana Solombavambahoaka Ao Tiorkia, Fitaovana Iray Hatrany

Screen Shot 2015-05-22 at 16.51.09

Handeha hifidy fanintelony ny olom-pirenena Tiorka afaka herintaona katroka. Taorian'ny fifidianana anatiny tamin'ny volana Martsa 2014 sy ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny volana Aogositra lasa teo, ny Fifidianana Solombvavambahoaka amin'ny volana Jona no hamarana ny tsingerina ara-pôlitika ao amin'ny firenena ary hanome ny mpifidy miisa 55 tapitrisa eo ho eo fialantsasatra tena mendrika aorian'ny fanaovana fifidianana.

Mandritry ny roa herinandro ho avy io, hanoratra hafatra fohy mikasika ny fifidianana ho avy ity mpanoratra ity,  miaraka amin'ny fijerena ireo fitaovana “open source” ety amin'ny tranonkala izay naovokarin'ny mpamorona mba ho azo ampiasaina mba hanatsaràna ny fandraisan'ny vahoaka anjara ao anatin'ny fifidianana henjana ara-pôlitika.

Fitaovana Voalohany : Seçim Var

Tamin'ny tapaky ny volana Aprily, nisy vondrona mpianatra manomana lisansa momba ny Fifandraisam-Bahoaka nanaraka ny fampianarana mitondra ny lohateny hoe ‘Kolontsaina Dizitaly tao amin'ny Oniversite Bilgi ao Istambul, nametraka ny tetikasa Seçim Var, izay midika hoe ‘Fotoanan'ny Fifidianana’. Mampiasa ny foibe mpampiantrano crowdmap.com ny Seçim Var, izay sampan’ilay fandraisana andraikitra lehibe indrindra Ushahidi:

Orinasa mpamorona rindrambaiko tsy itadiavam-bola ny Ushahidi ary mamorona rindrambaiko malalaka sy open-source (LGPL) ho an'ny fanangonam-baovao, ny fijerena, ary ny sarintany azo kitihana. Namorona tranonkala amin'ny aterineto ny Ushahidi (“fijoroana vavolombelona” na “vavolombelona” avy amin'ny teny swahili) taorian'ny fifidianana filoham-pirenena voatsikera be tany Kenia tamin'ny taona 2007 […] manangona ny tatitra ataon'ny vavolombelona nanatri-maso ny herisetra notaterina amin’ny mailaka sy hafatra an-tsoratra ary nametraka izany amin'ny saritany Google Maps.

Mampiasa ny fotokevitra loharanom-baovao avy amin'ny vahoaka ny fikambanana ho fikatrohana ara-tsosialy sy fampandraisana andraikitra ny vahoaka, ampiasaina ho toy ny lasitra voalohany ho an'izay notefena ho “fanaovan-tsarintanin'ny mpikatroka mafana fo “—ny fitambaran'ny fikatrohana sosialy, ny asa fanaovan-gazetin'ny olom-pirenena ary ny fampitam-baovao an-tany sy an-habakabaka. Manome vokatra ahafahan'ny mpanaramaso ao an-toerana manao tatitra amin'ny fampiasana ny findainy sy ny aterineto ny Ushahidi, sady mamorona tahirin'ny zava-nitranga ara-potoana sy ara-toerana.

Heverina ho lasa lavitra bebe kokoa nohon'ny tetikasan'ny sokajin'olona salasalany ny fanazaran-tena nataon'ny mpianatra momba ny fampisehoana ny fifidianana amin'ny alalan'ny soridrefintany, izay efa nahazo ny fandrakofana nataon’ny media lehibe mahazatra sy ny fampiroboroboana ao anatin'ny tambajotra lehibe momba ny fandraisana andraikitry ny olom-pirenena aty anaty tranonkala.

Efa niara-niasa tamin'ny fanaovan-gazety iraisan'ny vahoaka Tiorka, Dokuz8Haber, izay manamarina ara-potoana ny vaovao mikasika ny fifidianana ny vondrona. Ampiarahana amin'ny mari-pamantarana mitokana misy soratra hoe ‘voamarina’ ny fanamarinana ataon'ny Dokuz8Haber .

Manodidina ny 20 ny mpianatra milatsaka an-tsitrapo izay miasa ho mpandrindra: manaramaso hevitra maro mifandraika amin'ny fifidianana ao amin'ny Twitter ampisànany tenifototra (#SeçimVar, #Seçim2015) izy ireo, tatitra ataon'ny olom-pirenena sy fandrakofan'ny media. Misy karazany telo ny votoatin'ny tatitra : tatitra avy eny an-dàlambe, tatitra avy amin'ny media ary tatitra avy amin'ny vata fandatsaham-bato.

Azo trohana avy amin'ny alalan'ny tranonkala ny tatitra rehetra novokarin'ilay fandraisana andraikitra, manome vaovao efa vonona ho an'ny mpanao gazety sy ny antoko mandray anjara amin'ny fifidianana. Ivelan'ny andro fifidianana, mikendry ny famelomana hetsika manerana ny firenena mankany amin'ny fanangonam-baovao ho an'ny fanaovan-gazetin'ny olom-pirenena ny tetikasa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.