Alohan'ny Fifidianana Solombavambahoaka Saropady Ao Torkia, Manadihady Momba Ireo Fanambarana Ara-politika Ny Tranonkala Iray Mpanara-maso Ny Tena Zava-mitranga

Screen Shot 2015-06-03 at 20.52.21

Ho tontosaina ny 7 jiona izao ireo fifidianana ao Tiorkia, ka samy hilaza izao antsanga tsy aman'orana rehetra izao ireo mpilatsaka hofidiana mba hihainoana azy ireo, saingy ahoana moa no hahafantaran'ny olompirenena izay tokony hinoana na tsia?

Doğruluk Payı no hany sisa tranonkala goavana amperin'asa manara-maso ny tena zava-mitranga ao Tiorkia.

Vatsiana vondron-kevitra iray ao Istambul “Dialogue For Common Future Association“, (Fifanakalozankevitra Ho An'ny Hoavy Iraisana) ara-bola ilay tranonkala izay, mba hanampiana ireo mpampiasa azy amin'ny fanombanana ny fahamarinan'ireo fanambarana ara-politika samihafa, dia mametraka rafitra iray misy antànan-tohatra dimy.

Voafaritra toy izao manaraka izao ireo antànan-tohatra :

a) Marina ny fanambarana b) Marina ny ankabeazany c) Marina amin'ny ampahany d) Tsy marina ny ankabeazany e) Tsy misy fahamarinany

Tarika mpilatsaka antsitrapo lehibe no manaramaso ireo fanambarana natao ampahibemaso fa tonian-dahantsoratra dimy kosa no mamoaka ny fanombanana. Faritan'ireo tonian-dahatsoratra ny fahamarinan'ireo fanambarana maro miainga avy aminà angon-drakitra, araka ny rafi-pandrefesana voalaza etsy ambony rehefa avy nofakafakaina.

Mitahiry sasajoro misy ireo fampanantenana maro avy amin'ny Governemanta ny tranonkala, ankoatra ny fandinihana tsy tapaka ireo fanambaran'ny mpitarika ara-politika. Ny 30%-n'ny fampanantenana nandritra ny fifidianana tamin'ny taona 2011 avy tamin'ny antoko eo amin'ny fitondrana, AKP (Ny Fahamarinana sy ny Fampandrosoana) ihany no notànany, araka ny fanadihadiana notontosain'izy ireo.

Tsy ela akory izay, namoaka tatitra momba ny fifidianana ny tranonkala, izay mamaritra ny fahamarinan'ny fanambaran'ireo mpitarika mialoha ny fifidianana. Niainga taminà fanambarana miisa 408 nataon'olona 159 avy aminà antoko lehibe efatra sy ireo hafa vitsivitsy koa no nahitana fa 5,7/10 no taham-pahamarinana ankapoben'izy ireo, midika izany fa matetika mandainga ankitsirano izao ireo mpilatsaka ho fidiana.

general
Ny manampahefana avy amin'ny HDP mpomba ny Kurd no matetika milaza ny marina, araka ny tatitra.
mhp-hdp

Raha ny antoko eo amin'ny Fitondrana izay tarihin'i Filoha Recep Tayyip Erdogan kosa any  ambanin'ny salan’isan’ny antoko politika mitovy aminy no sady tranainy indrindra ao Torkia, ny antoko Kemaliste CHP izay somary manao ny tsaratsara kokoa.
akp-chp

Na manana anjara eo amin'ny fampielezankevitra aza ny fahamarinana, dia mbola raharaha hafa indray izany. Afaka miantehatra amin’ny haino aman-jery tiorka ny antoko AKP mba hanosika ny hafany satria mitady maro an’isa i Erdogan ho enti-manamafy ny toerany ary koa hitarihany ny Firenena hirona any amin’ny rafitra manome fahefana mihoampampana ho an’ny Filoham-pirenena, tsy refesi-mandidy.Tena goavana tokoa ny fanamby, ary ny HDP izay toa azo itokiana no mba hany antoko afaka hitondra fiovàna lehibe amin’ny firafitry ny politika.

Fahatelo amin’ny andian-dahantsoratra mijery ny fomba fandraisan’anjaran’ny fitaovan-tserasera amin’ny fizotry ny fifidianana ity. Mba hahafantarana bebe kokoa ny momba izany, dia jereo ity azafady: Amin'ny Fandrakofana ny Fifidianana Solombavambahoaka Ao Tiorkia, Fitaovana Iray Hatrany sy Asehon'ny Tahirin-kevitra Fa Efa Maty Paika Ireo Fanafihana Ny Biraon'ny Fampielezankevitry Ny Antoko Tiorka Mpanohitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.