Ny Fiovaovan’ny Toetrandro No Ao Ambadiky Ny Fihenan’ny Farihy Baikal Any Rosia, Hoy ireo Manampahaizanana

Cove with Shamans Rock Olkhon Island Lake Baikal, Russia. Photo by Flickr user amanderson2. CC BY 2.0

Helo-drano sy ireo vatoben'ny Shamans ao amin'ny nosy Olkhon any amin'ny farihy Baikal, Rosia. Sary nalaina mpampiasa Flickr amanderson2. CC BY 2.0

Ity lahatsoratra ity dia nosoratan’i Mikhail Matveeva ho an’ny 350.org, fikambanana iray manangana hetsika iraisam-pirenena momba ny toetrandro, ary navoaka ato amin’ny Global Voices ao anatin’ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Tany am-piandohan’ny taona 2015, nambaran’ ny Minisitry ny harena voajanahary tamin’ny fomba ofisialy, Sergei Donskoi, fa faritra mila vonjy maika i Baikal nohon’ny fidinana mandozàn’ny haavon’ny ranony. Baikal no farihin-dranomamy lehibe indrindra maneran-tany ary voarakitra ho Lova Iraisam-pirenena ao amin’ny lisitry ny UNESCO izy. Reharehan’i Rosia ary anisan’ny iray amin’ireo toerana tena malaza ankafizin’ny mpizahatany tokoa.

Ankoatra izany, Baikal sy ny ony Angara izay velominy no mamatsy rano ny tanàna maro, ary mety handritra ny tahirin'izy ireo ny fidinan’ny haavon'ny rano. Mba hiantohana ny famatsian-drano ho an’ireo tanàna ireo, dia tsy maintsy ahena ny habetsahan'ny rano mikoriana amin'ireny tohodranon'ny foibe famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny rano ireny, midika izany fa hihena ny famokarana angovo.

Tamin’ny teny tsotra sy mazava no nilazan’ny Minisitra rosiana ny antony nahatonga an’i Baikal ho nihamarivo : “Ny Toetrandro”. Inona mihitsy àry no nanjo ny toetrandro?

Mihevitra ny manam-pahaizana fa miovaova ao anaty tsingerina iray izay maharitra am-polotaona maro ny rotsak’orana any amin’iny faritr’i Baikal iny. Na izany aza, ny zava-mitranga ankehitriny dia hita mazava tsara ny fihoarany amin’ny tokony ho fiovàna ara-dalàna. Tamin'ny faran'ny volana Martsa, ohatra, dia tafalatsaka 9 sm ambany noho ny fetra efa mampiahiahy ny haavon’ny farihy. Efa 100 taona no tsy nahitàna tsy fahampian-drano toy izao. Nilaza ny Minisitry ny Hamehana, fa 65 isan-jaton’ny fenitra ara-toetrandro tamin’ny lohataona sy fahavaratra 2014 ihany no habetsaky ny rano niditra tao amin’ny farihy.

Toe-java-miseho eo amin’ny fiovaovana mampivarahontsana misy amin’ny toetrandro any Rosia ny fihenan’ny halalin’i Baikal: araka ny Foibe Famantarana ny Toetrandro any Rosia (Rosgidromet) dia 2,5 avo heny haingana kokoa, amin’ny ankapobeny, ny fitomboan’ny maripàna eto raha oharina amin’izay mitranga maneran-tany. Mitarika ho amin’ny fitomboan’ny isan’ny loza voajanahary izaitsizy ny fiovaovan’ny toetrandro, anisan'izany ny haintany.

Increase in dangerous climatic events in Russia, according to Rosgidromet

Mitombo ireo tranga mampidi-doza ara-toetrandro any Rosia hoy ny Rosgidromet

Nitatitra tamin’ny antsipirihany toe-draharaha tahàka ity ny vinavinan’ny tatitra faharoa nataon’i Rosgidromet, hoe ity toe-javatra ity dia mety ho anisan’ny iray amin’ireo vokatra nateraky ny fiovaovan’ny toetrandro:

Mety hisy ireo taona sy vanim-potoana ahitana haavon-drano diso avo na ambany loatra tsy araka ny tokony ho izy, noho ny fitomboan’ny fiovaovan’ny rano mikoriana ao anatin’ny taona maro, indrindra amin’ny fizaràn-taona. Azo sahalaina ny voka-dratsy ara-bola ateraky ny haavon-drano ambany sy ny tondradrano, satria manasarotra ny asa fitahirizan-drano, manakorontana ny famatsian-dranon’ireo tanàna sy orinasa maro, mampihena ny famokarana herinaratra azo avy amin’ny rano, mampitera-doza ny fifamoivoizana an-drenirano, ary mampihena ny kalitaon’ny rano an’ony.

Ampahany iray ihany amin’ireo olana rehetra mianjady amin’i Baikal ny fihenan’ny halalin’ny rano. Ny tena mahatsiravina dia izay mety mbola miafina ao amin’ny fanambànin’ny farihy ao. Tamin’ny fararanon’ny taona 2014, nanomboka niova ho rihitra mamofon ‘ireo zavamaniry anaty rano ny morom-parihy.

Rano madio sy mangatsiaka izaitsizy (latsaky ny 10c°amin’ny ankapobeny) no nandrafitra ny tontolo voajanaharin’ilay farihy, ary misongadina amin’ireo kirihitra spaonji-dranomamy maro ao aminy izay manome endrika mitovy amin’ny vatohara any Karaiba.

Saingy indrisy anefa fa mihamaty avokoa ireo spaonjy mahavariana ireo ka ahidrano mitovy amin’izy ireo ihany (Spirogyra no anarany ara-akademika), izay natsipin’ny rivodoza eny amoron’ny farihy, no mamonjy maka ny toeram-ponenan’izy ireo. Ilay tontolo tsy manam-paharoa izay “miendrika vatohara” dia lasa nivadika ho fanambàny rakotra fotaka, toetra manokan’ny an’ny kamory danihan’ny masoandro, fa tsy ny an’ilay Baikal matimaty no sady lalina.

Tsy miray hevitra momba ny antony nahatonga ireo olana ireo ny manampahaizana. Nampaneno lakolosy fanairana mikasika ny fahalotoan'ny rano ireo mpikaroka maromaro avy amin’ny Ivontoerana momba ny “Limnology” izay manao antso avo amin’ny tsy maintsy handraisana fepetra maika mba hamerana ny fivarinan’ny rano maloto ao anaty farihy. Ny votoatin’ny rano marivo sy ny fiakaran’ny maripana avo dia avo no hitan’i Nina Abarinova aloha, izay solontenan’ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny harena voajanahary ao amin’ny Faritry Irkoutsk, ho tena fototry ny olana.

Marina tokoa fa mihamafana i Baikal. Araky ny fanadihadiana navoaka tamin’ny taona 2008 dia nitsambikina 1,21 degre ny hafanàn’ny fanambonin’ny ranon’i Baikal nanomboka tamin’ny taona 1946.

Mifampiankina avokoa, arak’izay rehetra izay, ireo fotopoto-javatra rehetra ary manana anjara goavana amin’izany ny fiovaovan’ny toetrandro. Eny fa na ny fahalotoan’ny rano aza dia misy ifandraisany ankolaka amin’ny toetrandro: Mitarika amin’ny fitomboan’ny faritra mihandrona manangona loto ny fihenana mampitolagagan’ny fiavian’ny rano. Mahagaga fa mitovy ny fahavalon’ny “vatohara” an’i Baikal sy ireo havany any Karaiba, Pasifika ary ny Ranomasimbe Indiana; nanambatra ny heriny ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny fandotoana ny rano mba handemy ireo spaonjy sy vatohara antoky ny filaminana ary koa manampy amin’ny firoboroboan’ny fanirin’ireo zavamaniry anaty rano.

Ity zava-mitranga any Rosia ity dia ohatra iray ihany amin’ny porofo mivaingana fa tsy milaza zava-tsoa mihitsy ny fiakaran’ny maripàna, eny fa na dia ho an’ny hatsiaka Rosiana aza. Mampalahelo anefa fa zara raha miraharaha ireto olana iraisam-pirenena ireto ny fiarahamonina Rosiana ankehitrio, eny fa na dia efa mihamafy aza ny fandondom-baravaran’ny zava-misy. Ny hany fanantenana angamba dia ny fanentanana mety hataon’ny fikatrohana ara-toetrandro eo amin’ny faritra mikasika ity olana goavana indrindra miseho amin’ity taonjato faha-21 ity, indrindra koa moa fa nahomby ireo tetikasa voalohany efa natao.

Vaovao farany: Raha teo am-panomanana ity lahatsoratra ity dia nisy loza hafa indray namely ny faritra. Nisy dorotanety namely ny tanànan’ny Khakassia sy Tyva (akaikin’i Baikal) izay namoizana ain'olona mihoatra ny 30 sy namela tsy manan-kialofana an-jatony. Ny toetrandro “tsy mbola fahita velively” tany aloha – andro mafana sy rivo-mahery – no notsinian’ny Governoran’i Khakassia ho antony tena nahatonga ny loza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.