Ny Hafanana Tao India no Fahadimy Mahafaty Olona Be Indrindra Ankehitriny

Indian people walk at holy sangam during duststorm in a hot day in Allahabad. Image by Ritesh Shukla. Copyright Demotix (28/5/2015)

Indiana mandeha amin'ny sangam masina nandritra ny tafiotram-bovoka tamin'ny andro mafana tao Allahabad. Sary avy amin'i Ritesh Shukla. Copyright Demotix (28/5/2015)

Zava-miseho mahazatra manerana an'i India mandritra ny Asara* ny hafanana be loatra, saingy namono olona maherin'ny 2300 ary anisan'ny antony fahadimy nahafatesana olona be indrindra manerantany ny onjan'hafanana farany indrindra.

Nanery olona marobe hijanona an-trano ny hafanana be loatra namely ny faritra maro tao atsinanan'i Andhra Pradesh sy Telangana. Ireo tsy nahita toerana handosirana ny fiakaran'ny mari-pana no miaritra indrindra. Nilaza ny manampahefana fa ireo mpiasan'ny fanorenan-trano, ireo beantitra ary ireo tsy manan-kialofana no lasibatry ny herin'ny herin'ny masoandro na ny tsy fahampian-drano indrindra.

Tafakatra hatramin'ny 117 degre Fahrenheit (maripana 45 degre Celsius) ny tao Andhra Pradesh sy Telangana. Ho setrin'ny onjan-kafanana, nanatontosa fanentanana mandrisika ny mponina tsy hivoaka ny trano, hisotro rano betsaka sy hampiasa elo ary hanarona ny loha sy ny vatana hisorohana ny herin'ny masoandro ny governemantam-panjakana Andhra Pradesh.

Araka ny filazan'ny habaky ny Fahefana Misahana ny Voinam-Pirenena an'ny governemanta Indiana, miaina onjan-kafanana ambony indrindra matetika kokoa ny firenena noho ny fahasimban'ny toetrandro.

Tao amin'ny Twitter sy ny ankamaroan'ny haino aman-jerim-baovao, nampivoitra ny isan'ny maty ny fanehoan-kevitra, fa tsy manasongadina ny tsy fananana fomba andosirana ny hafanana ny maro tamin'ireo namoy ny ainy.

Raha nahazo (fizarana sioka) marobe sy fitantarana manerantany ity sary nalefan'ny Hindustan Times ity,  tsy afaka nanamarina ny fahamarinan'ny sary ny Global Voices.

Jereo: Niempo ity lalana ao Delhi ity noho ny hainandro tafahoatra

Ny sasany kosa nanasongadina ny lafiny tsara mikasika ny fomba fifanampian'ny olona, eny fa na dia ny biby aza :

Rehefa miatrika hafanana tafahoatra ny firenena manontolo, ity sary feno fitiavana

Manontany ny sasany raha ity no maripàna ambony indrindra amin'ny hoavy:

Fiakaran'ny mari-pàna sa vahoaka be loatra#  miakatra ny hafanana sy ny isan'ireo namoy ny ainy ao India. Topimaso ny hoavin'ny Tany ve? http://flip.it/vHimR Hafanana manerantany sa?

Ny sasany kosa nanome tsiny ny governemanta,

Ny lahatsoratra nosoratako hoan'ny @YouthKiAwaaz mikasika ny onjan-kafanana.

ny hafa nanome tsiny ny fampahalalam-baovao ho tsy nanasongadina ny olana araka ny tokony izy :

Raha tondradrano na horohorontany ny onjan-kafanana tao Andhra Pradesh, mety ho malaza. Mety handeha ny olona. OMG 2000 namoy ny ainy; mihantona ao. Eo am-pivavahana

Ny ankamaroan'ny olona maty tao Andhra Pradesh sy Telengana dia mpiasan'ny fanorenana taozava-baventy izany mbola niasa na dia efa niakatra avo be aza ny maripàna. Lazain'i Richard Mahapatra tao amin'ny tranokalam-baovaon'ny tanora sy fanehoan-kevitra Youth Ki Awaaz amin'ny tokony hakan'izy ireo aingam-panahy avy amin'ny governemantam-panjakana Odisha amin'ny fampihenana ny tahan'ny fahafatesana ateraky ny herin'ny hafanana:

After the heavy casualties in 1998, the Odisha government treats it as a disaster on the scale of cyclone or flood.

By February-end, the government starts the preparation for fighting heat wave with a single objective in mind: no human casualty. Schools and colleges shift to early morning sessions. They open at 6.30am and end by 12 noon.

Government offices also follow the same timings. Examinations are held by March. Public transport does not operate between 12 noon and 3.30pm. Public wage programmes like, MGNREGA is halted from 11.30am to 3.30pm.

Taorian'ny fahamaroan'olona maty tamin'ny taona 1998, dia noraisin'ny governemantan'i Odisha ho toy ny loza mitovy amin'ny rivo-doza sy ny tondra-drano ny [hafanana be loatra].

Mialoha ny fiafaran'ny volana Febroary, nanomboka niomana amin'ny fiadiana amin'ny onjan-kafanana ao anatin'ny tanjona tokana ny governemanta: Tsy misy olona maty. Nafindra ho amin'ny ora maraimbe ny fianaraka an-tsekoly sy kolejy. Misokatra amin'ny 6.30 maraina ka mifarana mialoha ny amin'ny 12 atoandro izy ireo.

Nanaraka izany fandaharam-potoana izany ihany koa ny biraom-panjakana. Tontosaina alohan'ny volana Martsa ny fanadinana. Tsy miasa anelanelan'ny amin'ny 12 atoandro ka hatramin'ny 3 sasany hariva ny fitateram-bahoaka. Atsahatra amin'ny 11 sy sasany atoandro ka hatramin'ny 3 sasany hariva ny fandaharana karamain'ny fanjakana toy ny MGNREGA.

An Naga youth jump into the water to cool off beside a small stream on a hot summer day in the outskirt of Dimapur, Nagaland, India. Image by Caisii Mao. Copyright Demotix (23/5/2015)

Tanora Naga mitsoraka anaty rano mba hampangatsiatsiaka vatana ao amin'ny renirano kely mandritra ny Asara ao Dimapur, Nagaland, India. Sary avy amin'i Caisii Mao. Copyright Demotix (23/5/2015)

Nivoaka tao amin'ny fanadihadiana ny Nature Climate Change (Fahasimban'ny Toetr'andron'ny Natiora) fa mametra ny fahafahaha-miasan'ny mpiasa ao India ny fiakaran'ny maripàna. Mampiseho ihany koa ny fikarohana hafa fa “hahafaty olona kokoa” rahatrizay ny hafanana, ka tantsaha maherin'ny 250 tapitrisa no heverina hangirifiry indrindra amin'izany.

Manjary lasa lohahevitra lehibe ny angovo sy ny milina fifehezana hafanana an-trano. Tamin'ny 2014, nampidirin'ny Praiminisitra Narendra Modi ho anisan'ny fandaharana tamin'ny fifidianana azy ny fahazoan'ny rehetra herinjiro alohan'ny taona 2019. Nampitombo 20 isanjato ny fangatahana milina fifehezana hafanana an-trano tamin'ity taona ity ny fisandratan'ny saranga antonony sy ny fikorontanan'ny toetrandro.

Ho hita eo ny fomba hisorohana sy hiomanan'ny fikambanana iraisampirenena ny loza voajanahary. Soa ihany, nanomboka tao Kerala ny rivotra arahin'orana ary hifindra tsy ho ela manerana ny firenena izany.

 

Naotin'ny Tonian-dahatsoratra amin'ny teny malagasy: ny vanim-potoana mampafana ny andro no lazaina etoana hoe Asara

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.