Befeqadu Hailu: Mpanoratra Etiopiana Tsy Manaiky Tampenam-bava

Picture 144

Asmamaw, Befeqadu (eo afovoany) sy Edom mandray anjara amin'ny fifaninanana hazakazaka nokarakaraina tao Addis Ababa. Sary avy amin'ny fianakaviana.

Tamin'ny Aprily 2014, bilaogera sy mpanao gazety sivy no nosamborina tao Ethiopia. Maro tamin'ireo lehilahy sy vehivavy ireo no niara-niasa tamin'ny bilaogy iombonana Zone9 izay nitatitra momba ny olana ara-tsosialy sy ara-politika ao Ethiopia ary nampiroborobo ny zon'olombelona sy ny fandraisana andraikitry ny governemanta. Mpanoratra ato amin'ny Global Voices ny efatra amin'izy ireo. Tamin'ny volana Jolay 2014, voampanga teo ambanin'ny Fanambarana Manohitra ny Fampihorohoroana ao amin'ny firenena izy ireo. Niakatra fitsarana izy ireo nanomboka teo ary nahemotra foana ny fotoam-pitsaran'izy ireo.

Manamarika ny andian-dahatsoratra faha-efatra avoakanay ity – “Manana Anarana Izy Ireo” – izay mikasa hanasongadina ireo bilaogera tsirairay any am-ponja amin’izao fotoana izao. Maniry hanome lanja ny maha-olona azy ireo izahay mba hilaza ny tantaran'izy ireo manokana sy ny fidirambolany. Avy amin'i Nwachukwu Egbunike, poety Nizeriana, mpanoratra ary bilaogera miara-miasa ato amin'ny Global Voices nanomboka tamin'ny 2011 ity tantara ity.

Mpanoratra Ethiopiana tsy afaka hampangina ny feon'ny fieritreretany eo anatrehan'ny herisetra sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao amin'ny fireneny i Befeqadu Hailu. Noho izany, any an-tranomaizina izy amin'izao fotoana izao.

Ny tantara noforoniny, Children of Their Parents [Zanaky ny Ray Aman-dReniny] no nahazo ny loka 2012 Burt hoan'ny Literatiora Afrikana. Manoratra tononkalo ihany koa izy. Hany ka toy ny mandeha ho azy raha hita amin'ny famahanam-bolongana izay fankamamiany izany sy ny nahatonga azy ho mpiara-manorina ny famahanam-bolongana iraisana Zone9.

befeqe book

Tamin'ny fampiasana ny Internety, nataon'i Befeqadu ho velona ny teny tsy tontan'ny elan'ny raiben'ny literatiora Afrikana, Chinua Achebe hoe: “ny artista, amin'ny fahazoako ny vomabolana, dia tokony hijoro miaraka amin'ny vahoaka manohitra ny Amperora manao tsindrihazolena ny vahoakany.” For doing this, Befequadu was deprived of his freedom.

Befeqadu sy ireo valo hafa dia ampangaina ho manao fampihorohoroana ary hofonjaina hatramin'ny Aprily 2014.  Saingy ireo mpanao ny tsy mety no mpampigadra azy: governemanta mandrara feo manivaka. Izay indrindra no heloka lehiben'i Befeqadu sy ireo mpiara-miasa aminy. Tsy manaiky hanaraka ny fenitra hangina izy ireo. Tsy mila ampianarina ny mpanoratra rehetra izany toetra izany, dia ny adidy tsy hangina. Tsy azon'ny fandrahonan'ny fanjakana tampenana anaty tavoahangy ny poezia ao amin'ny lalandran'i Befequadu na ampanginin'ny baravin'ny tranomaizina.

Manoratra hatrany am-ponja, tsy mety vaky ny faniriana matanjak'i Befeqadu tsy azo avily lalana. Tao amin'ny taratasy iray mamariparitra ny zavaniainany tao anaty volana vitsivitsy namonjana azy, lazalazainy ny famotopotorana miverimberina zakainy amin'ny manampahefana manontany azy hoe, “ka inona izany no ieritreretanareo ny heloka nataonareo?” Nampitainy io fanontaniana io:

“So what do you think is your crime?”

The question is intriguing. It sheds light on our innocence, on our refusal to acknowledge whatever crimes our captors suspect us of committing. Yes, they probed us severely, but each session ended with same question. The investigation was not meant to prove or disprove our offenses. It was meant simply to make us plead guilty.

After two years of writing and working to engage citizens in political debate, we have been apprehended and investigated. Blame is being laid upon us for committing criminal acts, for supposedly being members and “accepting the missions” of [opposition political parties]…

[…]

No matter what, boundaries exist in this country. People who write about Ethiopia’s political reality will face the threat of incarceration as long as they live here.

We believe that everyone who experiences this reality, dreading the consequences of expressing their views, lives in the outer ring of the prison – the nation itself. That is why we call our blog Zone9.

Ka inona izany no ieritreretanareo ny heloka nataonareo?

Mahalasa saina ny fanontaniana. Manome hazavana amin'ny mahatsy manatsiny anay izany, amin'ny fitsipahanay tsy hanaiky ny heloka hiahiahian'ny mpisamboatra anay. Henjana ny famotopotorana ataony aminay, fa miafara amin'io fanontaniana io hatrany ny fanadihadiana tsy mitsahatra ataony aminay. Tsy natao hanaporofoana ny heloka vita na tsy vitanay ny fanadihadiana fa natao hahatonga anay hanambara tena ho meloka fotsiny.

Taorian'ny roa taona nanoratanay sy niasanay hampiditra ny olompirenena ao anaty adihevitra politika, dia nosamborina sy nohadihadiana izahay. Treronina izahay ho nanao heloka bevava, ho lazaina fa mpikambaa sy “nanaiky ny iraka” nampanaovin'ny antoko mpanohitra…

[…]

Tsy maninona, mbola misy fefifefy eto amin'ity firenena ity. Rahonana higadra izay olona miresaka ny zavamisy ara-politika momba an'i Ethiopia raha mbola monina ao.

Mino izahay fa miaina izany zavamisy izany ny rehetra, matin'ny hetahetan'ny fiantraikan'ny fanehoana ny fomba fijeriny, miaina ao amin'ny faritra hafan'ny fonja – dia ny firenena mihitsy. Izany no antony niantsoanay ny blaoginay hoe Zone9

Ny fandanjalanjana izany fanontaniana izany: “ka inona izany no ieritreretanareo ny heloka nataonareo?” sy ny valiny mifandraika amin'izany fanontaniana izany no manome hazavana ny toerana mampihomehy misy ny mpanagadra (mbola voagadran'ny tahotra) sy ny gadraina (manana fahafahana ao anatiny ao). Ao amin'ny tenin'i Wole Soyinka, “ny boky sy ny karazam-panoratana rehetra dia fampihorohoroana hoan'ireo izay maniry ny hanafoana ny fahamarinana.”

Ay am-ponja i Befequadu satria nanoratra hoe :

Digital drawing of Befeqadu Hailu by Melody Sundberg [Image used with permission]

Fanoritana nomerikan'i Befeqadu Hailu nataon'i  Melody Sundberg

Weaving stories untold
Lauding stories unheard
Shouting for gagged voices
Serving rising voices

From the four compass points
From sun's rising to its setting
From the Atlantic to the Sahara
Let a mighty echo arise, #FreeZone9Bloggers!

Manofahofa tantara tsy filaza
Manandratra tantara tsy fandre
Mitabataba feo nohanihaniana
Manompo feo misandratra

Avy amin'ny vazantany efatra
Avy amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filetehany
Hatrany Atlantika ka hatrany Sahara
Avelao ny ako matanjaka iray hiposaka #AvotsotyBlaogeraZone9

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.