Vono Mpianatra Zazavavy Valo Taona tao Taiwan Miteraka Adihevitra Indray amin'ny Didy Fanamelohana Ho Faty

A sign in Taiwan's airport warns that drug trafficking is punishable by death in Taiwan. Photo by Flickr user Eddie Gustavsson. CC BY-NC 2.0

Marika ao amin'ny seranam-piaramanidina Taiwan mampitandrina fa saziana ho faty ao Taiwan ny trafikan-drongony. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr Eddie Gustavsson. CC BY-NC 2.0

Niteraka adihevitra mafana momba ny sazy farany ambony ao Taiwan ny vono olona nahazo ilay zazavavy 8 taona.

Novonoin'olona tsy fantatra tao amin'ny sekoly fanabeazana fototra ianarany ilay zazavavy, antsoin'ny fampahalalam-baovao ao an-toerana hoe “Liu Kilongavavy Kely”. Naka azy an-keriny tamin'ny kisendrasedra ilay ahiahiana raha nandeha irery hamonjy ny trano fivoahana izy, izay voamariky ny polisy fa ilay 29 taona, antsoina hoe Kung Chung-an ilay nanafika. Nilaza tamin'ny polisy izy fa nanao izany satria lazaina fa izy no lasibatra mora azo indrindra ary ny feo tao an-dohany, izay nolazainy fa niresaka taminy nandritra ny fotoana ela, no nilaza azy ny hanao izany.

Efa navoaka ny didy fanamelohana ho faty tamin'ny herintaona noho ny fanaovana herisetra ny lehilahy iray 21 taona mpankafy fientanam-po raha namono olona tsy mana-tsiny efatra tao amin'ny metron'ny tanàna .

Mankato ny fanamelohana ho faty ny ankamaroan'ny Taiwaney ary hisy fiantraikany lehibe amin'ny fanapahan-kevitr'izy ireo amin'izay ho fidiana amin'ny fifidianana izany. Araka ny fitsapan-kevitra antserasera vao haingana, 81% tamin'ireo nifidy no tsy mankasitraka ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty. Eto, na dia eo aza ny fanasoniavana ny Fifanekena Iraisampirenena momba ny Zo Sivily sy Politika sy ny Fifanekena Iraisampirenena momba ny Zo Ara-toekarena, Sosialy sy Kolontsina, mbola ataon'ny governemanta ho azo isafidianana ampiharina amin'ny heloka bevava tahaka ny vono olona, ​​famadihana tanindrazana sy ny fakàna an-keriny (na izany aza, ny ankamaroan'ny heloka bevava izay mahazo fanamelohana ho faty dia ny vono olona) ny fanamelohana ho faty. Ny fanatanterahan'ny fanjakana ny famonoana ho faty amin'izao fotoana izao dia amin'ny alalan'ny fitifirana.

Mametraka fanamby lehibe amin'ny hetsika hanafoanana ny sazy fanamelohana ho faty tohanan'ireo vondrona marobe mpiaro ny zon'olombelona ao an-toerana ity vono olona farany ity. Manoloana ny adihevitra vaovao teo amin'ny vahoaka, niditra aterineto ireo mpikatroka ny zon'olombelona mba hampatsiahy ny olona fa tsy hanakana mihitsy ny vono olona hafa tsy hitranga ny fanamelohana ho faty.

Araka ny nolazain'ny Fiarahan-Dian'i Taiwan Hanafoana ny Sazy Fanamelohana ho faty tamin'ny fanambarana an-gazety nataony vao haingana :

「當我們凝視暴力,我們必須停止以施暴者的邏輯來回應暴力。冷靜下來,把多餘的標籤撕下,才能阻止任何人成為不在乎一死而施暴的人。 」…在這樣令人心痛的時候,台灣人民別無選擇,只能一起面對,共同找出度過這些社會危機的方式。

Raha vao miatrika herisetra isika,  tokony tsy mampiasa fihetsika feno herisetra ho famaliana ilay mpanafika. Mila manaisotra mangingina ireo famantarana isika mba hanakanana ny olona tsy ho taitra amin'ny fahafatesana sy ny herisetra … Amin'izao fotoana maharary izao, tsy manan-tsafidy  afa-tsy ny tonga miaraka sy miara-miatrika ity krizy ity, sy mitady fomba handresena izany ny Taiwaney

Etsy andaniny, ny vondrona mpanohana ny fanamelohana ho faty ao amin'ny Facebook “Object to Abolition of Death Penalty” dia niantso ny hanaovana famoriam-bahoaka eo anoloan'ny mpanao lalàna ao amin'ny firenena mba hanohy hampihatra ny sazy fanamelohana ho faty ary mandrisika ny hametrahana lalàna henjana hoan'ny meloka. Mihevitra ny sasany fa tokony hosaziana ho faty ireo rehetra voaheloka noho ny famonoana ankizy na famonoana olona faobe.

Ao anatin'ny adihevitra antserasera eo amin'ireo vondrona mpanohana sy mpanohitra ny fanamelohana ho faty, maro no misafidy tsy hitanila (sady tsy manohitra no tsy manohana) mikasika ny lohahevitra. Mpiserasera antsoina hoe Huang naneho hevitra :

對廢不廢死這個問題還沒有深思過,但是看了贊成廢死和反對廢死的說法,感覺廢死聯盟的想的比較深,邏輯性比較強;反廢死的想法比較淺,比較情緒性。不過怎麼作比較好,我想是沒有定論的

Mikasika ny lohahevitra fanafoanana ny fanamelohana ho faty, tsy dia manan-kevitra lalina momba izany aho, fa mamaky fotsiny ny fomba fijerin'ny andaniny sy ny ankilany, tsapako fa toa manana fanazavana lalina sy mitombina kokoa ny Fikambanana Ho amin'ny Fanafoanana ny Fanamelohana ho faty ary toa endrika ivelany sy ara-pihetsehampo kokoa ny hevitr'ireo mpanohana ny fanamelohana ho faty. Na izany aza,  tsy mbola nandray fanapahan-kevitra mikasika izay fomba tsara indrindra hanaovana izany aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.