‘Matoria Amin'izay, Izany Zanako Izany’ Miaraka Amin'ireo Hira Fandrotsirotsiana Heno Maneran-Tany

Fanamarihan'ny Rising Voices: Ity lahatsoratra manaraka ity dia nosoratan'i Yásnaya Aguilar ho an'i Este Páis tamin'ny voalohany ary naverina navoaka indray taorian'ny nahazoana alàlana. Afaka jerena eto ireo lahatsoratra hafa mikasika hira fandrotsirotsiana ato amin'ny Global Voices.

Any amin'ny vondrom-piarahamonina Meksikana Mixe sasany ao amin'ny fanjakan'i Oaxaca, finoana ny hoe teraka manan-karena eo amin'ny fiteny ireo zazakely vao menavava: mahay ny fiteny iraisan'ny rehetra izy ireo izay voavolavolany tsara aty aoriana amin'ny alalan'ny teny ampiasain'ny olon-dehibe mandra-pahatongan'izy ireo hahafehy tsara ilay diamondra tsy misy pentina: dia ny fiteny Ayuujk izany. Any anaty nofintsika, dia indraindray mety mbola afaka mampiasa io fiteny fampiasan'ny olon-drehetra niara-teraka tamintsika io isika ary mbola io ihany koa no ampiasaintsika rehefa manomboka mahatsapa isika fa tsy mandeha amin'ny laoniny intsony ny fomba fisainantsika na koa rehefa mihamanakaiky ny andro hahafatesantsika. Mbola ireo fiteny iraisantsika amin'ny olon-drehetra ireo ihany no mampifandray antsika amin'ny tontolon'ny any ankoatra, izay angamba mitovy amin'ny tontolon'ireo tsy mbola teraka na koa ireo izay tsy mbola tontoronina.

Samy manana ny fomba fijeriny miavaka tsara ny kolontsaina tsirairay avy momba ny fomba ahazoana ny fiteny rehetra ary raha amin'ny fomba fijery siantifika dia misy adihevitra mafàna mihitsy mikasika ireo fomba fijery maro samihafa azy io.

Hira fandrotsirotsiana amin'ny fiteny Otomí nataon'ny fianakaviana Oto-Manguean:

Manomboka any alohan'ny fahaterahana ny fifandraisan'ny tontolon'ny fiteny sy ny zazakely, satria maheno ny fitenin'ny Reniny izy ireo, eny na dia tsy mitovy aza ny dikan'ny hoe “tenin-dreny” sy ny hoe “fitenin'ilay Reny,” efa misy fifandraisana ara-teny voalohany sahady eo amin'ny Reny sy ny zanaka.

Tsy mahagaga raha lasa natao hampanginana tomany ny teny, manampy ny zaza mba hatory, na ihany koa milaza teny fankaherezana na fampanantenana. Matetika izy io dia ampitaina am-bava, fitaratry ny fomba fandraisana amin'ny alàlan'ny kolontsaina ara-mozika sy ny tononkira ny antsointsika hoe fahazazàna ny hira fandrotsirotsiana. Samy manana ny hira fandrotsirotsiany sy ny tanjona kendrena amin'izany avy ny kolontsaina tsirairay: ny hira fandrotsirotsiana amin'ny fiteny Seri (ilay lahatsary hita any amin'ny voalohan'ity lahatsoratra ity) izay fitenin'ny vahoaka Seri any amin'ny faritra amorontsirak'i SonoraMeksika, ohatra, dia tsy natao hohiraina mba hampatoriana zaza velively na koa hampitsaharana ny ranomasony, fa kosa “mba hamporisihana tsikelikely ny ankizivavy hanana ny herintsaina hitolona, amin'izay mantsy rehefa mihalehibe izy ireo dia mahay miatrika ny olana mitranga eto amin'ity tany ity,” araka ny voalazan'ireo tononkira.

Hira fandrotsirotsiana amin'ny fiteny Náhuatl:

Tononina am-bava ny hira fandrotsirotsiana, noforonina indrindra hahafahan'ny olona mifandray izy samy izy amin'ny alalan'ny fiteny mba hifindràn'ny lova ara-pitenenana avy amin'ny kolontsaina iainan'ny zazakely vao teraka. Ireo hira fandrotsirotsiana ireo no vato fanorenana hjo an'ny teny izay atolotra ny ankizy mianatra miaina eto amin'izao tontolo izao. Afaka avantana ho  amin'ny zazakely ny tononkira fandrotsirotsiana na afaka atao raikipohin'ny fiteny mba hisarihana sahady ny toetra koa ny làlana iriana ho an'ireo zaza menavava vao teraka.

Hira fandrotsirotsiana amin'ny fiteny Toba:

Tamin'ny taona 2010, nisy mpivady iray nirotsaka nanao tetikasa nantsoiny hoe “La Furgonana,” nitondran'izy ireo fiara nitety an'i Amerika Latina ary nanao fanadihadiana mikasika ny toeran'ny zon'ny ankizy sy ny mombamomban'ny hira fandrotsirotsiana rehetra fampiasan'ny mponina amin'ny toerana maromaro samihafa izay notsidihan'izy ireo, eny na ireo amin'ny fiteny hafa ankoatran'ny fiteny Espaniola aza.

Lasa làlana iray azo hitarihana ny zazakely ho amin'ny fahafantarany ny fahasamihafan'ny fiteny rehetra maneran-tany ny hira fandrotsirotsiana. Ny lahatsary ato anatin'ity lahatsoratra ity dia fantina vitsivitsy tamin'ireo hira fandrotsirotsiana amin'ny fiteny maro samihafa izay manampy ny zazakely amin'ny fitadiavana torimaso na hanomezana herintsaina eo amin'izy ireo satria tsy voafaritry ny fiteny ny torimaso sy ny herim-po.

Misy hira fandrotsirotsiana hita ihany koa aty anaty aterineto, amin'ny fiteny Anglisy, Mixteco, Lakota, ary Judaeo-Spanish (Ladino).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.