Mpikatroka Rosiana: Mampiasa Ny Kiraro Avo Vodintongotra Sy Rojon'Alika Hanoherana Ny ‘Lalàn'ireo Tsy Mifaditra Ovana’

Polina Nemirovsky (left) and Olga Borisova (right), June 2, 2015. St. Petersburg, Russia. Photo: Facebook.

Polina Nemirovsky (havia) sy Olga Borisova (havanana), 2 Jona 2015. St. Petersburg, Rosia. Sary: Facebook. Soratra mivaky hoe : “Sampandraharaha Federaly Misahana ny Fonja—Hamay ity androany.”

Dinihan'ireo Rosiana mpanao lalàna amin'izao fotoana izao ny hanaovana lalàna hanomezana fahafaha-mihetsika midadasika kokoa ho an'ireo mpiandry fonja rehefa hifehy ireo mpifonja mazan-doha. Napetraka tao amin'ny Domà tamin'ny May lasa iny, ilay “lalàn'ireo tsy mifaditra ovana”, araka ny iantsoan'ireo mpanakiana azy, dia mety hanitatra ny raharaha izay azon'ireo mpiandry fonja ampiasàna hery—hatramin'ireo fepetra mahafaty—rehefa miatrika ny zavatra rehetra miainga avy amin'ny famakiana fonja ka hatramin'ny gadra iray tsy manaiky fandaminana.  Raha toa ny lalàna misy ankehitriny ka mitaky fihalefahana kokoa amin'izay mety ho dona manjo ireo mpifonja, ilay lalàna vaovao indray dia mety hanipika fotsiny ny hoe aiza no tsy azon'ireo mpiambina kasihana amin'ireo mpifonja (eny amin'ny loha na ny tenda, ohatra), rehefa mampiasa herim-bàtana.

Tezitra mafy noho ilay tolo-dalàna ireo Rosiana mpikatroka mafàna fo, ka nametraka andiana hetsi-panoherana madinidinika mba ho andrana hanairana ny saina, na dia hoe mifantoka kokoa amin'ny ezaky ny governemanta mba hamoaka lalàna hanilihana ireo “fikambanana tsy lanin'ny vavoniny”  sy ireo “vahiny mpitsikilo” aza ny sain'ny daholobe tato ho ato.

Mihetsika Ny Mpiambina ny Lapa

Ny 29 May, andro roa taorian'ny nampidirana ilay tolo-dalàna ho ao amin'ny Domà, vitsivitsy tamin'ireo bekotro maroholatra ao Rosia no nanao laharan-tokana teo ivelan'ny parlemanta. Na i  Lyudmila Alexeyeva, 87 taona aza dia nifanome tànana hitazona sorabaventy iray nivaky hoe, “Toheriko ireo Lalàna tsy Mifaditra Ovana.”

Ny herinandro taorian'io, ny 3 Jona, niseho tao amin'ny fahitalavitra Rosiana tsy miankina, TV Rain, i Alexeyeva, tao izy no nivoady hampiasa ny toerana vao niverenany noraisina ao anatin'ny vondron'ireo mpanolotsaina ny filoham-pirenena mba hanaitra an'i Putin sy hangataka azy tsy hanasonia ilay tolo-dalàna, raha ho tonga eo ambonin'ny latabany ilay izy.

“Azoko antoka fa tsy hahazo fankatoavana ilay lalàna,” hoy i Alexeyeva,  avy eo izy nanampy tamim-pisalasalàna hoe, “satria, tsy fantatro, mety hanao hetsi-panoherana azy io amin'izay fomba rehetra azo atao aho na handoa-danitra aza. Ohatra hoe, hanomboka fitokonana tsy mihinan-kanina.”

Ity ny Ankehitriny

Polina Nemirovsky (havia) sy Olga Borisova (havanana), 2 Jona 2015. St. Petersburg, Rosia. Sary: Facebook. Soratra mivaky hoe : “Sampandraharaha Federaly Misahana ny Fonja—Hamay ity androany.”

Andro iray talohan'ny fandrahonan'i Alexeyeva hanao fitokonana tsy mihinan-kanina, nanao fihetsiketsehana tsy dia nahazatra loatra tao St. Petersburg ny mpikambana iray ao amin'ny antoko mpanohitra RPR-PARNAS sady mpikatroka mafana fo mpiaro zon'olombelona mba hanoherana ireo “Lalàna tsy Mifaditra Ovana”. Tao anaty doka feno eso ho fampahafantarana ilay lalànan'ny Domà  miteraka resabe,  nitafy toy ny andevo sy mpambina fonja natao somary manaitaitra filàna ry Olga Borisova, serzà zandriny fahiny tao amin'ny polisy monisipaly, ary i Polina Nemirovsky, mpikatroka mafana fo miaraka amin'ilay vondrona mpiaro ny zon'ny voafonja, Zona Prava (naorin'ireo mpikambana ao amin'ny Pussy Riot). Taty aoriana ireo vehivavy ireo dia nampakatra sary avy amin'ilay fampisehoana, narahana teny filamatra hoe, “Ny Sampandraharaha Federaly Misahana ny Fonja—Hamay ity androany..”

Namakivaky an'i St. Petersburg ireo vehivavy roa, niato teo amin'ny fampirantiana sary vaovao tohanan'ny tanàna ary natokana ho an'ny fahombiazan'i Rosia tamin'ireo Lalao Olaimpika 2014 tao Sochi. Ahitàna ny sarin'ireo Rosiana tompondaka Olaimpika ilay fampirantiana, hatramin'ireo sary lehibe an'i Vladimir Putine, ahitàna azy eo afovoan'ireo “maherifon'ny Olaimpika”. Nataon'i Borisova sy Nemirovsky tsara izay hahazoana antoka fa ho azo saripika eo anoloan'ny sarin'ny Filoha ry zareo.

Milaza i Borisova fa vao haingana no nitsiry tao aminy ilay hevitra ary nifandray tamin'i Andrei Pivovarov, mpiara-mitarika ny PRP-PARNAS izy tao St. Petersburg, izay nanohana ilay fomba fijery. Avy eo, nampidirin'i Borisova ny namany, Nemirovsky, izay nanoratra ny teny faneva “hamay-ity-androany”. Lazain'ireto vehivavy fa fantany hoe tsy ny olona rehetra no hankasitraka ny fitafy manaitaitra isalorany ho firesahana ilay olana, saingy ambaran-dry zareo fa ny hany zavatra tokana mampiasa saina dia ny fisarihana ny sain'ny olona ho amin'ilay fanaovana lalàna. “Ho an'ny olona tsotra dia mahasorena ny politika, ary miaraka amin'io fakàna sary io dia voasarikay ny sain-dry zareo. Vokany, hifantoka amin'izay antony nanaovana azy iny ny olona,” hoy i Borisova tamin'ny RuNet Echo.

Tahàka izany koa, tsy misy nenina ho an'i Nemirovsky, tamin'ny nilazàny fa tsy dia raharahainy loatra ny fomba hisarihana ny sain'ny olona ho amin'ireo “Lalàna tsy Mifaditra Ovana”, rehefa betsaka fotsiny ny olona mahafantatra ny momba azy. “Afaka mijoro manohy ilay laharan-tokana ianareo, afaka manasoania ny fitakiana, na afaka manao zavatra toy ny nataonay. Lafy roa samihafa fa samy ilaina no misy amin'ny vola vy,” hoy izy nanoratra tao amin'ny Facebook.

Ilay lalàna

Ilay lalàna fototry ny resaka, tolo-dalàna laharana 802242-6, dia manome alàlana ireo mpiandry fonja hampiasa valinkafatra miisa 13 mahery setra amin'ireo mpifonja izay manambana azy ireny na tsy manaiky fandaminana ao am-ponja: kibay manokana, entona manokana, rojo vy sy fangiazana hafa, fitaovana fandoroana amin'ny herinaratra, alika mpiambina, fitaovana manokana mahajambena sy mankarenina, fangiazana takian'ny fitaterana, fitaovana hafa fanangolena, tafondron-drano, fiara mifono vy, fibahanana fifamoivoizana, ary fitaovana famakiana sakan-dàlana.

Mitohy mihatra ny fameperana sasany, toy ny filàna fahazoan-dàlana ho an'ny talen'ny fonja alohan'ny hampiasàny tafondron-drano sy fiara mifono vy, saingy avela ho fanapahankevitra manokan'ireo mpiambina fonja ny fampiasàna ny ankamaroan'ireo fitaovana hafa. Raha misy tranga nahafatesana mpifonja iray tamin'ireny faneriterena ireny, omen'ilay lalàna vaovao 24 ora feno ireo manampahefana miandraikitra ny fonja alohan'ny tsy maintsy hampandrenesany ny polisy.

Ny 5 Jona, ny lehiben'ny Sampandraharaha Federaly Misahana ny Fonja ao Rosia dia nilaza fa “tsy zava-baovao” akory ilay lalàna, tamin'ny filazàna fa “manazava fotsiny ny fotoana ahazoan'ny mpiambina iray mampiasa herim-bàtana ilay izy.”

Ho an'i Oksana Trufanova, mpanara-maso ny resaka zon'olombelona ao Chelyabinsk, mpanohana ara-bola an'ilay fanaovana lalàna ireo manampahefan'ny fonja Rosiana, amin'ny fanosehana azy io ho tonga any amin'ny parlemanta mba ho laniana sy hahamora ny fananan-karena amin'ny fampijaliana ireo mpifonja.  “Resaka fandraharahàna fotsiny ny fampijaliana. Omeo ny volanareo, raha tsy tianareo ny ho voadaroka, raha tianareo ny hoentina tahaka ny olombelona; omeo ny volanareo, raha toa te-hihinana sakafo mendrika. tsy ela akory izay, hoy i Trufanova hoe : “Misy ampahany goavana tena anjakàn'ny kolikoly ao anatin'ny rafitry ny fonja ao”. Mihevitra ihany koa izy fa mety inian'ireo manampahefan'ny fonja atao ny mampiaina fepetra tsy eran'ny ainy an'ireo voafonja, mba hisian'ny fikomiana entina hanamarinana ny lalàna toy ity “Lalàna tsy Mifaditra Ovana” ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.