‘Tsy Heloka Bevava Ny Fanoratana Rindrambaiko': Any Am-ponja No Mankalaza Ny Faha-40 Taonany Ilay Iraniana Mpamorona Tranonkala

Photo from @malekpourm on Twitter.

Sary avy amin'i @malekpourm tao amin'ny Twitter.

Any am-ponja i Saeed Malekpour, ilay Iraniana mpanoratra rindrambaiko, no hankalaza ny faha-40 taonany, toerana mbola hanefàny ny sazy enina taona an-tranomaizina noho ny namoronany rindrambaiko manana loharano misokatra izay azon'ny hafa nampiasaina nampakarana sary vetaveta tety amin'ny aterineto.

Ohatra iray amin'ny fampiasàna horohoro ataon'ny manampahefana Iraniana ny tantarany, mba hifehezana ny tontolon'ny aterineto ao amin'ny firenena. Voasambotra tamin'ny 2008 i Saeed noho ny fiampangana azy ho manohintohina ny filaminam-pirenena amin'ny fanelezana hevitra manohitra ny rafitra, saingy tsy ampy ny porofo hamelezana azy. Nandany ny fotoana nitanana azy taminà fanokana-monina izy ary noterena hanao fiaiken-keloka — naely be tao amin'ny fahita lavi-panjakana tamin'ny 2010 — izay azo noho ny fampijaliana. Tafiditra tao anatin'ny fomba nahazoana ireny fiaikena heloka ireny ny fandoroana tamin'ny herinaratra ary ny fandrahonana fanolanana.

Tany ampiandohana dia nohelohina ho faty izy, taorian'izay inoan'ireo mpikatroka mafàna fo sasantsasany ho noho ny fifantohan'ny sain'ny manerantany sy ny tsindry avy ao anatiny nanaratsy lahatra ny Mpitondra Faratampony ao Iràna, Ayatollah Khamenei, hanafoana ilay sazy fanamelohana ho faty.

Ny fisamborana an'i Saeed, izay tsinjon'ny rehetra ho toy ny fomba entina mamboly tahotra sy fanarahamaso, dia nifanandrify tamin'ny fanombohan'ny politika fanarahamaso henjana ny aterineto taorian'ny nahalanian'ilay lalàna iray tao Iràna tamin'ny 2008 momba ny heloka bevava atao amin'ny aterineto.

Amin'ity herinandro ity, marobe ireo Iraniana avy ao anatiny sy ivelan'ny firenena no mikarakara fihaonana ao Berlin ho an'ny iBridges mba hankalaza ny fihamaroan'ireo mpandraharaha sy ny sehatry ny taninketsan'ny teknolojia vao miantomboka. Raha zavatra tokony hotehafana ny fandrosoana sy ny fitaran'ny vintana ahafahan'ny vahoaka ao Iràna manao zavatra, dia tsy tokony ho hadinoina kosa ireo nidiran'izay matsatso noho ny politikan'ny aterineto ao Iràna.

Herintaona katroka izao, marobe tao anatin'ny vondrom-piarahamonin'ireo mpandàla ny fahalalahan'ny aterineto no nijoro nisolo vava ny hamoahana am-ponja ireo bilaogera momba ny teknolojia fantatra amin'ny hoe Narenji. Nisy fandresena kely ihany rehefa injay ry zareo ireo navotsotra tamin'ny Oktobra lasa iny.

Saingy mbola isan'ireo mpamorona rindrambaiko azo isaina amin'ny rantsan-tànana manefa sazy an-tranomaizina tsy hay hoe mandram-pahoviana i Saeed. Isan'ireny ry Vahid Asghari, bilaogera Iraniana sady mpianatra momba ny fampitam-baovao sy ny teknolojia, sy Hassan Siskati, iray hafa mpamorona rindrambaiko ary mpikatroka mafàna fo ety anaty aterineto.

Tao anaty imailaka iray nalefan'ny anabavin'i Saeed, Maryam Malekpour, izay monina any Kanadà amin'izao fotoana izao, dia nolazainy tamin'ny Global Voices fa nanomboka fanentanana iray ho an'ny anadahiny izy sy ny vondrona iray misy mpikatroka mafàna, ampiasàna ny tenifototra hoe #FreeSaeedMalekpour (avotsory SaeedMalekpour) #HBDSaeed (Arahaba Nahatratra Ny Fetinao) sy #LifesNotFair (Miangatra Ny Fiainana).

Nifandray taminà mpikirakira teknolojian'ny fampitam-baovao sy mpikatroka mafàna fo vitsivitsy ety anaty aterineto ny Global Voices mba haneho hevitra momba ny faha-40 taonan'i Saeed any am-ponja. 

Mehdi Yahyanejad, mpanorina ny Balatarin, tranonkala Sosialy sy Politika amin'ny teny Persiana, dia niteny toy ity momba ny fanohizana ny fitànana am-ponja an'i Saeed:

Tsy rariny ny fanohizan'ny governemanta Iraniana mitàna am-ponja injeniera iray manana talenta satria hoe fotsiny ny rindrambaiko noforoniny no nampiasain'ny sasany hanaovana zavatra tsy araka ny lalàna. Miaraka amin'izany lojika izany, isaky ny misy mpijirika mampiasa ny Gmail mba hanaovana hosoka, tokony hisy koa injeniera iray ao amin'ny Google hosamborina.

Manantena aho fa ho afaka hankalazaina toy ny olona afaka ny fahatsiarovana ny nahaterahan'i Saeed.

Amir Rashidi, Iraniana iray mpikaroka amin'ny aterineto sady mpikatroka mafàna fo, nilaza tamin'ny Global Voices izao manaraka izao tao anaty imailaka:

یک تکه کد متن باز در هر سیستمی می‌تواند استفاده شود. درست مثل خیلی از بخش‌های نرم‌افزارهای ملی ایران مثل اپلیکیشن ساینا و موتورهای جستجوی ملی. یک برنامه نویس متن باز مخصوصا اگر کدی عمومی را تولید کند، بعد از تولید کد مسوولیتی در مورد استفاده افراد از کد وی را ندارد. شما میتوانید با یک تکد کد نوشته شده توسط سعید عکس‌های پورنوگرافی آپلود کنید و یا عکس‌های مذهبی. اما عدم شناخت از کار افرادی مانند سعید تنها مشکل کشور ما نیست. در کشور ما قوانین روشن و مشخصی در مورد جرايم سایبری نیز وجود ندارد. سعید قربانی عدم شناخت حاکمیت از کارش و عدم وجود قوانین روشن و شفاف سایبری شده است.
تبریک تولد سعید به زبان کامپیوتر(Binary):
01001000 01100001 01110000 01110000 01111001 00100000 01100010 01101001 01110010 01110100 01101000 01100100 01100001 01111001 

Azo ampiasaina amin'ny fotodrafitrasa rehetra ny ampahana rindrambaiko misokatra. Tsy misy hafa amin'ireo fandaharanasa rindrambaiko marobe an'ny firenena, toy ilay fampiasa Saina sy ny milina fikarohana nasionaly. Ny olona iray mpamorona rindrambaiko misokatra izay mandefa ny asany ho an'ny daholobe dia tsy tomponandraikitra intsony amin'ny fampiasàna iny asany iny taorian'ny namoahany azy. Miaraka amin'ny loharano misokatra nataon'i Saeed, azontsika atao ny manangana rindrambaiko iray na mampàkatra sary vetaveta na sary masina koa. Indrisy, eto amin'ny firenentsika, tsy ny tsy fahampian'ny fahatakàrana ny asa vitan'ny tsirairay toa an'i Saeed fotsiny no olana. Tsy misy lalàna mazava eto amin'ny firenentsika momba ny heloka bevava atao amin'ny aterineto. Mizaka ny vokatry ny tsy fahampian'ny fahatakàran'ny fitondràna ny asa nataony i Saeed,ary ny tsy fisian'ny fitsipika mazava sy mangarahara mifehy ny tontolon'ny aterineto.

Fiarahabana an'i Saeed nahatratra ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany, natao tamin'ny fitenin'ny solosaina azy (Binary):

01001000 01100001 01110000 01110000 01111001 00100000 01100010 01101001 01110010 01110100 01101000 01100100 01100001 01111001

Nima Fatemi, Iraniana mpanoratra rindrambaiko maimaimpoana sy ho an'ny Tor, niteny tamin'ny Global Voices toy izao manaraka izao:

Tena mirary soa noho ny fahatratrarana ny andro nahaterahana ho an'i Saeed izay lesona lehibe ny tantarany momba ny maha-zava-dehibe ny fanoratana rindrambaiko maimaimpoana sy ny fanitàrana izay kolontsaina izay. Tsy heloka bevava ny fanoratana rindrambaiko ary tsy misy olona eto ambonin'ny tany tokony hohenjehina noho izany.  Ny tsirairay, isan'izany ny governemanta, dia samy mahazo tombony avokoa avy amin'ny rindrambaiko malalaka ary manohintohina fatratra anay amin'ny maha-vondrom-piarahamonina anay ny fihetsika tahaka izao. Ny soatoavina voalohany sy manana ny lanjany ho an'io vondrom-piarahamonina [rindrambaiko malalaka] io dia ny ‘fahalalahana’, ary tokony hiasa miaraka, mafy, isika mba hiarovana azy.

Mohamed Hassan, Bahraini mpikatroka mafàna fo, bilaogera momba ny teknolojian'ny fifandraisana sy fampitam-baovao, no sady mpanoratra teo aloha ho an'ny Global Voices, nofonjaina tany Bahrain noho ny zavatra nosoratany, nilaza taminay hoe:

Efa tamin'ny toerana toy io ka mahatsapa aho ho toy ny mifamatotra amin'i Saeed, ny fonja dia toy ny hoe fangalàrana aminao ny nofinao, resaka tahotra io, tahotra ny amin'ireo izay nilaozantsika any ivelan'ny fonja, tahotra ny tontolo izay hiverina hiditra indray. Bandy iray tao am-ponja no niteny tamiko fa tokony hatsahatrao ny manampy ireo taona laninao tany am-ponja amin'ny taona niainanao,satria ny taona dia refesina amin'ny fandrosoana vitantsika ary any am-ponja tsy misy fandrosoana nataonao.

Tokony ho fampahatsiahivana ho an'ny sisa rehetra ny fahatratraran'i Saeed ny andro nahaterahany fa hoe raha mbola mandroso ao anatin'ny fotoana isika dia tsy maintsy mahatsiahy ireo miaina ivelan'ny fotoana, ireo izay tsy mitombo fahanterana araka ny iainantsika azy.
Mivavaka ho an'ny famotsorana an'i Saeed sy ny fitoniana ho an'ny fianakaviany aho.

Nariman Gharib, Iraniana mpikaroka momba ny aterineto sady mpikatroka mafàna fo, nampita hafatra mivantana ho an'ny Global Voices tamin'ny alàlan'ny Twitter :

سعید رو خیلی از ماها میشناسیم، خیلی از ماها که کارمون طراحی و توسعه وب سایت هست.

خیلی ناراحت کننده است که آدم های باهوش جاشون تو زندان های ایران است. سعید جان تولدت مبارک

Betsaka amintsika no mahafantatra an'i Saeed; isika izay manao asa mifandraika amin'ny fanorenana sy fahatakarana ny hoe fanomezana endrika ny tranonkala. Malahelo aho noho ny zava-misy izay hoe any am-ponjan'i Iràna no toerana ametrahana ireo olona marani-tsaina any. Saeed malala, mirary fety sambatra ho anao amin'ny nahatratraranao ny andro nahaterahanao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.