Sefo Israelianina Iray Mahandro Pizza ao Anaty Fiara Hanairana ny Fiarovana ny Ankizy

Israeli celebrity chef Haim Cohen demonstrates what happens if you put a pizza in a hot car for 30 minutes. (YouTube: Beterem: Safe Kids Israel)

Mpahandro sakafo Israeliana malaza iray,ny sefo Haim Cohen mampiseho hoe inona no mitranga raha mametraka pizza iray ao anaty fiara ningaingainan'ny hafanana nandritra ny 30 minitra ianao. (YouTube: Beterem: Safe Kids Israel)

Tahaka ny ahoana moa izany ao anaty fiara izany ao Afovoany Atsinanana mandritra ny Asara (andro mafana)? ONG Israelanina iray Beterem: Safe Kids Israel no niasa niaraka tamin'ny sefo mpahandro hanina malaza iray Haim Cohen handefa ity hafatra tsy manavesatra fo mifono fiarovana ho an'ny olona ity. Saingy tsy natao ihomehezana velively. 16 ny isan'ny ankizy maty hatramin'ny 2008 noho ny famelana irery ny ankizy ao anaty fiara mikatona, ary tsy voaisa kosa izany manerana izao tontolo izao.

Araka ny nolazain'ny Times of Israel, 349 ny isan'ny ankizy tavela irery tao anaty fiara tanelanelan'ny taona 2008 ka hatramin'ny 2015. Nitatitra ry zareo:

Tavela ao anaty fiara ny ankamaroan'ny zaza (84%) anelanelan'ny taona 0 ka hatramin'ny 4. Ny ankamaroan'ny ankizy tavela dia ao anaty fiaran'olona manokana (84%), saingy misy ihany koa ireo tavela ao anatin'ny fiaran'ny sekoly; fitateram-bahoaka, eny fa na dia ao amin'ny lalambin'i Jerosalema aza.

Beer Sheva, in southern Israel, hit a high of 115 degrees Fahrenheit on Wednesday, May 27, 2015. (Image credit: Sara Teichholtz)

Beer Sheva, ao atsimon'i Israely, nahatratra 115 degre Fahrenheit ny hafanana tamin'ny alarobia 27 Mey  2015. (Sary avy amin'i Sara Teichholtz)

Hatramin'ny fotoana namoahana ny lahatsary tamin'ny alarobia 27 mey 2015 tao amin'ny pejy Facebook an'i Sefo Cohen ka hatramin'ny namoahana ny lahatsoratra tamin'ny teny anglisy tamin'ny 31 mey, dia olona 145.000 no nahita ny lahatsary, 3000 ny nitia azy ary 4000 ny nampiely azy, ary mihoatra ny 200 ny fanehoan-kevitra. Toy izao fotsiny no hita eo amin'ny tsanganana:

(בכל יום !!! (והיום יותר מתמיד

(Isan'andro!!! Ary ny androany no tena fatratra.)

Ao anatin'ny vanim-potoana fiakarana tokoa ny maripana tamin'ny alarobia, ary misy aza ny nahatratra hatramin'ny 115 degre Fahrenheit (46 degre Celsius).

Mitondra ny lohateny hoe “Fahandroana sakafo anaty fiara miaraka amin'i Sefo Haim Cohen,” nanomboka tamin'ny fiarahabana ny mpijery ny lahatsarin'i Sefo Cohen amin'ny “fomba fahandroana vaovao.”

Chef Haim Cohen, Israel, Child Safety, Beterem

Chef Haim Cohen, Israel, Child Safety, Beterem

“Hampianariko anareo ny fahandroana sakafo… ao anaty fiara,” hoy izy.

“That's right! In the car! It's simple, it's easy, and it's hot.”

Eny! Ao anaty fiara, tsotra sady mafana.

Nanomboka nikarakara ny pizza izy, nametraka ny koba eo ambony lasitra, nanely ny saosy, nanampy ireo fandravahana eo ambony: frômazy, katsaka, oliva, holatra ary frômazy.

Chef Haim Cohen, Israel, Child Safety, Beterem

Avy eo dia napetrany tao anaty fiara ny pizza ary niteny tamin'ny mpanatrika izy hoe, “Telopolo minitra ao anaty fiara dia hijery isika avy eo.”

Chef Haim Cohen, Israel, Child Safety, Beterem

Chef Haim Cohen, Israel, Child Safety, Beterem

Rehefa nanokatra ny fiara izy 30 minitra taty aoriana, dia may hatreo amin'ny sisiny ka hatrany anatiny ilay pizza.

Chef Haim Cohen, Israel, Child Safety, Beterem

Chef Haim Cohen, Israel, Child Safety, Beterem

Namehy ny lahatsary:

Dear friends: in the summer, the car is exactly like an oven. Don't leave a child alone in a car, not even for a single minute! Every summer there is a sharp rise in accidents involving children. Share this video and prevent the next tragedy.

Ry sakaiza, amin'ny vanim-potoana mafana, tena mitovy amin'ny lafaoro mihitsy ny fiara. Aza avela irery ao anaty fiara ny ankizy, eny fa na dia iray minitra aza. Isaky ny asara dia misonga ny loza mety hahavoa ny ankizy. Zarao ity lahatsary ity ary sorohy ny voina manaraka.

Indro ny lahatsary tao anatin'ny iray minitra feno, Amin'ny teny hebreo ary vita dikantsoratra amin'ny teny anglisy:

Ankasitrahana ny Times of Israel.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.