Fanentanana Haka Selfie Hampiroboroboana Ny Fifandeferan'ny Finoana Samihafa Sy Ny Fahasamihafàna Ara-Poko Ao Myanmar

Myanmar My Friend Campaign

Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny fanentanana #myfriend.

Ao anivon'ny fitomboan'ireo kabary miaty fankahalàna, fanavakavahana, ary herisetram-piarahamonina manerana ny firenena dia misy fanentanana iray ao Myanmar hampiasàna ny selfie hampiroboroboana ny fifandeferana sy ny finamànana.

Tanora avy ao Yangon, ilay tanàna lehibe indrindra ao amin'ny firenena, no mitantana ilay pejy Facebook, ary tamin'ny Aprily lasa teo izy io no natomboka tamin'ny fangatahana ny olona haka sary selfie miaraka amin'ireo namany avy amin'ny foko na finoana hafa.

Ny tenifototra #myfriend sy #friendship_has_no_boundaries (tsy misy fetra ny finamànana) no nampiasain'ilay fanentanana.

Hatramin'ny 2012, misy fifandonana tsindraindray eo amin'ireo Bodista sy ny Miozolmana vitsy an'isa ao amin'ny faritra afovoany, andrefana, ary avaratr'i Myanmar, tafiditra amin'izany i Meikhtila ao Myanmar afovoany, toerana izay nandoroana ny tranon'ireo vondrom-piarahamonina Bodista sy Miozolmana, ary an'aliny ireo olona nafindra fonenana. Ny herisetram-piarahamonina henjana indrindra dia ny tamin'ny Oktobra 2012 tao amin'ny fanjakàn'i Rakhine any andrefan'i Myanmar, toerana nonenan'ireo Miozolmana Rohingya tanaty toby fialokalofana tany akaikin'ny tanànan'i Sittwe. Raisin'ny governemanta ao Myanmar ho mpifindra monina tsy ara-dalàna ireo Rohingya.

Mandritra izany fotoana izany, niparitaka nanerana ireo media sosialy tao Myanmar ny sotasota sy ny kabary feno fankahalàna tety anaty aterineto, niteraka rivotry ny tsy fifandeferana sy ny fifanavahana ara-poko.

Ireto ambany ireto ny sary vitsivitsy avy amin'ilay fanentanana #MyFriend hanaporofoana fa ireo olona ao Myanmar, indrindra fa ny tanora, dia resy lahatra hanatsahatra ny fankahalàna amin'ny alàlan'ny fanehoana fanajàna sy finamànana.

Han Seth Lu, Miozolmana iray, nampakatra saripika iray niarahany tamin'ilay Bodista nàmany:

Myanmar My Friend Campaign (5)

Bodista aho ary Miozolmana ny namako.
Zazalahy aho ary izy zazavavy.
Tsy mitovy izahay fa kosa mifanaiky ny andaniny sy ny ankilany.
Tsy ho mandrakizay ny fiainana, mifalia dieny izao.
Satria tsy misy fetra ny finamànana.
#MyFriend
#Friendship_has_no_boundaries – mikatsaka fandriampahalemana miaraka amin'i May Khin

Rody Din, Kristiana, mizara saripika iray miaraka amin'ilay Bodista nàmany avy any Thailand:

Myanmar My Friend Campaign (3)

“Izaho [Kristiana/Chin_Myanmar] ary [Buddhist/ Thai] ny namako ”

Su Yadanar Myint, Miozolmana iray, mirehareha amin'ny fanànany ny nàmany Sikh iray:

Myanmar My Friend Campaign (4)

Sikh izy ary izaho Miozolmana.
Nefa mpinamana izahay.
Na dia manana izay mampiavaka anay aza izahay, mifampizara kosa ny fomba fijery sy ny finoana, manaiky sy manaja ny mari-panondroana ny tsirairay.
#Myfriend
#Friendship_has_no_boundaries

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.