Mpikatroka Okrainiana: Ny Fomba Ampiasàny ny Youtube Hanoherana Ny Kolikoly Any Amin'ny Fitsaràna

"Open Court" co-founder wearing a t-shirt that says "I am the law." The slogan implies that every citizen, including lawmakers, is subject to the same laws. Image edited by Anna Poludenko-Young.

Ny mpiara-manorina ny “Open Court / Fitsaràna Misokatra”, mitafy akanjo bà misoratra hoe “Izaho no lalàna.” Teny faneva midika fa lalàna mitovy no mifehy ny olom-pirenena rehetra, anisan'izany ireo mpanao lalàna. Sary navoakan'i Anna Poludenko-Young.

Sasatra miandry ny governemanta mba hiady amin'ny kolikoly eo amin'ny rafi-pitsaràna ny vondrona Okrainiana mpikatroka mafàna fo ka dia nanapa-kevitra handray an-tànana ny olana. Ny fitaovana teny eo an-tànan-dry zareo? ny YouTube, ny fampitàna mivantana, ary ny fahaizana lalina ny resaka lalàna.

“Tsotra be ny lojika arahana. Tsy tokony hanan-javatra hafenina ireo mpitsara raha toa izy ireo ka tsy manao kolikoly,” hoy i Stanislav Batryn, mpiara-manorina ny tetikasa “Open Court” tamin'ny Global Voices. Raha milaza ny fitsaràna fa mangarahara, ny antony ho an'ireo mpanorina ny tetikasa, dia tsy hisy hiraharahian-dry zareo akory na ho alefa mivantana amin'ny aterineto aza ny dingana rehetra. “Satria ny fotoam-pitsaràna dia misokatra ho an'ny rehetra ary an-tapitrisa ny olona afaka mahita azy amin'ny aterineto, dia tsy maintsy hanaiky izay zavatra rehetra takiana sy dingana arahana ireo mpitsara, fa tsy haka tàhaka fotsiny ny amin'ny dingana manontolo.”

Ny “Open Court” dia tetikasa iray niainga avy eny ifotony natombok'i Stanislav Batryn sy Oleksandr Korol, mpiara-manorina ny ONG Okrainiana mpiaro zon'olombelona “Open Ukraine”, hiadiana amin'ny kolikoly sy ny tsy fahampian'ny mangarahara any amin'ny fitsaràna Okrainiana. Miaraka amin'ny vondrona iray ahitàna ireo mpirotsaka antsitrapo, kasain-dry zareo ny hanatrika ireo fotoam-pitsaràna ao Kiev, handrakitra ny dingana rehetra ho ao anaty lahatsary, handefa azy ireny amin'ny aterineto araka izay tratra, ary hampakatra hitahiry azy ireny ao amin'ny YouTube. Antenain'ireo mpikatroka hoe hiely be ireo lahatsary, indrindra fa ireo raharaha izay tena mahabe resaka, ary avy eo hotsaingohan'ny media sy horesahan'ny fiarahamonim-pirenena. Raha vantany vao manomboka tsapan'ny fitsarana ny fifantohan'ny saina aminy sy ny tsindry avy amin'ny vahoaka, mino izy ireo fa tsy maintsy hampamoahana noho ny laza ratsiny tamin'ireo hetsika tsy mifanaraka amin'ny lalàna nataony ireo mpitsara malaza ratsy ho nanao fanararaotam-pahefana.

The front page of the "Open Court" website, with a live stream from a court hearing on June 3. Screenshot from sud.openua.tv.

Ny pejy fandraisana ao amin'ny tranonkalan'ny  “Open Court”, miaraka amin'ny “live stream” iray nalaina tamin'ny 3 Jona avy amin'ny fotoam-pitsarana momba ny famonoana ireo mpanao hetsi-panoherana Euromaidan . Sary nosintonina avy tamin'ny sud.openua.tv.

Efa mandeha sahady aminà lahatsary marobe azo alaina ao amin'ny tranonkala ilay tetikasa. Ahoana no fomba fisafidianan-dry zareo ny fotoam-pitsaràna ho atrehana? “Alohan'ny hitsongoanay tranga iray, dia ifanakalozanay hevitra aloha ny lanjany eo anatrehan'ny lalàna sy ny ara-tsosialy. Ary koa, raha efa misy sahady karatra mena ho anà mpitsara sasany, dia ezahanay ny manatrika ny fotoam-pitsaràny,” hoy i Batryn. Tamin'ny 3 Jona, ohatra, nalefan'ny “Open Court” mivantana ny fotoam-pitsarana ny raharaha iray nalaza nahakasika ireo polisy marobe mpandrava korontana nampangaina ho namono ireo 39 mpanao hetsi-panoherana nandritry ny iray tamin'ireo fotoana nisian'ny rà latsaka tamin'ny hetsi-panoherana Euromaidan, ny taona 2014.

Ankehitriny dia ny lahatsary ety anaty aterineto no fitaovana iray fototra ho an'ny “Open Court.” Na mandefa ny lahatsary amin'ny alàlan'ny UStream aza ireo mpikatroka, dia akarin-dry zareo ho ao amin'ny fantsona YouTube ireo lahatsary tahiry misy ny fotoam-pitsaràna, mba hiarovana azy ireny bebe kokoa ho an'ny taranaka ho avy sy ho an'ny fanadihadiana lalindalina kokoa. Aelin-dry zareo amin'ny alàlan'ny vondrona Facebook an'ilay tetikasa sy ao amin'ny tranonkalan'ny “Open Court”  ihany koa ny teny mikasika ireo raharaha izay arahan-dry zareo .

Ny lalàna Okrainiana dia mamela ny olona rehetra ho afaka mandrakitra anaty rakipeo na lahatsary ny fizotry ny fitsaràna, tsy mila fakàna fahazoan-dàlana manokana sy mialoha avy amin'ny fitsaràna, kanefa, ireo fitaovana fandraisana feo sy sary finday ihany no avela ho azo ampiasaina amin'izany. Noho io antony io, dia miankina betsaka amin'ny smartphones sy fitaovana fandraketana lahatsary finday ananany ireo mpikatroka mafàna fo mba handraketana ireo fotoam-pitsaràna.

“Raha mahalàla ny lalàna ny mpitsara, tsy hanakana anay tsy handrakitra an-tsary ny fotoam-pitsaràna,” hoy i Oleksandr Korol. “Raha toa ny mpitsara ka manandrana mandroaka anay hivoaka, dia zavatra azonay tsoahana avy amin'izany fa tsy hainy ny lalàna. Raha izay no tranga misy, dia tsy afaka mahatanteraka ny andraikiny ara-pitsarana ry zareo, noho izany dia anaovanay tatitra [amin'ny manampahefana] ny mpitsara tahàka izany.”

Mikasa ny hanitatra ilay tetikasa ireo mpikatroka ao amin'ny “Open Court” ary, arakaraky ny fandehan-javatra eo, hanaraka ireo raharaha manerana ny firenena. Zavatra iray mahabe fisalasalàna azy ireo momba ny lafiny fahombiazan'ilay tetikasa dia ny mety ho fanehoankevitra (na tsy fisian'izany) avy amin'ny parlemanta, ny  filoha, ary ny manampahefana hafa. Ahoana no hahasahian-dry zareo hiditra an-tsehatra sy handroaka ireo mpitsara mpanao kolikolky raha izy ireo aza mety tafiditra ao anatiny? Io no mbola mijanona ho sakana lehibe, raha miteny Korol sy Batryn fa hoe samy tonga saina tanteraka amin'ny fanisihan-kevitra (lobby) matanjaka momba ny resa-pitsaràna ao amin'ny firenena ry zareo, ny iray izay hiezaka hiaro ny toerana misy ny zava-drehetra amin'izao fotoana izao sy ny asan'ireo mpitsara izay mpikambana ao amin'ilay “lobby”. Mandritra izay fotoana izay, resy lahatra ireo mpikatroka fa mbola misy ihany ireo mpiasam-bahoaka manao amim-pahamendrehana ny asany ao Okraina, izay vonona ny hilalao manaraka ny fifehezan'ny lalàna. Ary raha tsy misy, na iray aza amin-dry zareo, mila tosika kely mankany amin'ny mangaraharaha, manome toky ny  “Open Court” fa ho any mba hanome izany miaraka amin'ny fitaovany fandraketana lahatsary mitodika any amin-dry zareo ireny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.