Sary Meva Avy Amin'ny Fipoahana Volkano Tao Amin'ny Nosy Japone Kuchinoerabu-jima

Kuchinoerabu-jima

Sary avy amin'ny nanatri-maso ny fipoahana tao amin'ny Tendrombohitra Shindake – Kuchinoerabu-jima. Nosintonina tamin'ny YouTube an'ny JiJi Press.

Ny 28 May, nipoaka tampoka tsy nisy fampitandremana ny Kuchinoerabu-jima ao amin'ny  Tendrombohitra Shindake ao amin'ilay nosy mitoka-monina ao Japana, nanery ny tsy maintsy nanesorana haingana ireo mponina 137 tao amin'io nosy io.

Nandao malaky an'ilay nosy ireo mponina izay toa tsy nanana fotoana firy nanangonana ny fananany, ary zara aza afaka naka saripika vitsy avy amin'ilay fipoahana mba hakarina ety anaty media sosialy.

Kanefa, zazalahy iray no afaka nandrakitra anaty lahatsary mahavariana ilay fipoahana, izay nalain'ny JiJi, iray amin'ireo goavan'ny fanapariahana vaovao amin'ny alàlan'ny tariby ao Japana:

「ドドド」と地鳴り、迫る噴煙=直前に耳鳴り、母は悲鳴ー撮影の少年・口永良部島

Maribolan'ny lahatsary: Taloha kelin'ny nandraketana ity lahatsary ity, nitrona tampoka ny tany ary rakotra lavenona ny lanitra, raha ny renin'ilay zazalahy kosa nikiakiaka.

Segondra vitsy monja talohan'ny nandraketan'ity zazalahy ity ny sary no nisian'ilay fipoahana. Mandritra ilay lahatsary, manainga ny reniny izay efa raiki-tahotra mba hihazakazaka izy, niteny azy tsy hiraharaha izay sasa lamba any satria vao avy nipoaka indrindra ilay volkano.

Ny hamafin'ilay fipoahana dia nidika fa tsy nahavimbina afa-tsy vitsivitsy niampy ny fitafiana teny an-kodiny ny maro tamin'ireo mponina:

Sary avy amin'ny “Mainichi News”:  Araka ny hita avy any an'habakabaka ambonin'ny Kuchinoerabu-jima: Fipoahana vaovao – Mainichi News http://t.co/rHClcXK8Wb Ao anatin'ny tahotra noho ny fipoahana iray vaovao, nesorina ny mponina. Sary nalaina avy eny ambonin'ny angidimby an'ny Mainichi News (lahatsary sy saripika azo jerena).

Tsy fantatra na ho afaka ary rahoviana no hiverina hody ireo mponina tao Kuchinoberu-jima :

口永良部噴火:避難「年単位」も 牛とイモの島、募る不安

Fipoahan'ny Kuchinoerabu : mety haharitra taona iray ny fanesorana ireo mponina; lasa “nosin'ny ombivavy sy ny ovy” ankehitriny. Miha-lalina ny tsy fahazoana aina manjo ireo mponina mieritreritra ny niafaràn'ny tranony.

Nahitàna sary mahafinaritra vitsivitsy ilay fipoahana volkano, sary izay zaraina manerana ireo media sosialy rehetra.

Fipoahan'ny Kuchinoerabu .

Lavenona avy amin'ny volkano Kuchinoerabu, azo avy amin'ny zanabolana.

Tsara vintana ireo mponina tamin'ny faritra midadasika afovoan'ny ilany avaratra atsinanan'i Kagoshima, fa tamin'ny fotoana nahabe rivotra dia voahilika niala ny tanibe Kyushu ny lavenona:

Araka ny vaovao navoakan'ny Masoivoho Momba Ny Famantarana Toetrandro ao Japana milaza ny fiparitahan'ny lavenona avy amin'ilay volkano Kuchinoerabu-jima, ho entin'ny rivotra mahery hiala ilay toerana ka ho any amin'ny atsimo andrefana ny lavenona.

Atahorana hipoaka amin'ny fotoana rehetra ireo volkano maromaro ao Kyushu, na efa mihetsiketsika sahady. Ity bitsika ity, izay tany amin'ny herintaona tany ho any izao, no nanasongadina ny mety hisian'ny fipoahana volkano ao Kuchinoerabu-jima:

[Avy amin'ny sary, avy any ambony mankany ambany] ny fihetsiketsehan'ny volkano ao Kyushu:

  • Kuju (Maitso)
  • Unzen (Maitso)
  • Aso (Mavo)
  • Kirishima (Mavo)
  • Sakurajima (Mena)
  • Satsuma Iojima (Maitso)
  • Kuchinoerabu (Mena)
  • Suwanose (Mavo)

Maridrefy: 3 = Mena, 2 = Mavo, 1 = Maitso

Sakurajima (ao Kagoshima) sy Kuchinoerabu no vao nampidirina anaty lisitr'ireo volkano mihetsiketsika. Nahitàna fiakarany be ny fihetsiketsehan'ny volkano Sakurajima hatramin'ny taona 2000 ary tsy nitsahatra ny mipoaka efa ho in-800 tato anatin'ny efatra taona farany.

Raha ny Tendrombohitra Shindake ao Kuchinoerabu-jima no volkano farany nahasarika ny fisainan'ny olona manerana izao tontolo izao, ny tanànan'i Kagoshima manakaiky eo, ao amin'ny farany atsimo andrefan'ilay nosy Kyushu kosa dia miatrika fipoahana tsindraindray avy amin'i Sakurajima, ilay volkano tsy lavitra eo izay mandrafitra ny fara-vodilanitra manome endrika ny tanàna.

Tamin'ny herinandro nialoha io fipoahan'ny Kuchinoerabu io no efa nisy andianà fipoahana nandrakotra lavenona ny tanàna.

Mipoaka i Sakurajima. Toy izao izy amin'ity alina ity. m(_ _)m

Na dia efa nafindra aza ny mponina tao Kuchinoberu-jima, mbola mandrakotra lavenona ireo arabe ao Kagoshima ihany i Sakurajima:

Teo ampiomanana ny hody indrindra aho no nahita ny kodiarandroa tsy foiko rakotry ny lavenom-bolkano.

Nibitsika toy izao ity mpianatra avy amin'ny anjerimanontolo ity :

Toy izao no fahitàna ny toeram-pianarana noho ny lavenona avy ao amin'ny volkano Sakurajima.

Mety ho zava-doza ho an'ireo mponina tao ny fipoahan'i Sakurajima, saingy zava-nahazendana kosa ho an'ireo mpitsidika tonga tao Kagoshima:

Ny andro farany nijanonanay tao amin'ny Hotey Kinko Highlands, mba nitsoraka tao amin'ny toeram-pilomanosana teo ivelany izahay. Feno setroka lavenona niala avy any Sakurajima. Satria tsy nisy olona hafa tao anatin'ny toeram-pilomanosana dia azoko antoka fa tsy hanafintohina olona raha mba naka sary izahay. (*^^*)

Tsy zavatra iray vaovao ny herin'ny fipoahan'i Sakurajima. Etsy andaniny niteraka ‘tsunami’ ary nahafatesana olona anjatony ny fipoahana iray goavana tamin'ny 1994, namadika ny morontsiraky ny Kagoshima Bay, namorona saikinosy kely iray izay nitambatra tamin'ilay nosy teo aloha tao Sakurajima ary ny volkano tao aminy hiaraka amin'ny an'i Kagoshima sy Kyushu :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.