Argentina: Diabe Amin'ny ‘Andro Maneran-tany Ho An'ny Hetsika Manohitra Ny Monsanto’

Protesta del año 2014 contra Monsanto en Buenos Aires. Fotografía tomada de Wikimedia Commons.

Hetsika anoherana ny Monsanto any Buenos Aires, ny taona 2014. Sary avy amin'ny Wikimedia Commons.

Ny 23 May, nisy diabe hanoherana ny orinasa Monsanto hita manerana ny tany, natao tamin'ny fotoana mitovy tany amin'ireo tanàna maro manerana an'i Arzantina, nampiray ireo vondrona miaro ny tontolo iainana sy ireo mpikatroka mafana fo tamin'ny “Andro Maneran-tany ho an'ny Hetsika Hanoherana ny Monsanto.”.”

Orinasa hita manerana ny tany ny Monsanto, miasa manamboatra voa novaina ara-jenetika (GM) ary vokatra simika ho an'ny fambolena indostrialy. Ny glyphosate no iray amin'ireo vokatra tena malaza vokariny, akora fototra ao anatin'ny fanafody famonoana ahitra, mitondra ny marika Roundup. Milaza ireo tsikera fa misy voka-dratsiny mampidi-doza amin'ny zava-maniry, ny biby fiompy ary ny olona, ny Roundup.

Ankoatra an'i Arzantina, misy hetsika mitovy amin'io ataon'ny hetsika iraisam-pirenena Occupy Monsanto (Bodoy Mosanto), sy ny hetsika Millions Against Monsanto (An-tapitrisany Manohitra ny Monsato), samy niantomboka tany Etazonia daholo izy roa ireo. Lasa miha betsaka hatrany isan-taona ireo diabe, rehefa naseho masoandro ny loharanom-baoavao momba ireo voka-dratsin'ny glyphosate sy ny voa GM efa am-polo taonany lasa izay.

Tao amin'ny tanàna lehiben'i Buenos Aires, eo amin'ny toerana Plaza San Martin matetika no atao ireo diabe, akaikin'ny birao foiben'ilay orinasa lehibe ao amin'ny firenena. Mampiseho ireo sary avy tamin'ny hetsika natao ny May 2014 ity lahatsary manaraka ity, maneho tsara ireo fety sy fomba faneho ny kolontsaina any amin'ireo faritra ao amin'ny firenena izay tena anjakàn'ny famafàzana fanafodin'ny Monsanto.

Natao hatry ny nivadihan'ny taonarivo, tany amin'ireo firenena maro, ny ady manohitra ny fambolena ovaina ara-jenetika, taorian'ny fisalasalàna ny amin'ny maha ara-pahasalamana azy  navoakan'ireo fikarohana maro nataon'ireo toerana fanaovana fikarohana tsy miantkina sy ireo anjerimanontolo.

Nanomboka ny 2002, nalefan'ny bilaogy Ecoportal ny Maha Vokatra Mampidi-doza ny Glyphosate, tatitra iray nataon'ny Dr Jorge Kaczewer, dokotera mpanorina sy tale ara-pitsaboana ao amin'ny Ivontoerana any Arzantina momba ny ” Neural Therapy” sy ny ” Integrative Medicine“, izay niampangàn'ny mpanoratra ny Monsanto sy ireo toeram-pikarohana nifanaraka taminy ho nanao kolikoly:

Niaraka tamin'ny fomba fanao miharo hosoka ireo fikarohana ny akora mampidi-doza ao amin'ny glyphosate takiana amin'ny fomba ôfisialy mba hiraiketana azy sy ahazoana alàlana.

La "fantasía y la realidad". Foto de la página de Facebook  "Millones contra Monsanto".

“Nofinofy sy ny Tena izy”. Sary avy tamin'ny pejy Facebook-n'ny “Millions Against Monsanto”.

Nofaranan'i Kaczewer hoe:

Junto con la ayuda alimentaria de enormes raciones de soja elaborada como milanesa, hamburguesa, albóndiga, fideo, raviol, leche, yogur, y queso “de soja”, ahora, casi 17 millones de argentinos empobrecidos y hambrientos también recibirán su dosis masiva de glifosato…. La implacable estrategia comercial de la industria nos permite anticipar cómo ésta visualiza su camino hacia un próspero futuro…. a costa de la salud de millones de personas ni siquiera todavía informadas de la existencia de este tipo de productos.

Miaraka amin'ireo fanampiana ara-tsakafo izay misy vokatra sozà betsaka tokoa, izay karakaraina ho lasa hena vita amin'ny sozà, mofo sesika, hena baolina, spaghetti, ravioli, ronono, yaourt, ary foromazy sozà, hahazo ihany koa ireo taha betsaka anà glyphosate an-dry zareo ireo ny Arzantina miisa eo amin'ny 17 tapitrisa eo, mahantra sy noana…. Ahafahantsika mahafantatra dieny mialoha ny fomba hanaovany làlana ho any amin'ny ho avy miroborobo ny paikady ara-barotra tsy hay tohainan'ilay indostria…. indrisy ho an'ny fahasalaman'ireo olona an-tapitrisany izay mbola tsy mahalala na dia ny fisian'ireo akora ireo aza.

Vao haingana, ny volana Septambra 2014, namoaka tatitra nataon'i Ignacio Diego Mur ny bilaogy miaro ny tontolo iainana BWN Argentina, nilazàny ireo ‘vokatra 12 ratsy indrindra’ noforonin'ny Monsanto, namakafaka ny ho vokatr'io amin'ny toekarena ara-tsakafo sy fambolena any Arzantina, toerana izay tena nampiharana tokoa ny ‘lasitra Monsanto':

En lugar de frutos sanos, verduras, granos y animales alimentados con hierba natural, las granjas industriales de Estados Unidos y Argentina producen un exceso de comida chatarra de ingeniería genética para ocasionar enfermedades cardíacas, derrame cerebral, diabetes y cáncer, con el respaldo de subsidios agrícolas, mientras que los agricultores orgánicos no reciben dichas subvenciones.

Raha toa ka tokony hamokatra voankazo, legioma, voanjavatra ara-pahasalamàna ary biby mihinana bozaka natoraly, dia lasa manamboatra sakafo ratsy tafahoatra, vita amin'ny akora jenetika amboarina, ireo mpiompy amin'ny fomba indostrialy any Etazonia sy Arzantina, izay mahatonga aretim-po, fahatapahan'ny lalandrà, diabeta ary homamiadana, indrindra miaraka amin'ny fanohanan'ny fanampiana amin'ny fambolena; tsy mba mahazo izany fanampiana izany anefa ireo mpiompy sy mpamboly tsy mampiasa vokatra simika.

Politikan'ny ovy mahamay any Arzantina ny fisian'ny akora mampidi-doza amin'ny glyphosate, mahatafiditra ireo karazan'olona maro (governemanta, orinasa, toerana mpanao fitiliana, mpamboly, mpiasa, fikambanan'ny mpiasa ary ny mpanjifa), tombontsoa maro ary fanovaovàna be ny loharanom-baovao.

Ao anatin'ireo hasosorana ireo, ireo olona mipetraka akaikin'ireo toerana namafàzana na mihinana ireo sakafo misy singa tavela avy amin'ilay vokatra.

Any #Argentina, glyphosate 300 tapitrisa litatra no afafy isan-taona amin'ny toeram-pambolena mirefy 28 tapitrisa hektara, misy fiaintraikany amin'ireo olona maherin'ny 10 tapitrisa.

Noho ny fanohanana zara raha misy ataon'ireo masoivohon'ny governemanta sy ireo media nentim-paharazana, mitodika any amin'ny fanaovana bilaogy sy any amin'ireo tambajotra sosialy ilay hetsika, mba hanapariahana ny loharanom-baovao momba ireo antony hitoriana ilay orinasa sy ireo vokatra ataony. Mizara fikarohana, fanadihadiana tranga, lahatsoratra ary sary ihany koa izy io:

Nangataka ny hisian'ny fandraisana fepetra amin'ny fampiasàna ny #glifosato ny Orinasa Misahana ny Zaza any Arzantina amin'ny Fikarohana ny aretina mikasika ny rà – sy ny Homamiadana (anatin'ny maro)  #glifosato

Misy ihany koa ireo olona fanta-daza avy amin'ny tontolon'ny mozika, manohana ilay ady manohitra ilay orinasa, toy ilay mpihira pop any Arzantina, Axel, izay nilaza izao tao amin'ny kaonty Twitter-ny ôfisialy:

Tompon'andraikitra lehibe aminà aretina maro, fahapotehan'ny toetrandro ary ireo zavatra hafa koa ny  #NoaMonsanto

Lasa media fototra ho an'ilay hetsika mba hizaràna loharanom-baovao ireo tambajotra sosialy. Nizara ireo fanasàna hanjohy ireo hetsika atao any amin'ireo tanàna maro manerana ny firenena ny pejy Facebook “Millones Contra Monsanto” izay manana tiako maherin'ny 55.000. Ao amin'ny Twitter, mifampizara loharanom-baovao sy fomba fjery amin'ny alalan'ireo tenifototra sahàla  amin'ny #fueramonsanto (fahasosoranaamin'nymonsato), #noamonsanto (tsiamonsanto), #stopmonsanto (ajanonymonsanto) ary hafa koa ny olona.

23 Mayo 2015 Marcha Mundial contra #Monsanto. En todo el Mundo en todas sus plantas #fueramonsanto via @Noamonsanto pic.twitter.com/UoE9pHWoJP

— Lluís Ahicart (@lluisahicart) May 21, 2015

23 May 2015, Diabe Maneran-tany manohitra ny #Monsanto. Manerana ny tany sy any amin'ireo toeram-pamboleny rehetra #fueramonsanto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.