FIFA Karaiba : Tsy Misy Fanampim-Potoana Ho An'ireo Manampahefan'ny FIFA Avy Ao Karaiba Satria Sokafan'ny Departemantam-pitsaràn'i Etazonia Ny Fiampangàna

Former FIFA Vice-President Jack Warner; photo by the BBC World Service, used under a CC BY-NC 2.0 license.

Jack Warner, Filoha lefitry ny FIFA teo aloha ; sary avy tamin'ny BBC World Service, nampiasaina teo ambany fahazoan-dàlana CC BY-NC 2.0.

Na tia na tsy tia baolina kitra izy ireo, ny fanambaràna fa miampanga tompon'andraikitra sivy ao amin'ny FIFA ary mpitondra orinasa dimy noho ny fitakiana vola, firaisana tsikombakomba ary fanaovana kolikoly, ny Departemantan'ny Fitsaràna any Etazonia, no hany resak'ireo mpisera amin'ny Aterineto ao Karaiba. Miara-miasa amin'i Washington, nanao hetsika manokana ny mpitandro filaminana Soisa, vao mangiran-dratsy, mba hisambotra ireo tompon'andraikitry ny baolina kitra ary nandefa azy ireo any Etazonia tamin'ny fiampangàna federaly azy ireo ho nanao kolikoly.

Iray amin'ireo nampangaina sy notoriana i Jack Warner, teratany Trinidad, filoha lefitry ny FIFA teo aloha ary lasa nanao politika, miaraka aminy amin'izany ilay teratany avy any Caiman Jeffrey Webb, izay naka ny toeran'ny filoha lefitry ny FIFA avy tamin'i Warner, ary nampanantena ny hanao fanadihadiana ireo fiampangàna fanaovana kolikoly maro izay mihanaka ao amin'ny tontolon'ny fitantanana ny baolina kitra. (Novelabelarin'ilay mpanao gazety Ekaose, Andrew's Jenning, tsara tao amin'ny bokiny Foul (Diso), izay mamakafaka ny zavatra rehetra, manomboka amin'ireo mpifidy voavidy vola ka hatrany amin'ny tantara ratsin'ireo tapakila nanala baràka, ireo fomba fanaon'i Warner nolazaina ho feno kolikoly.)

Sady tsy nampangaina no tsy nosamborina tamin'io hetsika izay tao amin'ny hotely manokana manamorona ny farihy tao Zurich io ny filohan'ny FIFA, Sepp Blatter. Namoaka izao fanambaràna izao moa ny FIFA avy eo:

Ankasitrahan'ny FIFA ireo hetsika izay afaka manampy amin'ny famongorana ny fomba ratsy rehetra amin'ny baolina kitra. Azonay fa mikasika resaka maro ireo hetsika ataon'ny Birao Federalin'ny Fitsaràna Soisa amin'ny anaran'ireo manampahefana Amerikàna ary ny Biraon'ny Minisitry ny Fitsaràna Soisa (natomboky ny FIFA tamin'ny alalan'ny famenoana ireo antontan-taratasy amin'ny fizorana ho amin'ny fiantsoana tolotra  ho an'ny Lalao Fiadiana ny Tompondaka Maneran-tany 2018/2020 FIFA).

Voalohany indrindra, mahakasika ireo fanadihadiana nataon'ny Biraon'ny Ministeran'ny Fitsaràna ao Etazonia ho an'ny Distrika Atsinanana any amin'ny Fanjakan'i New York ilay fisamborana olona miisa enina io maraina io tao Zurich. Nosamborin'ireo manampahefana Soisa miasa amin'ny anaran'ireo Amerikàna mpiara-miasa aminy ireo olona ireo noho ny asa nataony nifandraika tamin'ny CONCACAF sy CONMEBOL.

Manaraka ny fandraisan'andraikitry ny FIFA tamin'ny fampisehoana ny antontan-taratasy fiantsoana tolotra tamin'nyLalao Fiadiana ny Tompondaka Maneran-tany™ 2018/2022 FIFA, tany amin'ny Biraon'ny Ministeran'ny Fitsaràna Soisa, ny Novambra 2014, ny ambaratonga faharoa.

Manamafy ny FIFA fa “miara-miasa tanteraka” amin'ny fanadihadiana amin'ny fizotry ny fiantsoana tolotra Lalao Fiadiana ny Tompondaka Maneran-tany 2018/2022 FIFA. Milaza ihany koa ilay fikambanana fa hanao araka ny efa napetraka ny fifidianana ho filohan'ny FIFA, noeritreretina hatao ity Zomà (29/05) ity, fotoanaikatsahan'ny filoha ankehitriny, Sepp Blatter, ny hitondra fanindiminy indray. Namoaka ny fanambaràny manokana mikasika io resaka io avy eo i Blatter:

Andro sarotra ho an'ny baolina kitra, ireo mpankafy ary ny FIFA amin'ny maha fikambanana azy izao. […]

Avelao aho hazava tsara: tsy manana ny toerany ao amin'ny baolina kitra ny fahadisoana sahala amin'izany, ary hiantohantsika ny hamoahana ivelan'ny lalao ireo tafiditra amin'io. Taorian'ny zava-nitranga androany, ny Kaomity tsy miankina momba ny Fotokevitra – izay any amin'ny manasa-dàlana amin'ny asany mikasika ny fanomezana ny Lalao Iadiana ny Tompondaka Maneran-tany FIFA ny taona 2018 sy 2022 – dia nandray fepetra haingana, handraràna vonjimaika ireo olona notononin'ireo manampahefana anarana tsy ho afaka hanao htesika mikasika ny baolina kitra, amin'ny sehatra nasionaly na amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Mihoatra noho ireo dingana mitovy aminy noraisin'ny FIFA tamin'ny taona lasa ireny hetsika ireny, izay nanala ireo mpikambana nanitsakitsaka ny fotokevitra  anay manokana.

Hanohy hiaraka hiasa amin'ireo manampahefana tomponandraikitra hatrany izahay, ary hiasa mafy izahay ato anatin'ny FIFA mba hamongoranaizay rehetra fitondrantena tsy mety rehetra, mba hahazoana indray ny fitokisanareo ary hanomezana antoka fa tsy hisy fmoba fanao tsy mety mihitsy amin'ny baolina kitra maneran-tany.

Namaly ireo fanehoan-kevitr'i Blatter tamin'ny fandefasana bitsika ilay Trinidadiana mpanao gazety sy mpitoraka bilaogy, Vernon O'Reilly-Ramesar:

#rotfl RT @SeppBlatter: Mankasitraka ireo hetsik'ireo manampahefana Soisa sy Amerikàna izahay. Vakio ny fanambaràko

Ny tranonkalam-baovao Wired 868 izay any Trinite sy Tobago no namaky ilay vaovao tao amin'ny sehatry ny bilaogim-paritra io maraina io, niaraka tamin'ny lahatsoratra miditra lalina izay nilaza tamin'ny andinindininy ny anton'ireo fiampangàna (hosoka elektrônika, kolikoly, ary famotsiam-bola, miaraka amin'ny vola nanaovana kolikoly sy ireo tsolotra mitentina mihoatra ny 150 tapitrisa dolara Amerikàna) ary ny anaran'ireo voarohirohy. Nifantoka manokana bebe kokoa tamin'ireo fiampangàna an'i Jack Warner ilay vohikala:

Navoakan'ny Ministeran'ny Fitsaràna fa nanala tena tamin'ny fiampangàna azy i Darryl Warner, ilay zanakalahin'ny toriana, Jack Warner, tompon'andraikitra teo aloha tamin'ny sampana fampandrosoana tao amin'ny FIFA,ary niaiky ny 15 Jolay 2013 fa meloka  tamin'ireo loharanom-baovao roa niampangàna azy, izay ny hosoka elektrônika ary ny fanamboamboarana ireo famindràm-bola.

Daryan Warner, ilay zanakalahin'i Jack Warner lehibe indrindra koa, dia nanala tena tamin'ny fiampangana azy ary niaiky ny 25 Oktobra 2013 fa meloka tamin'ireo fiampangàna telo natao azy, izay ny firaisana tsikombakomba hanao hosoko elektrônika, firaisana tsikombakomba hanao famotsiam-bola ary fanamboamboarana ireo famindràm-bola.

Nosaziana handoa lamandy maherin'ny 1,1 tapitrisa dolara Amerikàna (TT6,9 dolara) i Daryan, tamin'ny fotoana niaikeny heloka, ary nanaiky ny handoa ny sazy lamandy faharoa tamin'ny fotoana nivoahan'ny didy.

Miatrika sazy an-tranomaizina hatramin'ny folo taona avy ireo mpirahalahy Warner tamin'ny fanovàny ny famindràm-bola mba hialàna amin'ny tsy maintsy hanaovana tatitra momba ny fandehan'ny vola.

Hetsika nahafinaritra ireo mpitia baolina kitra maro avy any Karaiba, izay tena ketraka tamin'ny fahitàna ny kolikoly mananika ary mandoto ilay lalao izay ankafizin'ilay faritra sy ireo olona maneran-tany ireo sazy avy amin'ny Ministeran'ny Fitsaràna Amerikàna. Amin'ny hanihany tanteraka, mametraka izao ny kaonty Twitter malaza be ‘God (Andriamanitra):

Amerika ihany no hany afaka mitondra hery amin'ny fitsaràna tsy miangatra ny FIFA, satria izy ihany no firenena eran-tany tsy miraharaha ny resaka baolina kitra.

Nanazava ny vohikala Wired 868 fa “manararaotra ireo toerany feno fahatokisana mba hahazoany tombony manokana ireo taranaka ambaratonga roa an'ny tompon'andraikitry ny baolina kitra, matetika avy amin'ny alalan'ny fifampiandaniana miaraka amin'ireo mpanatanteraka ao amin'ny sehatry ny dokambarotry ny fanatanjahantena izay tsy misy tahotra na henatra, manidy varavarana amin'ireo mpifaninana ary mitazona ireo fifanarahana hahazoam-bola be ho azy ireo samirery, amin'ny fandoavana mandeha ho azy ny tsolotra sy ny tombon-karama”, ary avy any Karaiba sy Amerika Latina ny ankamaroan'ireo eo amin'ny fitondrana.

Raha niely be ny resaka hoe rahoviana ny handefasana ny fangatahana hakàna an'i Jack Warner hivoaka ny tany misy azy, i Warner kosa sahirana mamoaka ireo fanambaràna milaza fa tsy nahalala na inona na inona tamin'ireo fiampangàna ireo izy. Vao maraina androany, tao amin'ny fandaharan'ny onjam-peo iray ao an-toerana, nilaza izao izy :

Tsy nilazàna na nampandrenesina na nanontaniana na inona na inona aho. Ny zavatra renareo no reko.

Araka ny Wired 868, nanasa ireo olona hiantso an-tariby ilay onjam-peo taorian'ny tafatafa, izay nanontaniana ireo mpihaino raha mieritreritra izy ireo fa hifarana any am-ponja Amerikàna i Warner. Tsy nahagaga, “olona maro nilaza hoe ‘tsia'”. Na teo aza ireo honohono maro aminà resaka kolikoly amin'ny politika nandritra ireo taona nifandimby, tsy mbola nisy tomponandraiki-panjakana nosaziana tamin'ny fiampangàna ho nanao kolikoly tany Trinite sy Tobago.

Namoaka fanambaràna tamin'ny mpanao gazety i Warner avy eo nanipika ny tsy maha meloka azy:

Ho fantatr'ireo vahoakan'i Trinite sy Tobago fa niala tamin'ny FIFA sy ny baolina kitra iraisam-pirenena aho, efa efatra taona lasa izay, ary nandritra ny taona maro faramparany izao, namerina nanao fanekena tamin'ny fiainako aho mba hanatsara ny ho avin'ireo olom-pirenena tsirairay avy amin'ny finoana ary fihaviana rehetra amin'ity firenena ity. […]

Niady tamin-kerimpo nanohitra ireo fisehon'ny tsy rariny sy ny kolikoly aho.

Tsy navela ho afaka manaraka ny dingana rehetra ara-dalàna aho ary tsy nanontaniana momba io resaka io akory. Mamerina aho fa tsy meloka amin'ny fiampangàna rehetra. Efa niala tamin'ny politikan'ny baolina kitra maneran-tany aho mba hirotsaka amin'ny fanatsaràna ireo fiainana amin'ity firenena hahafatesako ity, raha sitrak'Andriamanitra.

Tsy misy idirako intsony ireo asan'ny FIFA. Tsy afaka manampy aho, saingy mahamarika tsara hoe ireny hetsika voarindra mahakasika firenena maro ireny anie ka tonga amin'ny fotoana izay hamoriana ny FIFA mba hifidy ny Filoha, izay fantatry ny rehetra fa tsy tian'ny fiarahamonim-pirenena.

Notaterina avy eo fa nanao fangatahana ara-dalàna hakàna an'i Jack Warner i Etazonia.

Nanao fangatahana ofisialy tany amin'ny Manampahefana Foibe ireo manampahefana mpampihatra ny Lalàna Amerikàna, ny amin'ny hakàna azy any an-toerana @CNC3TV

Ny ekipan'i Warner, amin'ny resaka lalàna kosa, nandray ity fomba fiasa ity:

Nanoro hevitra an'i Jack Warner ireo mpisolovava azy ny mba tsy hanaovany fanehoan-kevitra hafa intsony ary “hijanona amin'ilay fanambaràny tamin'ny mpanao gazety” hatreto @CNC3TV

Tsy hisalasalàna ny hanohizan'ireo mpisera amin'ny Aterineto ao amin'ny faritra hanaraka io tantara io amin-kafanam-po, mba hahafantatra ny hanjo an'i Jack Warner, Jeffrey Webb, ary mazava ho azy, “ilay lalao mahafinaritra“. I Warner indray taorian'izay nanodina ny tenany ho mpitandro filaminan'i Trinite sy Tobago.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.