Mifanjevo Ao Anatin'ny “Atin'akanjo Maloton'ny Paki” Ny Ara-nofo, Fivavahana Ary Politika

Playwright Aizzah Fatima plays a character she calls a "hijabi feminist."  Credit: Courtesy Aizzah Fatima. Published with PRI's permission

Aizzah Fatima, mpilalao an-tsehatra mitàna ny toeran'ny olona iray antsoiny hoe “mpiaro ny vehivavy misalotra hijab.” Sary: Natolotr'i Aizzah Fatima. Navoaka miaraka amin'ny fanomezan-dàlan'ny PRI

Nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 28 May 28 2015, ary naverina navoaka etoana ao anatin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty ity lahatsoratra sy tatitra tamin'ny onjampeo nataon'ì Joyce Hackel ho an'ny The World ity.

Efa mahazatra an'i Aizzah Fatima ny manahy hoe mety hanafintohina ireo rahavaviny Aziatika Tatsimo ny lohatenin'ny fiakarana an-tsehatra samirery ataony, “Atin'akanjo Maloton'ny Paki”. Saingy efa ho dimy taona aty aorian'ny namokarana an-tsehatra avy any Toronto nankany Tiorkmenistana, efa tsy dia mihetsi-bolomaso loatra amin'izay fanambaniana amin'ny resaka ara-poko intsony ilay Pakistane metisy Amerikana.

“Fanamby goavana ny nanombohako voalohany niaka-tsehatra nilalao azy ity mba hahazoana ireo vondrom-piarahamonin'ireo Silamo Amerikana hanohana azy”, hoy izy. “Tena efa niova tanteraka izany.”

Ireo kabary tsy valiana ao anatin'ny ‘Atin'akanjo’ dia mitrandraka ireo olana amin'ny maha-izy ny olona, ny resaka fananahana ary ny fivavahana miainga avy amin'ny fijerinà Pakistane  enina metisy Amerikana. Tato anatin'ny herinandro vitsivitsy, Fatima sy ny tale Erica Gould dia nitondra ilay seho ho any Luton, Bradford, Glasgow sy Londona, toerana nifangarongaroany tamin'ireo vondrom-piarahamonina Miozolmana tao an-toerana, tamin'ny alàlan'ny “jeritodika” taorian'ny fampisehoana.

“Efa nisy teatra namandrika tamiko ny hanaovana fampisehoana. ary avy eo nanafoana izany satria nanahy ry zareo,” hoy izy. “Tany Bradford izahay, izay heveriko fa iray amin'ireo tanàna mahantra indrindra sy ahitàna betsaka indrindra ny teratany Pakistane ao Angletera, ary dia tena nisy tokoa ny olona tamin'ireo mpanatrika tao no nanana olana tamin'io. Ary avy eo niloa-bava momba izany, saingy dia tonga hatrany izy ireny.”

Fanambaniana manokana ny fomba fiteny hoe “Paki” ao Angletera, toerana voalohany nampiasàn'ireo gazety  mpanao resaka tsy manjary azy tamin'ny 1960s hanondroana ireo rehetra avy any Azia Atsimo, isan'ireny ny Indiana, Afgana ary ny avy any Bangladesh.

Lazain'i Fatima fa nosoratany ilay seho mba hanehoana fomba fijery mifanohitra kokoa avy amin'ny zavatra niainan'ny Pakistane metisy Amerikana tao Etazonia, sy satria nanahiran-tsaina azy ny filazàna taminy fa “tsy dia mendrika azy loatra” ny hidina ambany hampiseho ny anjara toerana napetraka matetika ho an'ireo Silamo mpilalao an-tsehatra avy any Azia Atsimo.

“Nisy fijerena ny maha-olona tao anatin'io fiainana ny maha-vehivavy Miozolmana Amerikana ny tena io izay tena tsy hita mihitsy teny anaty media, tsy hita mihitsy tany anatin'ireo karazana anjara toerana lalaovina any anaty sarimihetsika, fahitalavitra, teatra,” hoy izy. “Tiako ny hanome sary ireo vehivavy Miozolmana, indrindra fa ireo vehivavy izay manarona ny volony, ny fomba hahaizako ny tokony ho izy amin-dry zareo, araka ny fidradradradran'ireo mpikatroka mafàna fo sy mpiaro vehivavy feno fahasahiana azy.”

Lazain'i Fatima fa ato anatin'ny folo taona ho avy dia ho rava tsy ho afa-bela ireo fitsaratsaram-poana ny Aziatika Tatsimo.

“Tena antenaiko mihitsy amin'ny androm-piainako, 30 taona nivezivezena izao, mba ho vitantsika ny hijery ny lasa ka hiteny hoe, ‘Hey, efa nihoarantsika izany,'” hoy izy. “Efa niroso isika.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.